Filtrer les éléments par date : jeudi, 30 mai 2019

Milanja sorabaventy ny sasany, maneho ny zava-nitranga mikasika ny fifidianana depiote farany teo.

 

 

Publié dans Tselatra

Nanokatra izany tetsy amin'ny Kianjan'ny Makis Andohatapenaka - Antananarivo androany ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien.

Adiany faha-11 ity FEPA na ny tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary fambolena ity, izay nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena dia fototry ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara”.

Mampiseho ny fivoaran’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ireo tranoheva maro mampiranty eny an-toerana.

Publié dans Economie

Tsy misy fifidianana tonga lafatra. Dia izao ny endrika isehoany taty amin'ny Distrikan'Ambositra. Miantrano any amin'olontsotra ny voka-pifidianana depiote mialoha ny hahatongavany any amin'ny vaomiera mpanisa vato.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Eo ampiandrasana ny vokatra ofisialy tamin'ny fifidianana Depiote tamin'ny 27 mey 2019 dia miseho lany ireo endrika fanararaotana sy fandikan-dalana ny androm-pifidianana.

Tany ambanivohitra Amboasary Atsimo, toy ny hita eto amin'ny sary, dia ny Sefo Fokontany no mitonona ny anaran'ny olona handatsa-bato. Miandry aty ivelany izay tsy voatonona, dia nionona rehefa nilazana fa tsy voasoratra anaty lisitra, betsaka ihany koa ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra