Filtrer les éléments par date : mercredi, 14 août 2019

Lehilahy 01, sahabo 27 taona no notanan’ny Polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana (BAC) ny zoma faha 09 aogositra teo, rehefa avy nandona sarety maromaro teny amin’ny Fasan-karana ka nahafatesana olona 01.

Ny alarobia faha 07 aogositra 2019 tokony ho tamin’ny 12 ora sasany alina no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity teo amin’ny Fasan-karana. Kamiao 01 avy any Vontovorona ka nentin’ny mpamily haterina any amin’ny orinasa iasany eny By-Pass no nifanena tampoka tamina fiara hafa. Tsy nahatana ny familiana ilay mpamily kamiao ka nifatratra tamina sarety miisa 06 nipetraka teo amoron-dalana.

Lasa nandositra avy hatrany moa ity kamiao ity rehefa avy nandona ireo sarety ireo. Fotoana fohy taty aorina dia tonga teny an-toerana ny Polisy nizaha ny zava-nitranga. Tamin’izany no nahitana ny vata mangatsiakana lehilahy 01 tao anatin’ny iray tamin’ireo sarety ireo.

Publié dans Tselatra

Hisy ny famelabelaran-kevitra hampisehoana ny zava-bita nandritra ny 60 taona, andraisan’ireo mpampianatra mpikaroka amin’ireo zanatsehatra 13 ao amin’ny FLSH anjara. Misy ny lalao ara-panatanjahantena ifaninanan’ireo sampam-pampianarana ao amin’ny FLSH. Hisy koa ny fampirantiana sy fifaninana isan-karazany ary fety aman-danonana karakarain’ny mpianatra, ary ho faranana amin’ny famoahana andiam-pianatra.

Ireo dia voizina manodidina ny lohahevitra lehibe “Faculté des Lettres et Sciences Humaines à l’ère du numérique » mandritra ny fankalazana.

Efa tonga eo amin’ny ivon’ny fankalazana ny FLSH amin’izao fotoana. Ny famaranana dia hatao amin’ny volana martsa 2020.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Nanome toromarika ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 14 aogositra 2019 fa tsy azo atao ny mivarotra solika fandrehitra mihoatra ny vidiny efa nifametrahana, araka ny voafaritra tamin’ireo mpandraharahan’ny solika. Iharan’ny sazy ireo manararaotra sy minia mandika izany araka izay efa napetraka.

Tsy maintsy vahana ao anatin’ny fotoana fohy ny fitaterana sy fitsinjarana ireo solika fandrehitra sy ny solika rehetra manerana ny Nosy. Mbola ampy tsara ary mahenika ny mpanjifa ny tahirin-tsolika misy eto an-toerana ankehitriny.

 

Publié dans Sociale

Hetsika nifarimbonan’ny sendikan’ny mpisolovava sy ONG maromaro tany Gabon, manoloana ny hamaroan’ny olona voatana am-ponja tsy ara-drariny efa aman-taonany maro nefa tsy voatsara no nahatongavana tamin’izao vokatra izao.

Nanome baiko ny hamoahana am-ponja azy ireo avy hatrany ny filoha Ali Bongo. Voafonja miisa 153 no navotsotra omaly talata 13 aogositra 2019, tao amin’ny fonjan’i Libreville fotsiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Hentitra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany nandritra ny filankevitry ny minisitra. Mitaky « Asa– Fahamatorana – Fandraisana andraikitra » ny tenany. Mikasika ny fandrafetana ny volavolan-teti-bola taona 2020 dia nanome toromarika mazava ny tenany, fa mila arafitra mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny toe-javamisy isaky ny faritra izany.

Mila ampitomboina ny fandaniam-bola ara-tsosialy, mila ampitomboina ny famatsiambola natokana ho amin’ny fampiroboroboana ny fambolena, hoy ny filoha, ampifanarahana tsara amin’ny filan’ny vahoaka sy ny tanjona nanaovany velirano tamin’ny vahoaka Malagasy.

 

Publié dans Tselatra

Nanolotra volavolana tetiandro hanatontosana ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny CENI taorian’ny naharaisany ny taratasy fangatahana avy amin’ny governemanta, omaly talata 13 aogositra 2019. Ny datin’ny alarobia 27 novambra 2019 no naroson’ny CENI mba hanatanterahana ireo fifidianana roa ireo.

Hanomboka amin’ny 22 aogositra ary hifarana amin’ny 05 septambra 2019 ny fametrahana ireo antotan-taratasy eny anivon’ny Distrika.

Amin’ny 17 septambra 2019 ny CENI no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo kandida.

Haharitra 21 andro ny Fampielezan-kevitra, ka hanomboka amin’ny 06 novambra izany ary hifarana amin’ny 26 novambra 2019.

Ny Alarobia 27 novambra 2019 no androm-pifidianana.

Publié dans Politique

Tafatsangana ny vovonana antsoina hoe : « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ». Antoko politika mpanohitra miisa 21 no mandrafitra ity vovonana ity.

Publié dans A la Une
mercredi, 14 août 2019 21:18

JIRAMA: Nesorina ny Tale Jeneraly

Nofoanana ny didim-panjakana laharana faha: 2017-296 ny 26 aprily 2017 nanendry ny Tale Jeneralin’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA). Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ny fanapahan-kevitra araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, ny rano, ny akoranafo.

 

Publié dans Tselatra

Nidina nijery ny fandrosoan'ny asa teny Amoronakona ny ekipan'ny Ministeran'ny Angovo, ny Rano sy ny Akoranafo. Fantatra taorian’izay fa ho vita amin'ny faran'ity volana aogositra 2019 ity ny asa eny amin'ny tobim-pamokarana rano izay heverina fa hamaha ny olan'ny famatsiandrano ho an'ny faritra Atsinanan'Antananarivo.

Aorian'ny andrana sy fanamarinana farany dia hamatsy iny faritra Atsinanan'Antananarivo iny ny rano vokarin'ny toby vaovao ity manomboka ny 10 septambra 2019.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Ny zoma 16 aogositra 2019 ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian no hanolotra ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) manoloana ireo solombavambahoaka.

Araka ny andininy faha-99 amin’ny Lalampanorenana, ny praiminisitra dia manolotra ny drafitra fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) manoloana ny Parlemanta, ao anatin’ny telopolo andro aorian’ny nanendrena azy.

Ny 19 jolay 2019 no notendrena ho praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2