Filtrer les éléments par date : dimanche, 14 juillet 2019

Nanjakan’ny fiara Subaru ny « Rallye de Mangoro » andiany faha-2 tao Moramanga, natao ny alakamisy 11 jolay ka hatramin’ny omaly sabotsy 13 jolay.

Norombahan’ny ekipazy Razafinjoelina Tahina sy Ramarokoto Ranto, avy amin’ny klioba ASACM, ity dingana faha-4 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka fiarakodia ity.

Publié dans Sport
dimanche, 14 juillet 2019 19:11

Demi-finale Sénégal - Tunisie

Spectateurs égyptiens les grands absents.

Publié dans Sport
dimanche, 14 juillet 2019 18:07

14 juillet 2019

Fête nationale française en photo, résidence Ivandry.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 14 juillet 2019 17:30

Kitra-CAN 2019: Andron'ny manasa-dalana anio

Lalao roa no tontosaina anio alahady 14 jolay, dia ny fihaonan'i Sénégal amin'i Tonizia andaniny, arahin'ny fifandonan'i Alzeria amin'i Nizeria ankilany.

Mandeha mivantana amin'ny fahitalavitra TVM amin'ny 7 ora hariva sy amin'ny 10 ora alina.

 

Publié dans Sport

Mbola misy ampahany amin'ny delegasiona Malagasy lasa tany Egypta tamin'ny fikarakarana sy fanohanana ny Barea an'i Madagasikara no mbola tsy tafody an-tanindrazana.

Mandray an-tanana ny fikarakarana azy ireo any an-toerana ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, antony tsy nahitana an'ity farany nandritra ny fitsenana ny Barea tamin'ny fahatongavan'izy ireo teto Madagasikara omaly.

 

 

Publié dans Sport

Raha ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra no mpifantina sy mpanao fifanarahana ny amin'izay ho mpanazatra nasionaly ny ekipam-pirenena dia ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina mihitsy no nanambara ampahibemaso teo Mahamasina, nandritra ny fandraisana ny Barea tonga eto Madagasikara avy niatrika ny CAN, fa hotazomina ho mpanazatran'ny Barea an'i Madagasikara ilay frantsay Nicolas Dupuis.

Publié dans A la Une

Nandritra ny fandraisana makotrokotroka ny Barea, taorian'ny dingana nampitolagaga vitany nandritra ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika, amin'ny baolina kitra, andiany faha-32, no nanambaran'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina fa hamboarina hahazaka olona 50 000 ka hatramin'ny 60 000 ny Kianja Monisipaly Mahamasina, ary ho kianja lehibe indrindra aty amin'ny Ranomasimbe indianina.

Hanafatra bozaka (gazon) avy any Angletera isika, hoy ny filoha, hasolo ny efa misy amin'izao ao. Tsy mbola nambara kosa ny fe-potoana heverina hamitana ny asa.

Publié dans Vaovao
dimanche, 14 juillet 2019 15:20

Mahajanga: Sokatra 92 isa tra-tehaka

Tao amin'ny Fokontany Mahabibo Kely no nahitan'ny Zandary avy amin'ny vondrom-paritry ny Zandarimariam-pirenena Mahajanga zanaka sokatra amin'ny karazana "radiata" miisa 92 ny harivan'ny zoma teo. Maty ny roa.

Nisy vehivavy iray tratra, izay mpiray tsikombakomba amin'ny mpaka ireo sokatra ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
dimanche, 14 juillet 2019 15:14

14 juillet

Fête nationale française.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 14 juillet 2019 15:09

Ivato: Tonga ny Barea

Fahatongavan'ny Barea teny amin'ny seranam-piaramanidina

 

Publié dans Tselatra