Filtrer les éléments par date : lundi, 17 juin 2019

Tafiditra amin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, sady fetin’ny Foloalindahy malagasy izao fanadiovana tanterahin’ny ekipan'ny SAMVA sy ny Miaramila miaraka eto Betongolo izao.

Hisy kermesin’ny Tafika hatao eo amin’ny kianja Betongolo io manomboka amin’ny 21 jona izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Faritra maro no anjakan’ny haintany any Namibia, hatramin’ny volana aprily no mankaty. Ritra ny rano. Biby maro no ahiana ho faty vokatr’io. Nanapa-kevitra ny governemanta fa hamidy hatao lavanty ny biby, hiarovana azy ireo tsy ho faty, mba tsy hiverina ny nitranga tamin’ny taon-dasa 2018, izay nananika ny 60 000 no maty tsy nahatanty ny fiakaran’ny hafanana tafahoatra.

Voakasik’io fanaovana lavanty io ireo bibidia amin’ireo faritra arovana toy ny « buffle », « springbok », « girafe » ary ny elefanta.

Tombanana ho iray tapitrisa dolara ny vola hiditra amin’i Namibia amin’io lavanty hatao io, vola izay hatokana hikajiana ireo biby any amin’ireo faritra arovana.

 

Publié dans Vaovao
lundi, 17 juin 2019 13:46

Anosy: Fetin'ny Mozika

Hisy seho maimaimpoana « Fetin'ny Mozika » hotanterahina eo amin'ny tokontanin'ny Tranombokimpirenena Anosy ny Zoma 21 Jona 2019 manomboka amin'ny 1 ora handraisan'ny mpanakanto maro anjara.

Anisan’ireo handray anjara amin’izany ry Tsiliva, Nate Tex, Rakroots, Raboussa, BenJ, Gangstabab, Bakidy Zezety, DJ Gouty, Francis Turbo….

 

Publié dans Art et Culture

Mampahafantatra sy maneho ny fialan-tsiny amin’ny mponin' Ivato ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa fa tsy hisy indray ny fandefasana maimaimpoana ny lalao baolina kitra fiadiana ny Amboaran’i Afrika na CAN 2019 hatao any Egypta izay saika atao tao amin'ny Tranompokonolona sy ny Fokontany samihafa eny Ivato, ho fanajana ny fifanarahana manokana teo amin'ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny CAF.

" Araka ny fepetra napetraky ny CAF sy ny UAR (Union Africaine de Radiodiffusion), izay tompon'ny zo rehetra amin'ity lalao ity koa, dia tsy misy mahazo manao fampitana ireo sary sy feo ireo an-kalamanjana eto Madagasikara".

 

Publié dans Tselatra

Maro ny vita fianarana, maro ireo mitady asa, ary misy ny mirona amin'ny finiavana anangana orinasa.

Fanapahan-kevitra tsara izy io, indrindra ho an'ny Firenena toa an'i Madagasikara. Mbola malalaka avokoa ny sehatra fanjifana.

Fanapahan-kevitra tsy azo amaivanina anefa satria tsy zava-mora ny mitantana orinasa.

1- Fantaro ny zavatra tianao sy hainao atao

Aza sodokan'ny hoe be mpanao io sera io, ka mba andeha hiroboka, "matoa be mpanao dia mandeha izany", hoy ny filazan'ny olona. Mividy sprinter na taxi ny olona dia miroboka. Manao bal fripy ny olona dia mba andeha koa anao. Manao cyber ny olona dia raikitra koa, ampiadiana ny ordi kely misy ato an-trano, manao gargoty ny olona, dia sokafana ampifamadihana ny varavarankely dia lasa latabatra fivarotana.

Tandremo fahadisoam-pijery izany.

Publié dans Editorial

Mpivady nanao taingin-droa tamin’ny moto no nosakanan’ny jiolahy dimy, mitam-basy tao Analamay, raha hamonjy tsena tao amin’ny Kaominina Miandrarivo, Distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra ny marainan’ny zoma 14 jona tamin’ny 9ora.

Nitifitra tamin'ny basy vita gasy ireo jiolahy. Voa teo amin’ny tendany ilay raim-pianakaviana nitondra moto. Lasan’ireo jiolahy ny vola 2800 Ariary sy ny finday tany aminy. Lasa ireo jiolahy taorian’izay ; navelan’izy ireo teo ny moto sy ilay ramatoa.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 17 juin 2019 09:07

17 juin

Journée Mondiale de lutte contre la désertification et la sécheresse.

 

Publié dans Fil info

Tao Begoaika, amin’ny lalam-pirenena faha-7 no nitranga ny loza io maraina io. Fiara minibus Mazda hitondra mpiantsena ao Antanifotsy no nifanehatra tamin’ny kamiao. Nihemotra ny lohan’ilay Mazda, tery teo anelalenan’ny sezany izay niroso sy ny familiana ny mpamily. Maro no naratra.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2