Filtrer les éléments par date : mardi, 18 juin 2019

Mpomba azy tsy latsaky ny 20 000 no miandry an'i Donald Trump, filoha amerikanina ankehitriny, ao Orlando Floride, amin'ny fihaonana voalohany anombohany ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amerikanina, izay atao amin'ny 3 novambra 2020.

504 andro mialoha ny fifidianana dia efa manenjana ny kabariny ity filoham-pirenena hifaninana amin'ny fotoam-piasana 4 taona faharoa ity.
Nambarany tamin'ny tweet nalefany alina, fa manomboka amin'ny herinandro ambony dia roahiny avokoa ireo vahiny aman-tapitrisany tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hipetraka any Amerika.

Maro ireo Amerikanina no nandeha alavitra ary natory anaty tanty, amonjy izao fotoana lehibe anio izao.

 

 

Publié dans Politique

Nalevin'ny fianakaviana mangingina androany ny nofo mangatsiakan'i filohan'i Egypta teo aloha, Mohamed Morsi, tany atsinanan'i Caire, Medinat Nasr. Ny fotoam-bavaka moa dia novitaina tao amin'ny hopitalin'ny fonja notanana azy sy nahafaty azy tao Tora ihany.

I Mohamed Morsi moa dia maty nandritra ny fotoam-pitsarana azy omaly alatsinainy 17 jona.

Nitambotsotra tao amin’ny tribonaly, nandritra ny fitsarana, araka ny vaovao navoakan’ny televizionim-panjakana ao an-toerana.

67 taona i Mohamed Morsi, ary mpitarika ny hetsiky ny “Frères musulmans » no nampisongadina azy, izay nahavoafidy azy ho filohan’i Egypta tamin’ny taona 2012. Herintaona taorian’ny niakarany teo amin’ny fitondrana anefa izy dia naongan’ny Tafika ary voasambotra.

Fito taona an-tranomaizina ny saziny, noho ny hosoka tamin’ny dosie nirotsahany hofidiana tamin’ny 2012 io.

 

 

Publié dans Tselatra

L'ancien président de l'UEFA et ancien capitaine des Bleus, vient être placé en garde à vue ce matin dans les locaux de l'Office anticorruption de la police judiciaire à Nanterre dans les Hauts-de-Seine France, dans l’affaire d'attribution de la coupe du monde 2022 au Qatar.

 

 

Publié dans Fil info

Miara-miasa amin'ny sekoly, hopitaly, Fiangonana ary Fokontany ny fikambanana "FITAHIANA" tarihin’i Sylvia. Zanaka mpanakanto ity farany, sady mpihira « évangélique » izy, no mikarakara ireo sahirana sy mahantra efa taona maro.

Boky aman'arivony, fitafianana, sakafo, kilalao...no efa nozarain’ny fikambanana tarihiny. « Tsy manao politika fa politikan’i Kristy no ataoko », hoy i Sylvia ary manentana ny Malagasy rehetra hitsinjo ny madinika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Rongony efatra gony feno, milanja 60 kilao, avy any amin’ny Distrika Bealanana, ndeha hoentina any Andapa, no tra-tehaky ny Zandary avy ao amin'ny Poste avancé GN Ambodiangezoka Andapa, ny alin'ny 12 hifoha 13 jona 2019 teo. Voasambotra ny jiolahy rain-dahiny atao hoe Manantsoa sy ny mpiray tsikombakomba taminy tompon’ireto rongony ireto.

Natolotra ny Fampanoavana omaly 17 jona ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny tompony sy ny mpamily fiara, nodorana kosa ireo rongony tratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tapitra ny fampivondronana fahatelo nataon’ny Barea tany Maroc. Hiazo an’i Egypta ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra, haka volontany, mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika taona 2019.

Amin’ny sabotsy 22 jona alina no hiatrika ny lalao voalohany ny Barea, hifandona amin’ny Guinée.

 

Publié dans Sport

Voasambotry ny Polisy avy ao amin'ny Commissariat Mangarano ny zoma lasa teo io lehilahy iray mpanamboatra basy vita gasy io. Izy no mpanome basy ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana mpivarotra nisesy teto Toamasina, toy ny nitranga tao Tsarakofafa, Tanambao Verrerie.

Tratra nandritra ny fisavana ireo trano ipetrahany sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo fitaovana halatra sy basy poleta vita gasy, miaraka amin’ny bala maromaro.

Mitohy ny fikarohana ny naman’izy ireo.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2