Filtrer les éléments par date : mercredi, 31 juillet 2019

Nirefotra ny basy teo Tanambao ny hariva teo. Lasibatry ny fanafihana mitam-basy ny Karana iray mpivarotra sy mpiambina ao aminy. Nitifitra ireo jiolahy, maratra mafy iretsy farany, ary tsaboina ao amin’ny hopitalibe Amboanato – Tolagnaro. Lasan’ny jiolahy ny vola be.

 

Publié dans Tselatra

Trano lehibe iray misy fianakaviana enina teo Manolotrony, atsimon'ny Lycée Rakotoarisoa, no nirehitra androany maraina. Tsisy aina nafoy, olona 23 no traboina, ankoatra ireo fananana main’ny afo.

Vao nandre ny voina, dia tonga nijery ny zava-misy sy nampahery ireo traboina teny an-toerana ny solombavambahoaka voafidy teto Ambositra, Rasoazananera Maria Monique.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 31 juillet 2019 21:57

Toliara: Hanamboarana dobo olimpika

Manana tetikasa hanorina dobo olimpika eto Toliara ny fanjakana. Tonga nijery ny toerana eny amoron-driaka an-damosin'ny "Kianjan'ny Marimar" hanorenana azy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto, androany alarobia 31 jolay 2019.

Heverina ny hamitana haingana ny asa rehetra, izay ahitana dobo filomanosana manara-penitra mirefy 50m, sy dobo fiomanana mirefy 25m, ary toerana izay mahazaka 1000 isa, natokana ho an'ny mpijery, ankoatra ny fefy sy toerana fiantsonan’ny fiarakodia.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 31 juillet 2019 21:45

Mahitsy RN4: Fiara nitondra akoho, may kila

Teny an-dalana hiazo an’Antananarivo renivohitra, hitondra akoho hamidy no tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly, ka nirehitra. May kila niaraka tamin’ilay fiara ny akoho nentiny. Avotra kosa ireo olona tao anatiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 31 juillet 2019 21:43

31 juillet

Journée internationale de la femme africaine.

 

Publié dans Fil info

Tafaverina eo anivon’ny ray aman-dreniny omaly atoandro i Radoharintsoa Sombiniaina Risnah na i Aina, zazavavy kely, 6 taona, nisy naka an-keriny tao an-tranony, tany amin’ny Kaominina Ambodirano, Distrika Amparafaravola, ny Alakamisy 25 jolay 2019 tamin’ny 8ora alina.

Mifarimbona amin’ny fikarohana sy fanenjehana ireo mpaka an-keriny ny fianakavin’i Aina sy mpitandro filaminana.

 

Publié dans Tselatra

Nikasa hamaky trano teny amin'ny Podium Atsimondrova, teto amin’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka ity jiolahy ity, ny talata 30 jolay, tokony ho tamin’ny 9ora alina. Feon-javatra tany an-tafontrano no nanaitra ny tompontrano.

Nikoropaka ilay jiolahy raha nahatsikaritra fa taitra ny tompontrano. Ny nitsambikina avy any an-tafontrano no heveriny fa haingana amin’ny fitsoahana ; ny lohan’ilay jiolahy anefa no niantefa tamin’ny tany ka maty tsy tra-drano.

Mponina eo an-tanàna ihany ilay jiolahy. Efa eo ampelan-tanan’ny fianakaviany ny faty.

 

Publié dans Tselatra

Lavon’i Malawi tamin’ny isa 2 noho 0 i Madagasikara androany teo amin’ny lalao voalohany natrehany tao amin’ny Vondrona A misy azy amin’ny COSAFA Women 2019, tanterahina ny 31 jolay ka hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao, atsy Port Elisabeth Afrika Atsimo.

Voafidy ho mpilalao mendrika tamin’ity lalao androany ity i Mamy Lalaina Prisca (N°3).

I Afrika Atsimo, Kaomôro ary Malawi no firenena iray Vondrona A amin’i Madagasikara. Amin’ny 2 aogositra 2019 ny lalao faharoa hatrehin’i Madagasikara, hihaonany amin’i Kaomôro. Amin’ny 3 aogositra 2019 kosa ny lalao fahatelo ao anaty vondrona, hifandonan’i Madagasikara amin’i Afrika Atsimo mpampiantrano.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

« Mitaky ny hanaovana ny fifidianana kaominaly » amin’ity taona 2019 ity ny “KMF/CNOE –Fanabeazana Olompirenena”. « Mbola azo atao tsara izany hatramin’ny faha-30 ny volana novambra 2019, araka ny Lalàna fehizoro 2018-008, ao amin’ny andininy faha-52 », hoy ny fanamarihan’ity firaisamonim-pirenena ity tamin’ny fanambarana nataony taorian’ny fivorian’ny mpikamban’ny birao nasionaliny nandinihina momba ny Lalampanorenana sy ny lalàna mifehy ny fifidianana.

Nanao fampahatsiahivana ny KMF/CNOE –Fanabeazana Olompirenena” fa tokony natao tamin’ity volana jolay 2019 ity io fifidianana kaominaly io raha toa ka nihevitra ny tsy hisian’ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Kaominina ny Fitondrana. Ny fametrahana Delegasiona Manokana, hoy ny fanambarany, dia « tsy manaraka ny fenitra demokratika » ary « tsy rariny raha toerana natokana ho an’ny olomboafidy no omena tantanana olomboatendry ».

 

Publié dans Politique

Nisahotaka ny olona nandre feom-basy sy feon’olona nikiakiaka niantefan’ny bala ka nandratra azy ireo. Tetsy Tsaralalana no nitranga ity loza ity androany alarobia 31 jolay misandratr’andro.

Basy poleta no nipoaka. Polisy iray nisahana fiarovana mpanatitra vola no nitondra azy. Tsy fitandremana sa fahanteran’ny fitaovam-piadiana no nampipoaka ny basy ?

Olona roa sendra nandalo no naratra, ny iray niantefan’ny bala teo amin’ny feny, ny faharoa teo amin’ny fitombenany. Fiara 4×4 iray nijanona teo amin’ny sisindalana ihany koa no nisy fahavakisana ny fitaratra niantefan’ny bala.

Nanokatra famotorana mikasika ity raharaha ity ny Brigade Criminelle Anosy.

 

Publié dans Tselatra