Filtrer les éléments par date : mardi, 02 juillet 2019

Natao androany tany Alexandrie Egypta ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana amin'ny tambinkarama teo amin'ny Comité de Normalisation pour la Fédération Malagasy de Football sy ny mpilalao 23 anio.

Fantatra fa 500 000$ USD ny prime avy amin'ny CAF homena ny Barea, fa rehefa nivory niaraka tamin'ny Comité ry zareo 6 mirahalahy solontenan'ny Syndikan'ny mpilalao dia nanapaka ary natao sonia fa 60% n'ny vola dia ho zarain'ny mpilalao, fa ny 40% dia omen'ny mpilalao ho an'ny Comité hisahanana ny fandaniana izay tsy maintsy atao.

 

Publié dans Sport
mardi, 02 juillet 2019 19:11

Morondava: Hazo sarobidy maro sarona

Loharanom-baovao avy amin'olona tsara sitrapo no nanetsika ny foibem-paritra miadidy ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra nidina tamin'ny toerana ka nahitana ireto hazo sarobidy ireto, izay notrandrahina tany anaty ala arovana.

Nogiazana avy hatrany ireo hazo tratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

A R R Ê T E

Article premier.- Les requêtes en contentieux des élections législatives du 27 mai 2019 font l’objet des arrêts suivants :

Arrêt n°40-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à l’irrecevabilité des requêtes concernant les élections législatives du 27 mai 2019 ;
Arrêt n°041-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des rejets de requêtes concernant les élections législatives du 27 mai 2019 pour insuffisance ou absence de preuve ;
Arrêt n°042-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des infractions pénales lors des élections législatives du 27 mai 2019 ;
Arrêt n°043-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des requêtes en disqualification de candidats lors des élections législatives du 27 mai 2019 ;
Arrêt n°044-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif aux demandes de vérification de documents électoraux.
Article 2.- Les résultats des bureaux de vote figurant au Considérant 11 sont invalidés.

Publié dans Politique

« Ombay mitady » ny teny hita matetika an-gazety na amin’ny tambazotra sosialy manoloana ny fahaverezan-jaza na tranga fakana an-keriny. Nametraka laharana finday azo antsoina amin'ny fotoana rehetra, na aiza na aiza eto Madagasikara ny fikambanana CFOIM na ny « Collectif Français d'Origine Indienne de Madagascar ».

Tsy ny teratany vahiny toy Karana na Frantsay ihany no iharan’ny fakana an-keriny na fahaverezana, hoy hatrany ny CFOIM, fa lasibatra ihany koa tato ho ato ny teratany Malagasy.

Ireo rehetra manam-baovao, na manana zaza very, na zaza nandositra niala ny tokantrano, na nisy naka an-keriny, dia afaka miantso ireo laharana finday ireo. Arovana ny tsiambaratelon'izay manome vaovao. Afaka miverina miantso ny CFOIM ho an'ireo izay tsy ampy fahana.

Publié dans Sociale

Tonga nihaona mivantana tamin'ireo mpilalaon’ny Barea tany amin'ny trano fisoloana akanjo ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Tinoka Roberto, taorian'ny lalao ka nandresen’ny ekipam-pirenena malagasy nanoloana ny Super Eagles nizeriana tamin’ny isa 2 noho 0 ny alahady teo. Fihetsika mampiseho fa tena akaiky tanteraka amin'ireo mpilalao ny tenany.

Nisy taorian’izay ny fandraisana makotrokotroka nomaniny niaraka tamin'ireo diaspora malagasy ho an'ny Barea tao amin'ny hotely nisy ireto farany. Nandritra ny fotoana nikoranana no nitafa mivantana tamin' ireo mpilalaon'ny Barea sy ny mpitantana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niarabaha sy nampirisika ireo mpilalao Malagasy ho tonga amin'ny dingana ambony indrindra, sady nampahafataran’ny filoha fa ho avy hanotrona ny Barea ny tenany mandritra ny lalao ampahavalon-dalana, izay hatao ao Alexandrie ny Alahady 7 jolay ho avy izao.

Maneho ny fahavononany amin'ny fikarakara sy fanohanana ny Fanatanjahantena malagasy ny fitondram-panjakana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

La Banque africaine de développement (BAD) organise, pour la première fois, un séminaire de la plateforme des institutions financières de développement (IFD) pour le développement du secteur privé.

Le séminaire se déroulera de 9h00 à 13h00, au Centre de conférence international Ivato, le 4 juillet 2019. Il constitue la phase pilote de l’initiative des IFD visant à aider les pays en transition à la création d’un environnement favorable au développement du secteur privé. La Banque et les autres institutions financières de développement mèneront des discussions avec les acteurs du secteur privé, sur les conditions d’accroissement des investissements du secteur privé, grâce à une politique de collaboration efficace, sur l’appui aux réformes et des co-investissements entre partenaires. La Banque présentera également ses outils de financement aux acteurs du secteur privé.

En marge du séminaire, des rencontres bilatérales sont prévues pour identifier des projets bancables du secteur privé susceptibles de bénéficier de financements.

(Voir Suite galerie Photo)

 

Publié dans Economie

Nisy fiofanana ireo delege, "vétérinaire", ary ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny faritra Melaky sy Menabe mikasika ny « Pilin’omby » na « Puce »-n'omby notanterahina teto Morondava ary hifarana anio.

Aty an-toerana nanotrona sy nanao ny fampiharana eny amin’ny Kaominina Analaiva i Augustin Andriamananoro, Tale jeneraly ny tetikasan’ny filoham-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manodidina ny 20 tapitrisa Ariary ny tamberim-bidy azon’ny Kaominina Manerinerina, Distrikan’ Ambato-Boeny, Faritra Boeny amin’ny famoahana ny vokatra avy ao an-toerana toy ny lojy « black eyes », makany ivelany.

Nisy tsenabe naharitra telo andro tao an-toerana ny 21-22-23 Jona teo nampisongadinana ny vokatry ny fambolena ao amin’ity Kaominina ity. Andiany fahatelo ity foara ity ka tranoeva miisa 35 no nampiranty vokatry ny tany sy ireo asa-tanana. Ny vokatra lojy no tena nibahan-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Nanambara ny fijoroany ho atoko mpanohitra ny Tiako i Madagasikara androany maraina, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny birao politika nandritra ny fivoriana nataony omaly.

Nanatitra atotan-taratasy tetsy amin'ny atitany ramatoa Ramalason Olga avy amin'ny antoko TIM. Nambarany fa mijoro ho antoko mpanohitra manomboka izao ny antoko Tim ary mbola miandry ny alalana ny amin'ny mety izay filoha mpitarika azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Fantatra ny adverseran’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra.

Hifandona amin’ny Léopard Repoblika Demokratikan’i Congo ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny alahady 7 jolay, manomboka amin'ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara ; lalao izay hotanterahina ao Alexandrie, efa niatrehan’ny Barea ny fifanintsanana tao anaty vondrona B nisy azy.

Salama vatana avokoa ny mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea. Vonona ara-moraly, ary anatin’ny fanomanana hiatrehana io lalao io izy ireo.

Alefa Barea!!!

 

 

Publié dans Sport
Page 1 sur 2