Filtrer les éléments par date : lundi, 10 juin 2019

Hitohy any Maroc ny 12 ka hatramin’ny 17 jona izao ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra na Barea. Hisy ny lalao fitsapana hihaonany amin’i Mauritanie ny zoma 14 jona, tafiditra amin’ny fanomanan-tenan’ny Barea mialoha ny hiatrehana any CAN any Egypta.

Sambany ihany koa i Mauritanie no tafita handray anjara amin'ny CAN.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Mankalaza ny faha-100 taonany ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa. Mandavantaona ny fankalazana, nanomboka tamin’ny 22 janoary 2019 ary hitohy hatramin’ny 31 desambra 2019.

Hanamarika ity faha-100 taonan’ny OIT ity ny fanambarana ofisialy hatao amin’ny alarobia 12 jona izao, fa hatokana ho “Andro manerantany iadiana amin’ny fampiasana ny ankizy” ny 12 jona isan-taona.

Hiatrika io fotoana io ny filoha Andry Rajoelina. Niala an-tanindrazana ny alin’ny Pantekôty, alahady 9 jona, izy niazo an’i Genève Soisa, misy ny foiben’ny OIT. Tafaraka sidina taminy i mompera Pedro Opeka, ity farany izay nitsodrano ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra na Barea nandritra ny fanazarantena nataon’izy ireo teny amin’ny kianja Saint Pierre – Akamasoa, Andralanitra Antananarivo ny tolakandron’ny Pantekôty, izay hiatrika ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika hatao any Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019.

Raha ny tatitra farany nataon’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa, dia zaza iray amin’ny enina, eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 17 taona, tombanana ho 246 tapitrisa no miasa ary ny 179 tapitrisa amin’ireo manao asa mampidi-doza.

 

Publié dans Vaovao

Nandritra ny fampisehoana tao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, androany no nanoloran’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture », an’i Solofo, na Rasolofoniaina Nomenjanahary Andriambao, fa izay no tena anarany feno, ho fankasitrahana ny asa vitany tamin’ny fanabeazam-boho sy fanandratana ny mozika malagasy.

Mpitendry angorodao sy vatamaroafitsoka kalaza i Solofo. Mpamoron-kira ihany koa izy, miara-miasa amin'ny mpanakanto maro ary anisan'ny nanandratra avo ny lazan’i Madagasikara sy ny mozika malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Manokana vola 8 lavitrisa Ariary ny Ministeran'ny Angovo, ny Rano sy ny Akoranafo hampiroboroboana ny famatsiana herinaratra ho an'ny tontolo ambanivohitra. Hanamora ny fanatanterahana izany ny ADER (Agence de Développement de l'Electrification Rurale), izay manamarika ny faha-15 taona nijoroany.

 

Publié dans Sociale

Les employés de l’Etat ou fonctionnaires ont touché sans problèmes leurs salaires, ce qui n’est pas le cas des Employés de Courte Durée (ECD) ainsi que ceux des Enseignants Non Fonctionnaires (ENF/FRAM). Le délai de 61 jours après la prestation de service pour le paiement des émoluments n’et plus respecté.

Rappelons que pour les fonctionnaires, c’est le Directeur des Soldes et Pensions au sein du Ministère des Finances et du Budget qui signe la délivrance des salaires pour tout le territoire. Mais pour les ENF/FRAM, leur paiement dépend de la signature des chefs de chaque Direction Régionale de l’Education Nationale (DREN) de leur circonscription respective, donc des 22 régions, car ils entrent dans le cadre des « dépenses de fonctionnement hors solde ».

Au mois de Janvier dernier le Trésor public a reçu l’instruction de ne plus payer que les fonctionnaires « jusqu’à nouvel ordre ».

Publié dans Editorial

Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy mitaky ny fialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka eto Befandriana Avaratra.

Fanararaotam-pahefana, fikasihan-tanana olona, fanagadrana mpiasam-bahoaka noho ny olana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo no anisan’ny nahatezitra ny olona ka tonga amin’izao fidinana an-dalambe izao.

Mitarika vonjimaika ny kandida Jonah Parfait Prezaraly (MA.TI.TA) ; 9000 ny elanelam-bato manasaraka azy amin’ny faharoa vonjimaika, Lylyette Rene De Rolland (IRD).

Miandry ny vokatra ofisialy ny vahoaka eto Befandriana Avaratra.

Re fa efa navotsotra ilay olona notazomina am-ponja.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

A Sambava, le « boss » se croit tout permis et se permet de tout, en se vantant d'être proche du président de la République.

Le « boss » jette des pneus usagés de ses véhicules dans la rivière en plein centre de Sambava. Il a même érigé une clôture en dur en plein milieu de la plage sans respecter la loi sur les cinquante pas géométriques.

Le « boss » se dit intouchable ce qui fait que les autorités locales ferment les yeux et n'osent même pas réagir pour faire appliquer la loi.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

 

Publié dans Fil info

Voasaringotra amina raharaha kolikoly goavana ny orinasa notantan’i Jovenel Moïse nialoha ny niakarany teo amin’ny fitondrana. Ny « Cour des comptes » any an-toerana no nahita fa nisy fanodikondinam-bola be amina miliara “euros” tao, izay no niteraka ny hatezeram-bahoaka, ka nidinan’izy ireo an-dalambe mitaky ny fialan’ny filoha Jovenel Moïse.

Nisy tovolahy iray maty nandritra ny fifandonan’ny mpanao fihetsiketsehana tamin’ny mpitandro filaminana, omaly alahady Pantekôty.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Resin’i Portugal tamin’ny isa tokana 1 noho 0 teo an-jaridainany i Pays-Bas, nandritra ny lalao famaranana ny « Ligue des Nations » tao Porto omaly ; baolina matin’i Gonçalo Guedes.

Tamin’ny septambra 2018 no tapaka ny hevitra hisian’ny fifaninanana « Ligue des Nations ». Andiany voalohany ity norombahan’i Portugal mpampiantrano ity.

Ny « Euro 2016 » no anaram-boninahitra ambony farany azon-dry Cristiano Ronaldo farany dia io indray.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Malalaka sady voarakotra tara matevina. Izay no fahitan’ny olona ny ampahan’ny lalam-pirenena faha-4 asiam-panamboarana eo anelanelan’Ankazomanga miazo an’Andraharo mipaka eny Ambodivoninkely Ambohimanarina.

Mandatsaka tara matevina ny orinasa nahazo ny tsenan’asa manatanteraka azy iny, ary efa andalam-pahavitana io ampahan-dalana io amin’izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2