Filtrer les éléments par date : lundi, 15 juillet 2019

Fanambin’ny « Bet 261 » ny hanolotra 10 tapitrisa Ariary isaky ny baolina tafiditry ny Barea mandritra ny CAN. Nahatafiditra baolina fito ny Barea, tsy anisany ny « tirs au but » hatreo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana nampihintsana azy.

Natolotry ny« Bet 261 » an’ny Barea an’i Madagasikara ny 70 tapitrisa Ariary.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy iray vao 18 taona no tra-tehaky ny Polisy manao fanamiana sivily avy ao amin’ny boriborintany fahafito, saika hangarom-paosy ireo olona miandry taxi-be tetsy amin’ny “Arrêt bus” 67ha, tokony ho tamin’ny enina ora hariva omaly alahady 14 jolay.

Niaiky ny heloka vintany izy ary efa betsaka ihany koa ny olona lasibatry ny harom-paosy ataon’ity tovolahy ity.

 

Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahaefatra ny lehilahy iray mpanendaka sy mpandratra olona eny amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina iny.

Efa ela no nitadiavan’ny Polisy azy, ary tra-tehaka teny Anatihazo Isotry izy, raha vao avy nanendaka mpianatra hamonjy “cyber” iny. Natsipiny tany anaty rano kosa ny antsy be nentiny nanendaka rehefa fantany fa tsy afa-nandositra intsony izy.

Fitarainana miisa 73 no voarain’ny Polisy mahakasika azy ary efa betsaka ny olona nitondra takaitra taminy. Mbola karohina kosa ireo namany izay manampy azy amin’ny asa ratsiny.

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina io atoandro io teo amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny fanolorana mari-boninahitra ny Barea an'i Madagasikara.

Nomena "Chevalier de l'Ordre national" avokoa izy 23 lahy sy ny mpanazatra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanilika an'i Tonizia tamin'ny isa 1 noho 0 i Sénégal taorian'ny fanalavam-potoana. Nivoaka mpandresy tamin'ny isa 2 noho 1 nanoloana an'i Nizeria kosa i Alzeria.

Alzeria sy Sénégal no hiady ny amboara mandritra ny lalao hatao ny zoma 19 jolay.

Hiady ny laharana fahatelo amin'ity fiadiana ny Amboaran'i Afrika amin'ny baolina kitra andiany faha-32 ity kosa i Tonizia sy Nizeria, lalao hatao amin'ny 17 jolay 2019.

 

Publié dans Sport