Filtrer les éléments par date : jeudi, 27 juin 2019

Nanaraka nivantana tamin'ny fahitalavitra ny lalaon'i Madagasikara sy Burundi, tao an-trano fonenany eo Faravohitra-Antananarivo, ny filoham-pirenena malagasy teo aloha Marc Ravalomanana.

Dibo-kafaliana izy tamin'ny fandresena azon'ny Barea nanoloana ny "Hirondelles" an'i Burundi, androany tany Alexandrie-Egypta, ary niarahaba sy maneho fankaherezana ny Barea amin'ny dingana manaraka.

 

Publié dans Sport

1695 ny isan’ny Kaominina eto Madagasikara.

Kaominina ambonivohitra ny 76 amin’ireo, mitsinjara hoe Kaominina tsy voasokajy (Hors catégorie) 1 dia Antananarivo Renivohitra, Kaominina ambonivohitra sokajy voalohany ny 8, ary Kaominina ambonivohitra sokajy faharoa ny 67.

1619 kosa ny totalin’ny Kaominina ambanivohitra eto Madagasikara izay mitsinjara ho Kaominina ambanivohitra sokajy voalohany ny 99 ary Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa ny 1520.

 

Publié dans Politique

Efa ho lava ny fahatapahan-jiro eto Maroantsetra, ary tsy misy mahafantatra ny antony. Ny loharanom-baovao sasany milaza fa “transformateur” simba no antony, ny hafa indray milaza fa tapahan'ny orinasa mpamokatra herinaratra ho an’ny Jirama ny herinaratra satria tsy mahaloa ny volan'izy ireo ny Jirama.

Mifandimby tapaka ny jiro amin’ny kartie. Ny androany izao dia nanomboka tamin’ny dimy hariva ka hatramin'ny sivy ora latsaka fahatelony ny fahatapahana tamin’ny kartie sasany. Mbola baraingo ny rahampitso.

Manomboka mifampiresaka ny olona hoe inona no atao, satria dia maro ny fitaovana simba vokatr’ity fahatapahan-jiro tsy misy farany ity.

 

Publié dans Tselatra

Eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse avy Mahitsy-Ambohidratrimo ny faritra tena fanendahan’izy ireo, ary isany tena lasibatr’ireo jiolahy ireo ny mpandeha tonga eny an-toerana.

Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny “Poste avancé” Antaniavo ny 5 tamin’ireo mpanendaka ireo ny 25 jona teo. Natolotra ny Fampanoavana izy ireo androany, niaraka tamin’ny lehilahy iray nividy ny finday halatra, izay azo avy tamin'ity fanendahana ity.

Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy izy enina ireo, androany, ary notazomina am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa.

 

Publié dans Tselatra

16 ireo namoy ny ainy tamin’ireo niharan-doza vokatry ny fifanosehana teo amin’ny vavady iray hidirana ny kianjan’i Mahamasina, hijery “podium” ny harivan’ny 26 jona 2019. Zaza latsaky ny 15 taona ny 11 amin’izy ireo.

Mbola misy 38 kosa ireo maratra tsaboina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, raha toa ka efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany avy ny maro tamin’izy ireo.

Tonga nitsidika sy nampahery azy ireo ny filoha Andry Rajoelina mivady ny tolakandro teo.

 

Publié dans Tselatra

Nisy ny fiaraha-misakafo hariva teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny 26 jona 2019, nandraisana ny filoha Paul Kagame mivady, izay vahiny manokana tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy. Miteny ho azy ny sary hita ao amin’ny pejy facebook an’i Paul Kagame, filoham-pirenen’i Rwanda. Filohan’andrimpanjakana miisa telo no iray latabatra taminy nandritra izany dia ny filoha Andry Rajoelina mivady, ny praiminisitra Ntsay Christian ary ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

Betsaka no manao fanamarihana raha nahita ny sary hoe : fa aiza ry Rakotovao Rivo, filohan’ny Antenimierandoholona sy Rakomamonjy Jean Max, filohan’ny Antenimieram-pirenana, ankoatra ny hafa no tsy tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Notsongaina ny olona nasaina tamin’io fiaraha-misakafo io, sa inona no zava-nitranga ?

Publié dans Politique

“Man of the Match”, “L’homme du match”, voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny lalao nifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny “Hirondelles” an’i Burundi, i Marco Ilaimaharitra.

Izy no namono ny baolina tokana tafiditra teo amin’ny minitra faha-76, antoky ny fandresen’ny Barea tamin’ity lalao ity, izay notanterahina tao Alexandrie androany hariva.

Lalao faharoa natrehin’ny Barea amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra io.

Publié dans Sport

Lehiben’ny andrimpanjakana iray tsy mba tazana teny Mahamasina omaly, nankazalana ny faha-59 taona nitsengeran’ny fahaleovantena sady fetin’ny Foloalindahy, Atoa Rakotomamonjy Jean Max. Voamariky ny maro io tsy fahatongavany io. Filohan’ny Antenimieram-pirenana amperinasa izy, araka ny didy navoakan'ny HCC mandram-pahatongan'ny mpisolo toerana azy vaovao. Eto Madagasikara ihany koa.

Tany Andapa, fari-pifidianana nahavoafidy azy ho solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ny 2013, i Rakotomamonjy Jean Max ny andron’ny 26 jona 2019.

Araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny Antenimieram-pirenana dia niandry ny fanasana azy ity filohan’ny andrimpanjakana ity hatramin’ny 24 jona, fa tsy nisy na tsy tonga izany, koa dia lasa nandeha any Andapa izy nanome voninahitra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2019.

 

Publié dans Politique

Nibata fandresena voalohany tamin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra i Madagasikara. Nandresy an’i Burundi tamin’ny isa 1 noho 0 ny Barea tamin’ny lalao nataony androany hariva tao Alexandrie, Egypta. Baolina matin’i Marco Ilamaharitra, teo amin’ny faha-76 minitra ny lalao. Hafaliana izay tsy izy ny an’ireo mpanohana an’ny Barea niatrika nivantana ny lalao sady nanohana hatramin’ny farany ny Barea, nanofahofa sainam-pirenena.

Tanteraka ny fanambin’i Bôlida, na Lalaina Nomenjanahary niaraka tamin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nialoha ny lalao, natao afak’omaly tao Alexandrie, ny hanolotra fandresena ho fanomezana ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao.

Publié dans Sport

Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019.

Célébration du 59ème de l’indépendance de Madagascar 26 juin 2019, en photo.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 3