Filtrer les éléments par date : mardi, 30 juillet 2019

Mihemotra amin’ny fotoana tsy voafetra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. Betsaka na izany aza ireo antoko, fikambanana eny olom-pirenena te hahalala ny andinindininy mikasika ireo fifidianana ho avy ireo.

Betsaka no mitaraina raha ny eto Mahajanga fa matetika no mikatona ny biraon’ny CENI eto an-toerana amin’ny fotoana ahatongavan’ny olona te hahazo fanampim-panazavana manodidina ireo fifidianana ireo, ka mametra-panontaniana hoe amin’ny firy ny ora fivohan’ny biraon’ny CENI Mahajanga ?

 

Publié dans Politique

Mamokatra zezika mifanentana amin'ny filan'ny tantsaha ny ZEZIMA na ny Zezika malagasy.

Maro ireo karazana vokatra izay amin'ny vidiny 19 000 ariary ny fonosana amin'ny 25 kilao.

Marihina moa fa efa misy ny fiaraha-miasa amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana amin'izao fotoana izao.

Ny ZEZIMA moa dia efa niorona tamin'ny taona 2006 tany, ary ankehitriny dia efa miroborobo ny vokatra izay mahatratra 25 taonina isan-kerinandro.

 

Publié dans Economie

Efa iray volana eo izao no foana ny sidina Air Madagascar Toliara – Tolagnaro – Toliara, fa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Maniry ny hiverenan’io sidina io indray ny mpandeha eto Tolagnaro.

Misy ny sidina ataon’ny kaompania Air Austral mampifandray an’i La Réunion-Tolagnaro- Toliara/Toliara-Tolagnaro-La Réunion in-telo isan-kerinandro ka fanirian’ny mpandeha eto Tolagnaro ny mba hampiarahana amin’io sidina io, mandra-pisy lamina vaovao amin’ny sidina ataon’ny Air Madagascar.

 

Publié dans Sociale
mardi, 30 juillet 2019 14:24

RN5: Manomboka ny fikojakojana ny lalana

Ny ampahan-dalana Toamasina – Foulpointe manomboka eo amin'ny Pk12 hatrany amin'ny Pk 30 no voakasik’ity fanamboarana ity. Fikojakojana fanao isan-taona no hatao, ary ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy no misahana azy.

Fanamboarana ireo lavaka, fanaovana lalana « béton » ireo no tena hifantohan'ny fanamboarana ho atao izay nanomboka ny alatsinainy 29 jolay 2019 ny asa, ary haharitra telo volana eo ny faharetan'ny asa.

Teti-bolan'ny ministera no hamatsiana izany.

 

Publié dans Vaovao
mardi, 30 juillet 2019 08:43

Anosy: Hetsika Education Tour

Ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga fototra sy ny fampianarana teknika matianina ary ny projet Aquem dia nikarakara fampirantiana antsoina hoe EDUCATION TOUR izay natao ny 26 sy 27 jolay teo amin’ny tokotanin’ny ministeran’ny fampianarana Anosy.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mardi, 30 juillet 2019 08:24

Fitsarana: Fianianana Mpitsara vaovao

Notontosaina ny zoma 26 jolay ny fianianana mpitsara vaovao teo anivon’ny Fitsarana, ka isan’izany Ramatoa RANDRIMIADANARIVO Simone izay nanolo ilay mpitsara efa nisotro ronono.

Tonga nanotrona izany lanonana izany ny Minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nandrika ny rà tsy lavitry ny EPP Tanambao Nord amin’ny lalana miazo an’i Malainkoafara, Fokontany Matsiatra – Ikalamavony ny sabotsy 27 jolay 2019. Raim-pianakaviana iray sahabo 42 taona, antsoina hoe Dariera, no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, rehefa izy handeha hody. Feno dian-javamaranitra ny lohany.

Maty nisy namono ny zanaka lahin’ity Dariera ity tamin’ny 10 jolay 2019. Tovolahy tao an-tanana ihany no nahavanon-doza, tamin’ny tsindron’antsy noho ny resaka toaka.

Publié dans Vaovao

Nanolotra fitafiana, vary, savony, menaka, siramamy, sira ary paty ho an’ireo marary tsy misy mpiahy ao amin’ny hopitaly Befelatanana, izay sahanin’ny Aumônerie Protestante Befelatanana, ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona, izay notarihan’ny Filohany, Rivo Rakotovao mivady ny sabotsy 27 jolay 2019, sady namaranana ny herinandro fankalazana ny faha 60 taona ny Antenimierandoholona.

Nanolotra vola iray tapitrisa Ariary ho an’ny Aumônerie Protestante Befelatanana ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona mivady.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Efa nisy nanapitsoka ny hidim-bavahadin’ny vala fametrahan’ny Kaominina omby miisa 329 avy any Soahazo Mangalahy natao « fourrière ».

Ny sabotsy 27 jolay 2019 no tsikaritry ny tomponandraikitra io, tsy nisy kosa omby tafavoaka.

Nohamafisin’ny Kaominina ny hidim-bavahady, toy izany koa ny eo anivon'ny Kaompanian’ny Zandarimaria Betroka, nandray fepetra nanamafisana ny fiambenana ireo omby sisa tavela, ankoatra ireo efa tafaverina amin’ny tompony.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hanatanteraka amin-kitsim-po ny adidy sahaniny ka tsy handiso fanantenana an’ireo izay manantena ny mba hampihena amin’ny ambongadiny ny kolikoly misy eto amin’ny firenena. Nivoitra io , omaly alatsinainy tolakandro, nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ny Tale Jeneraly vaovao hiandraikitra ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly na ny BIANCO, Andrianirina Laza Eric Donat, teny Mahazoarivo.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2