Filtrer les éléments par date : jeudi, 18 juillet 2019

Notanterahina androany tao Caire, renivohitr’i Egypta ny fisarihina hahatongavana amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-33 hatao any Cameroun amin’ny taona 2021.

Nozaraina anaty vondrona miisa 12, izay ahitana ekipa 4 avy ny mpifaninana, ka izay tafavoaka amin'ny lalao savaranonando mandroso sy miverina ny efatra amin'ireo.

Tafakatra avy hatrany amin’ny dingana famaranana i Cameroun noho izy mpampiantrano. Mandritra ny enina andro, lalao mandroso sy miverina, ny fifanintsanana anaty vondrona hahazoana ny tapakila ho any Cameroun.

Ekipa roa isaky ny vondrona aorian’ny enina andro ifanintsanana no tafakatra amin’ny dingana famaranana.

Publié dans Sport

Tonga tao amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona Anosikely nanatitra ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fivorian’izy ireo tao amin’ny Carlton ny alatsinainy 15 jolay teo, ny Fivondronan’ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka, androany. Nitarika ny delegasiona i Rakotonirina Jean Claude Roger. Ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona avy amin’ny Faritanin’i Toamasina, Malo Benoit no nandray azy ireo tamin’izany.

Nanazava i Rakotonirina Jean Claude Roger fa maro isan-karazany ny hosoka sy ny tsy fahatomombanana hita soritra nandritra iny fifidianana solombavambahoaka notontosaina farany teo iny, ka tsy tokony hirosoana ny fifidianana manaraka eo raha tsy voahitsy ny lalàna mifehy ny fifidianana, mba hanatsarana ny vokatra.

Nambarany fa ny Andrimpanjakana rehetra sy ny Governemanta dia samy hanateran’izy ireo an’io fehin-kevitra io, ho fampahafantarana sy ho fanarenana ny tsy mety rehetra alohan’ny hiatrehana ny fifidianana ho avy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Nivoaka ny talata teo ny fanomezan-dalana avy amin’ny fanjakana ireo DREN manerana ny Nosy handoa ny tambinkaraman’ireo mpampianatra FRAM. Tenimita tamin’ny 31 mey 2019 miaraka amin’ny lalàna fanitsiana ny tetibola no mitaky ny tsy maintsy ilana io fanomezan-dalana io vao afaka aloa ny tambinkaraman’ireo mpampianatra FRAM.

Efa mandeha ny fikarakarana rehetra mikasika izany amin’izao fotoana izao, ka raha ny loharanom-baovao dia haloa miaraka afaka andro vitsivitsy ny tambinkarama volana janoary ka hatramin’ny jona 2019.

 

Publié dans Tselatra

Mandalo ao La Réunion ireo mpilalaon’ny Barea an’i Madagasikara roalahy dia Rayan Raveloson mpilalao fiandry irakiraka sy Adrien Melvin mpiandry harato. Nanomana fandraisana manokana azy roalahy ny tanànan’i Le Port. Zanaky ny tanàna rahateo i Adrien Melvin.

Nisy ihany koa ny fiaraha-maka sary tamin’izy roalahy nokarakarain’ny Consulat de Madagascar ao La Réunion.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nigadona atsy Maorisy androany tolakandro ny delegasiona malagasy hiatrika ny Lalaon'ny Nosy, izay hisokatra ofisialy ny zoma 19 jolay. Amin’ny sabotsy 20 jolay no hiatrika ny lalao voalohany manoloana an'i Seisela ny Barea an’i Madagasikara.

Androany dia resin’i Mayôty 2 noho 0 i Comores, nirava sahala 1 noho 1 kosa i Seisela sy Maorisy mampiantrano.

 

Publié dans Sport
jeudi, 18 juillet 2019 19:51

Antenimieram-pirenena: Famindram-pahefana

Notontosaina androany teny amin'ny lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fanaovan-tsonia famindram-pahefana

teo amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha Andriamatoa Jean max Rakotomamonjy sy ny filoha vaovao Ramatoa Christine Razanamahasoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Mandrahona ny hampakatra saran-dalana ireo kaoperativa mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-5 (RN5). Hanomboka amin’ny fiandohan'ny volana aogositra izao izany raha ny filazan’izy ireo.

Efa tena ratsy be ny lalana amin’izao fotoana izao, hoy izy ireo ka sady manimba fiara no mandany fotoana. Misy vanim-potoana aza mihitsoka anaty lavaka be feno rano sy fotaka ny taksibrosy, hoy hatrany ny fanazavana.

Vinavinain'izy ireo ho 20 000 Ariary ny saran-dalana Toamasina - Soanierana Ivongo (160 km), raha 15 000 Ariary izany amin'izao. Hiakatra ho 15 000 Ariary ny saran-dalana Toamasina - Fenoarivo Atsinanana (100 km), raha toa ka 10 000 Ariary ankehitriny.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana fakana an-keriny tany Andriamena, Distrika Tsaratanana. Lehilahy iray manambady aman-janany, teratany Malagasy, manodidina ny 40 taona, tantsaha mpamboly sy mpiompy manana omby maro, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Nesta no lasibatra.

Ny alarobia 17 jolay tamin’ny 9ora alina, no nitranga ny fakana an-keriny. Tsy mbola misy fitakiam-bola heno ataon’ireo mpaka an-keriny aloha hatreto.

Nisy naka an-keriny toy izao ihany koa ny mpivady, ray aman-drenin’i Nesta, tamin’ny janoary 2019. Ny taolambalon’izy ireo sisa no hita tapabolana lasa izay, dia izao misy tranga vaovao indray miseho amin’ny fianakaviana.

 

Publié dans Tselatra

Nozaraina tamin'ireo mpilalao Barea « Jeux des Iles » androany nialoha ny hanaingana hiazo ny Nosy Maorisy ny vola rehetra azo avy amin'ireo ministera maro nanampy, hiatrehan’izy ireo ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X.

Navoaka ho hitan'ny rehetra izany avy eo dia nozaraina mitovy ho an'ny tsirairay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
jeudi, 18 juillet 2019 13:37

Et l’après Barea ?

La fête est finie, les membres de l’équipe nationale de football, les Barea, rejoignent leur domicile ainsi que leur emploi qui est celui de joueur de foot professionnel. Ils ne sont pas partis les poches vides mais bien remplies ! Selon certains confrères les Barea se sont partagé 1,720 milliards d’Ariary et titulaire du Chevalier de l’Ordre National Malagasy. Ils les méritaient bien car ils ont « porté haut le flambeau national ».

Contre toute attente les Barea ont fait vibrer tout un pays durant 2 semaines. Le petit poucet de l’Afrique a tracé son chemin et fait désormais partie des grands du monde footballistique du continent.

Mais une fois que tout cet enthousiasme sera tombé, nous voilà dans notre train-train quotidien, pour ne pas dire de nos fâcheuses habitudes. Certes nos différentes catégories de sports ont été les parents pauvres de nos administrations et régimes successifs. On ne peut pas dire que rien n’a été fait, mais les initiatives ont été insuffisantes.

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2