Filtrer les éléments par date : lundi, 29 juillet 2019

Avy nivahiny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto Mahajanga ity depiote voafidy tao Soalala ity, omaly no nisy roalahy, tsy misarontava, nandrahona azy tamin’ny basy.

Ny mpiambina ny toerana no niantso mpitandro ny filaminana haingana vantany vao nahatsikaritra fihetsika hafahafa nataon’ireo olon-dratsy.

 

Publié dans Tselatra

Tsy raikitra amin’ny tetiandro novolavolaina sy naroson’ny CENI amin’ny governemanta ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina nokasaina hatao amin’ny alatsinainy 28 oktobra 2019.

Hatramin’ny androany rahateo dia tsy namoaka didim-panjakana raisina eo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny fanjakana iantsoana ny mpifidy 90 andro mialoha ny latsa-bato.

Manohy ny asany ireo Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny 2015, araka ny fampahafantarana nataon’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny fanapariaham-pahefana.

 

Publié dans Tselatra

Tonga teto Toamasina ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah, ny sabotsy 27 jolay, nanohana ny didipoatra faobe nokarakarain'ny fikambanana FITAHOFI, izay natao tao amin'ny EPP Todivelo Raphael Ankirihiry. Zazalahy kely an-jatony teo no nisitraka ity famorana maimaimpoana ity.

Publié dans Sociale

Tompondaka erantany amin’ny matematika, « Algèbre de Lie » i Profesora Ravelonirina Sammy Grégoire. Zanak’i Marolambo izy. Nanomana fandraisana manokana azy teto Toamasina ny ADOPT (Association des Originaire de la Province de Tamatave), niaraka tamin’ny Fikambanana Terak'i Marolambo, Fikambanana terak'i Mahanoro, Fikambanana terak'i Vatomandry ary ny Fikambanana zanak'i Brikaville.

Tao amin’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana teo amin’ny araben’ny fahaleovantena no natao ny lanonana.

 
 
Publié dans Sociale

Zazakely 3 taona no nisy naka an-keriny tao Marotaolana, Kaominina Antsiafabositra, Distrikan’i Maevatanana tamin'ny 02 febroary 2019. Tany Ampanotovana Kaominina Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo no hita ilay zaza.

Voasambotry ny Zandarin’Ankazobe tao Antokonana, Fokotany Irindra, Kaominina Tsaramandroso, Distrikan’Ankazobe,  tamin’ny 27 jolay  2019 ny atidoha nanao ny fakana an-keriny, araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra. Voasambotra ihany koa ireo namany roa.

Efa tafaverina any amin'ny ray aman-dreniny ilay zaza.

 
 
Publié dans Tselatra

Antananarivo la ville des 1000 hommes depuis 4 siècles, est-elle la Cité des 1000 tourments? Avec tous les soucis et problèmes qu’elle traîne.

Selon AfrikMag rapportant le magazine Forbes en 2018, Antananarivo est classée à la 3ème place des villes les plus sales au monde et la 1ère en Afrique. Elle arrive juste après Baku (Azerbaïdjan) et Dhaka (Bangladesh), sur notre continent elle arrive en tête avant Addis Abeba (6ème rang mondial) et Brazzaville (10ème rang mondial).

Rien de surprenant au vue des amoncellements d’ordures et autres déchets jetés ici et là, en plus des états de nos rues et ruelles.

En ce début du 21ème siècle, 20 ans sont déjà passés (on est en 2019), les charrettes et autres pousse-pousse tirés par des hommes en faladium (pieds nus !) engorgent encore les sentes ! On dirait le 19ème siècle en Chine ou en Europe, c’est-à-dire 200 ans de retard.

Publié dans Editorial

Le but essentiel de la journée est la sensibilisation des populations à la conservation des tigres sauvages.

 

Publié dans Fil info

Nidina ifotony ny avy amin'ny sampandraharaham-paritry ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo izay natomboka teto Sambava ny zoma 26 jolay teo iny, ka nanaovan’izy ireo fampahatsiahivana fa tsy azo atao ny fivarotan-tsolika isaky ny elakelatrano, ary mahavoasazy, hoy ny Talem-paritra RATOVONIAINA Thierry Emmanuel

Lasa ataon'ny olona fitadiavam-bola ity varomaizina amin'ny solika ity, ary hita fa misy tambazotra matanjaka ato amin'ny Faritra SAVA. Milaza ny mpivarotra solika manao varomaizina fa mahazo tombony 15 000Ar isaky ny jerikanina 20 litatra izy ireo. Ankoatra ny 4200 Ar vidin’ny lasantsy iray litatra eny amin'ny « station » dia mbola mandoa 2 000Ar hatramin'ny 3 000Ar eny amin'ny « pompiste » izy ireo.

Publié dans Vaovao

Nijery ifotony ny fizotry ny asa sy niara-nijery tamin’ireo manam-pahefana eto an-toerana ny hanafainganana ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina eto Morondava ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ny sabotsy 27 jolay 2019.

Tombanana ho vita amin'ny faran'ity taona 2019 ity izany fanamboarana izany.

Nojerena ihany koa ny toerana azo hanamboarana kianja mitafo lehibe iray eto Morondava.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra