Paris: Nosamborina, anaovan’ny Fitsarana frantsay fanadihadiana ny filohan’ny CAF, Ahmad
Nalain’ny Polisy frantsay tao amin’ny “Hôtel de Berri”, hotely nipetrahany ao Paris, androany alakamisy 6 jona maraina i Ahmad Ahmad, filohan’ny Kaofederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra (CAF), hanaovana fanadihadiana noho ny fitoriana nataon’ny orinasa Puma azy.
Tsy faly tamin’ny nanapahan’ny CAF samirery ny fiaraha-miasa taminy ny orinasa alemana Puma, mpamatsy azy fitaovana ara-panatanjahantena, ka nosoloana orinasa frantsay Technical Steel, niantoka ny fampitaovana nampiasaina nandritra ny fiadiana CHAN 2018, na fiadiana ny tompondakan’i Afrika natokana ho an’ireo mpilalao tsy mila ravinahitra ivelan’ny fireneny.
Fanatanterahana didim-pitsarana: Mampiaka-peo ny Holafitry ny vadintany
Mampiaka-peo ny Holafitry ny vadintany tarihan'i Me Rasamimaka Mahafalahy taorian'ny zava-nanjo ny namany tany Amparafaravola. Tsy mpitsara, tsy mpamoaka didy, tsy isan'ny mpiady eny amin'ny Fitsarana ny vadintany, fa mpanatanteraka ny didy avokoan'ny Fitsarana ihany mba ho tany tan-dalana i Madagasikara, nefa izy ireo hatrany no mizaka ny vokany. Ireo mpitandro filaminana natao hanampy azy ireo hampanjaka ny tany tan-dalana ihany koa mandritra izany, miala an-tsehatra raha raikitra ny olana, nefa ny lalàna no manasa azy ireo hiaro ny mpanantanteraka ny didim-pitsarana mba tsy ho anjakan’ny Baroa i Madagasikara.
Mahajanga: Mankalaza ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena
Natomboka androany 06 jona 2019 ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena sy fetin'ny Foloalindahy ihany koa, ho an’ny Tanànan'i Mahajanga.
Ho an'ny Zandarimaria manokana dia nisy ny fananganan-tsaina tao amin'ny Toby kolonely Jean Philippe. Nisy toy izany koa teny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Mahajanga izay niarahana tamin'ireo solontena avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo olon-tsotra.
(Jereo Sary Tohiny)
Kaominina Bekopaka: Notoloran’ny Madagascar National Parks fiara 4x4 iray
Androany no nanolorana ny fiara ho an’ity Kaominina vavahady hiditra ny Tsingin’i Bemaraha aty amin’ny Distrika Antsalova, Faritra Melaky ity.
Nisy koa ny fanomezana jiro mandeha amin’ny masoandro, ary ho avy ny fanamboarana tsena manaram-penitra.
Miverina ny filaminana aty Bekopaka taorian’ny fanafihana fiara nitondra mpizahatany iray volana lasa izay. Misy hatrany rahateo ny miaramila manao “escorte” ireo fiara mivezivezy aty an-toerana.
(Jereo Sary Tohiny)
Sambava: Akon'ny fankalazana ny Andron'ny tontolo iainana
Niato nandritra ny ora iray, nanomboka tamin'ny sivy ora maraina, ny motera rehetra ankoatra ny an’ny Jirama teto Sambava, ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny tontolo iainana ny 5 jona 2019. Niato avokoa ny fifamoivoizina rehetra teto an-drenivohitry ny Faritra SAVA.
Tsy voatazona anefa ireo mpamily, izay efa niaritra nandritra 30minitra mahery, na niezaka nampijanona aza ny Polisy, rehefa nahita fiara 4X4 nirimorimo izay nahitana mpitandro filaminana namakivaky ny lalàna.
Vokany, samy namelona ny fiarany sy ny moto, tsy nanaiky ny hajanona.
Tobim-pako Andralanitra: Natomboka ny tetikasa fanodinana ny fako
Natomboka ny alatsinainy 03 jona 2019 ny tetikasa fanodinana ny fako ho fanatsarana ny fitatantanana ny tobim-pako Andralanitra – Antananarivo, izay iarahan'ny SAMVA misalahy amin'ny Ministeran'ny Rano sy ny Angovo ary ny akoran'afo, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ireo mpiara-miombon’antoka toy ny GRET.
Ny JICA na ny Agence Japonaise de Coopération Internationale no hiantoka ny famantsiam-bola ho fanatanterahana izany.
(Jereo Sary Tohiny)
Kaominina Toamasina: Novohaina teo anatrehan'ny Vadintany ny varavaran’ny birao, handraisan’ny PDS ny asany
Androany alakamisy 6 jona 2019, tamin'ny 10 ora maraina, no tonga ny vadintany nanokatra ny varavaran'ny birao tamin'ny alalan'ny fanalahidy nentin'ny mpiara-miasa amin'i Elisée Ratsiraka, Ben'ny tanàna naato tamin’ny asany.
Fiarakodia: Teraka ny kodiarana "Uptis", tsy misy rivotra, tsy mety vaky
Ny orinasa frantsay mpanamboatra kodiarana, Michelin, no namorona ity karazana kodiarana nomena anarana hoe : "Uptis" na “Unique Puncture-proof Tire System” ity. Ny maha hafakely azy, dia izy tsy misy rivotra ary mazava ho azy fa tsy mety ho vaky.
Raha ny fanadihadiana tokoa mantsy dia manodidina ny 20%-ny kodiarana miasa manerantany, tombanana ho 200 tapitrisa eo isan-taona, no voatery ariana fa vaky. Izay no nampitsiry ny hevitra, nanaovana fikarohana ka nahazoana ity vokatra vaovao "Uptis" ity.
Naseho omaly 5 jona, nandritra ny hetsika Movin’On ao Montréal (Canada) ity kodiarana hafakely ity. Any amin’ny taona 2024 any, no mihevitra ny hanomboka hivarotra azy ny orinasa Michelin.
(Jereo Sary Tohiny)
Ambatoboeny: Nankalaza ny Idd ul FITR
Nanatanteraka ny fivavahana ny Idd ul fitr tao amin'ny Stade Razafintsalama Gabriel ny fikambanan'ny Djamat Sounite eto Ambatoboeny omaly 05 jona 2019. Avy eo dia nanao cortège namakivaky ny tanàna.
Ny harivan'io dia nisy lalao baolina kitra sy lalao maro samihafa izay natao tao amin'ny Stade Razafintsalama, mba ho marika ny hafaliana satria izany no tanjona.
Taorian'izay dia nisy ny fiarahana niombona sakafo ka brochette party no nanamarihana izany, teo akaikin'ny biraon'ny tsena.
Nisaotra ny Communauté Musulmane Sunnite Ambatoboeny (CMSM) ny rehetra tamin'izany fikarakarana izany.
(Jereo Sary Tohiny)