Filtrer les éléments par date : mercredi, 17 juillet 2019

Hisolo ny toeran-dRamatoa Ramarosoa Emiline, izay voafidy ho solombavambahoaka tao Amparafaravola tamin’ny anaran’ny vovonana IRD, ao amin’ny Antenimieran-doholona Randriamananjara Philibert izay faharoa tamin’ny lisitra « MIFANASOA » tamin’ny fifidianana senatera tao amin’ny faritanin’i Toamasina.

Randriamanantena Vévé, fahatelo amin’ny lisitra « MAPAR » tamin’ny fifidianana senatera tao amin’ny faritanin’i Mahajanga, kosa no handray ny toeran’ny Velontsara Paul Bert, noho ity farany voafidy ho solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny vovonana IRD tao amin’ny Distrikan’i Port Bergé.

Namoaka didy laharana 47-HCC/AR ny 17 jolay 2019 ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana rehefa hita ny fahabangan-toerana tao amin’ny Antenimieran-doholona rehefa voafidy ho solombavambahoaka ny mpikambana roa tao aminy.

 

Publié dans Politique

Rahampitso Alakamisy 18 jolay 2019 tolakandro no hiazo an’ny nosy Maorisy ny delegasiona Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-X, hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019. Ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Tinoka Roberto no hitarika ny delegasiona.

Efa nialoha lalana omaly ny andiany voalohany, ahitana ireo mpikarakara ny fahatongavan'ny delegasiona any Maorisy sy ny mpilomano.

Nofaranana androany ny fizarana ny fampitaovana an'ireo Atleta solontena Malagasy.

 

Publié dans Sport

60 taona ny Antenimierandoholona. Hankalazaina mandritra ny herinandro manomboka ny 22 ka hatramin’ny 27 jolay 2019 ho avy izao izany.

Miisa valo ireo Filoha nifandimby nitantana an’ity Andrimpanjakana mpanao lalàna ity tao anatin’izay 60 taona izay.

- Gabriel Rajaonson (1959-1960)

- Jules Ravony (1960-1963)

- Siméon Japhet (1964-1972)

- Honoré Rakotomanana (mey 2001-jolay 2002) - (febroary 2016-oktobra 2017)

Publié dans Politique

Voafidy ny tolakandro teo teny Tsimbazaza ireo filoha lefitra enina, isany mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena.

Rasolonjatovo Honoré ho an’ny Faritanin’Antananarivo ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra izy.

Rahelihanta Jocelyne, ho an’ny Faritanin’Antsiranana ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Antsiranana I, Faritra DIANA izy.

Rahantanirina Lalao ho an’ny Faritanin’i Mahajanga ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Mahajanga I, Faritra Boeny izy.

Razafintsiandraofa Jean Brunelle ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Ikongo, Faritra Vatovavy Fitovinany izy.

Michelle Bavy Angelica ho an’ny Faritanin’i Toamasina ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo izy.

Publié dans Politique

Hanao famaranana kely anio alina i Tonizia sy Nizeria, hiady ny laharana fahatelo amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-32, izay tanterahina any Egypta.

Nahilik’i Sénégal tamin’ny isa tokana 1 noho 0 i Tonizia teo amin’ny manasa-dalana, resin’i Alzeria 2 noho 1 kosa i Nizeria.

 

Publié dans Sport

Notontosaina androany ny fanapotehana sy fandoroana ireo entana simba sy lany daty sarona taty Antsirabe, ny 04 jolay 2019 teo, nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny ministeran’ny indostria, varotra ary asa tanana Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra.

Entana aman-taonina nahitana menaka, vary, lafarina, paty, ronono mandry amin’ny boaty ary voatabia amin’ny boaty, lafarina 660 kitapo amin’ny 50kg efa simba no tratra tao amin’ny trano fanatobiana entan’ny mpandraharaha karana iray tao an-toerana tamin’io, izay nifangaro tamin’ireo vokatra simika.

Nogiazana avy hatrany ny entana ary izao nopotehina sy nodorana ampahibemaso izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Notolorana taratasy mari-pankasitrahana, ny 15 jolay teo, ireo Zandary maherifo nandray anjara tamin'ny fanavotana olona nalaina an-keriny tao Toamasina tamin'ny volana novambra 2018.

Nandritra io fotoana io ihany koa no nandraisina ny fiara 4X4 vaovao roa ho an'ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandarimaria - Atsinanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Havoaka amin’ny fomba ofisialy ny zoma 19 jolay izao ny andiany faha-25 amin’ireo mpianatra ho Polisy ao amin’ny « Ecole Nationale des Agents et Inspecteurs de Police » Antsirabe rehefa avy niofana nandritra ny 12 volana.

1102 ny isan’izy ireo tamin’ny nanombohan’ny fiofananana, ka mpianatra ho « Inspecteur » ny 100 ary vehivavy ny 8 amin’ireo, raha 1002 kosa ny mpianatra ho « Agent de Police » izay nahitana vehivavy 93.

Mitondra ny anarana “FENITRA” ity andiany hivoaka amin’ny zoma ity, izay mpianatra nahavita ny fiofanana fototra ankapobeny sy ny fianarana an-tsekoly ary ny fampiharana eny am-perinasa no mandrafitra azy.

 

Publié dans Vaovao

Niainga omaly hariva niazo ny nosy Maorisy ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranja lomano hiaro ny voninahi-pirenena amin'ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-X, hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019.

Nialoha ny niaingana dia nandray tso-drano sy vatsy avy amin'ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana, sy ireo orinasa mpanohana, nahitana ny vondrona Taloumis, BIG, Chocolaterie Robert, Allianz, IPC, SIRAMA, ary avy amin-dRamatoa Minisitra Lantosoa Rakotomalala ny delegasiona.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Mandalo ao La Réunion, misy ny ray aman-dreniny i Melvin Adrien, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara, sy ireo mpilalao ao amin’ny Barea hafa tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andiany faha-32 tany Egypta.

Hisy ny fihaonan’izy ireo mivantana amin’ireo mpanohana ny Barea rahampitso alakamisy 18 jolay 2019, manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva any an-toerana, karakarain’ny Consulat Général de Madagascar ao La Réunion, hatao ao amin’ny CREPS. Hisy fiarahana maka sary mandritra izany.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2