Filtrer les éléments par date : samedi, 01 juin 2019
samedi, 01 juin 2019 19:17

Vola malagasy: Nihen-danja kely

Somary very lanja kely ny vola malagasy, raha oharina tamin'ny fiandohan'ny volana mey teo:

31 mey 2019:
1 Euro = 4 051.79 MGA (4 048.27 MGA, 02 mey 2019)
1$Usd = 3 645.82 MGA (3 620.42 MGA, 02 mey 2019)

(Loharano: Banky foibe)

 

Publié dans Economie

Nanatanteraka ny hetsika fitoriana Filazantsara faha-5 ny teo anivon'ny FJKM foibe, izay natao tetsy amin'ny kianjaben'ny Mahamasina.

Maro ireo hetsika tety an-toerana toy ny fitiliana sy fitsaboana maimaim-poana, fanomezana rà, ny fijerena ny tosi-drà, fivarotana boky aram-pilazan-tsara, Fitoriana Filazantsara, fitoriana an-kira, fanatanjahan-tena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Hotanterahina anio alina ao amin’ny kianja Estadio Metropolitano ao Madrid renivohitr’i Espaina ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eorôpa amin’ny baolina kitra.

Famaranana ny andiany faha-64 izy ity hifandonan’ny klioba anglisy roa dia Tottenham sy Liverpool.

Sambany ho an’ny Tottenham no tonga amin’ny dingana famaranana toy izao, raha mikendry ny handrombaka fanin’eniny ny tompondaka i Liverpool.

Efa in-170 no nifandona i Tottenham sy Liverpool tamin’ny lalao rehetra nandraisan’izy ireo anjara, ka nandresy in-79 ny les Reds (Liverpool) raha fandresena in-78 ho an’ny Spurs (Tottenham). In-43 nirava ady sahala samy tsy nitoko ny ekipa roa tonta.

Publié dans Sport

Nisy, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, fivoriana mahakasika ny filaminana taorian’ny fifidianana solombavahoaka notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian, niaraka tamin’ireo minisitra voakasiky ny sehatry ny filaminana.

Nampita hafatra fankasitrahana avy amin’ny Governemanta ny Praiministra, noho ny fahendrena sy fahamatorana nasehon’ny vahoaka Malagasy, ka nampilamina ny fotoam-pifidianana ary nahatontosàna soa aman-tsara izany.

Mahatsapa ny governemanta fa misy ny kandida sasantsasany, amina tanan-dehibe vitsivitsy, manohitra ny mety ho voka-pifidianana ka mikasa hitarika hetsika izay mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka.

Publié dans Vaovao
samedi, 01 juin 2019 11:02

1 jona

Manomboka anio ny « Iray volan'ny teny malagasy ».

 

Publié dans Tselatra

Une réunion des membres du gouvernement, en charge de la sécurité, s’est tenue hier à Mahazoarivo sous l’égide du Premier ministre, Chef du gouvernement, Christian Ntsay, concernant la situation sécuritaire post-électorale.

Le Premier ministre a tenu à transmettre les reconnaissances de la part du gouvernement à l’endroit du peuple Malagasy, pour la sagesse et la maturité dont il a fait preuve pour faire régner le calme et la paix durant le déroulement des législatives, et qui ont contribué à la réussite du processus.

Publié dans Politique

Nanomboka omaly ao Lisses (Essonne – Frantsa) ny famondronana voalohany ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra, ho fanomanana ny fiatrehana ny fifaninana kaontinantaly, iadiana ny amboaran’i Afrika, hatao any Egipta ny 21 jona hatramin'ny 19 jolay.

Hihazo avy hatrany an'i Luxembourg ny Barea aorian’izay, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipan’io firenena io rahampitso alahady 2 jona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Fiaramanidina manokana no nanatitra azy ireo omaly, hanampy ireo eto an-toerana. Mifanojo indrindra amin’ny hetsi-panoherana voka-pifidianana ny fahatongavan’ireo andiana mpitandro ny filaminana.

Tato anatin’ny telo andro izay dia nisy fidinana an-dalambe nataon’ny andian’olona maro manohitra ny hosoka sy ny fanodinkodinana voka-pifidianana solombavambahoaka, araka ny filazan’izy ireo.

Nifamory teo amin’ny kianja monisipaly ireo mpanao fihetsiketsehana, omaly, avy eo nitanjozotra nilanja sorabaventy sy sainam-pirenena niazo ny biraon’ny Distrika hanatitra ireo porofo eo ampelan-tanan’izy ireo momba ny fisian’ny hosoka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
samedi, 01 juin 2019 10:08

Solika: Tsy misy fiovana ny vidiny

Mbola ny vidin-tsolika nihatra tamin’ny 4 desambra 2018 no manankery hatramin’ny maraina io eny amin’ireo toby mpaninjara an’ireo kaompanian-tsolika efatra misy amin’izao fotoana.

Lasantsy : 4 200 Ariary
Gazoala : 3 550 Ariary
Solitany : 2 630 Ariary

 

Publié dans Tselatra
samedi, 01 juin 2019 10:05

1er juin: Lait

1er juin: Journée mondiale du lait.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2