Filtrer les éléments par date : mardi, 21 mai 2019

45 lahy ry zareo no tonga eto Bekopaka, vavahadin’ny Tsingin’i Bemaraha, distrika Antsalova io hariva io, hampandry tany. Mety mbo hiampy ny isan’izy ireo.

Somary nirongatra tato ho ato ny tsy fandriampahalemana tamin’ity faritra ity, ary isany lasibatra tamin’izany ireo mpizahatany vahiny.

Efa nisy ny fepetra noraisina taorian’ny fanafihana fiara nitondra mpizahatany niseho ny herinandro lasa teo iny, ka misy mpitandro ny filaminana manaraka ny fiara mitondra any Belo Tsiribihina mandeha aty Bekopaka ary toy izany koa ny miverina.

 

Publié dans Tselatra

Taorian’ny diany tao amin’ny Faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro, androany, dia hitsidika ny Faritra Analanjirofo sy SAVA iny ny filoha Andry Rajoelina rahampitso. Fitsidihana izay miteraka tsikera sy resaka be indrindra amin’izao andro farany amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao.

Ho avy eto Sambava izy rahampitso alarobia tolakandro. Henjan-droa ny tady eo amin’ireo samy mpanao politika eto an-toerana. Mazava hoy ny ankamaroany fa antony politika ny ahatongavan’i Andry Rajoelina eto Sambava na eo aza ny resaka “vary mora”, ka tsy hitsena na hanotrona ny fahatongavany ireo kandida depiote miisa valo amin’ny sivy mirotsaka hofidiana eto Sambava ary tsy handefa ny olony ihany koa, raha ny filazan’izy ireo.

Ny kandida natolotry ny “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” no hitsena sy hanotrona azy eny ampahatongavana miaraka amin’ireo solontenam-panjakana eto an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Natolotry ny lehibeny ny Zandarimaria Sambava androany atoandro ny miaramila iray izay voarohirohy ho nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-piadiana, ka nahafaty lehilahy iray mpikirakira lavanila ny alin’ny 28 Aprily 2019.

Aorian’ny famotorana azy dia hatolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Antalaha izy amin'ny Alakamisy 23 mey 2019 izao.

 

Publié dans Tselatra

Ny zoma sy ny sabotsy ary ny alahady 19 mey teo no nisamborana azy ireo teto Toamasina. Tratra tamin'izany i Celestin sy Moussa ary Marco. Mbola karohina kosa i Bolo sy Ngilo izay tompon'ny basy telo nampiasaina tamin'ny fanafihana.

Raha hiverenana dia vola 50 tapitrisa Ariary no very tamin'ireo "caisse" roa tao amin'ity banky ity nandritra ny fanafihana ny 08 mey 2019. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana dia ireto jiolahy ireto no nanafika ny tranombarotra Fortuna Tanambao V sy ny tranombarotra Tiana Anjoma, izay samy very vola 10 tapitrisa Ariary eo tamin'izay.

Publié dans Tselatra

Nanomboka tamin'ny carnaval mandram-pahatonga teny amin'ny stade Alarobia ny hetsika nokarakarain'i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Nitohy tamin'ny famaranana ny lalao baolina boribory, sy baolina lavalava izany, ka nanoloran'i Feno sy Bodo marim-pandresena sy amboara ho an'ireo nandray anjara.

Publié dans Politique

Nitsidika ny faritra Avo Boriborintany faha II i Lanto Rakotomanga sy ny mpiaradia aminy. Nojeren’izy ireo ny tsena iray tao Anjohy, efa ho fito (07) taona io tsena io no tsy nisy herinaratra ka sahirana, na ny mpivarotra na ireo mpividy raha vao miditra ao. Ho jerena farany izay haingana izany hoy i Lanto Rakotomanga.

Maro ireo mponina tonga nihaino ny programa sy naneho fitarainana noho ny hasarotampiainan’izy ireo. Maro ireo paompy tsy mandeha intsony ety amin’ny faritra ambony, tsy maintsy jerena faran’izay haingana ny hampandehanana azy ireny, hoy ny kandida mitondra ny laharana 01 eto amin'ny Boriborintany faha II, Lanto Rakotomanga.

Publié dans Politique

Nihavaka ny fandraisana an'i Soafilira Princia, zanak'Analalava, kandida ho solombavambahoaka mitondra ny laharana faha 6 teto Analalava.

Ny vahoakan'ny kaominina ambanivolo Marovatolegny, Distrikan'Analalava no nitsena azy.
Niompana tamin'ny tanora sy ny vehivavy ny resaka nataon'i Soafilira teto.

Mila sekoly hianarana ny zaza sy ny tanora hoy izy, ary nahoana moa i Analalava no tsy hanana Oniversite mendrika ny faritra, nefa dia taty Analalava no nianatra sy nipoiran'ireo sangany tamin'ireo mpitondra tany amin'ny Repoblika voalohany.

Publié dans Politique

Nisy androany ny dinika naraham-panomezana teo amin'ireo sefo Fokontany miisa sivy, izay mandrafitra ny fari-piadidian'ny Poste de Police Antaniavo Antohomadinika (PPA4), ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin'ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana.

Niaraha-nidinika ny fomba handrindrana sy hampitana maika ny vaovao mikasika ny fandriampahalema isaky ny Fokontany, izay fehezin'ireo sefo Fokontany ankilany, ary ny PPA4 andaniny.

Mila vaovao haingana sy maripototra mikasika ireo izay mbola manaratsy endrika ny fiarahamonina ny Polisy manoloana ireny asa ratsy ireny. Notolorana finday mateza mandeha tsy tapaka andro aman’alina ireo sefo Fokontany miisa sivy manodidina. Eo koa ny fiatrehana ny fifidianana ho avy izao mba hisorohana izay mikasa hanao korontana.

Publié dans Sociale

55,5% ny vato manankery no azon’i Joko Widodo na "Jokowi" araka ny fiantson’ny olona azy, nanoloana an’ilay jeneraly misotro ronono Prabowo Subianto mpifaninana taminy, izay nahazo 44,50% araka ny nambaran’ny vaomieram-pifidianana any an-toerana.

57 taona izao i Jokowi. Tamin’ny 2014 izy no voafidy voalohany hitondra an’i Indonezia, rehefa nahazo isam-bato 53,15%.

Publié dans Art et Culture

Raha mitohy izao fihafanan’ny tany izao, misonga +5°C, dia tombanana fa hisy fiakarany hatrany amin’ny 2,38m ny haavon’ny ranomasina, araka ny fandinihan’ny manampahaizana momba ny fiovaovan’ny toetrandro.

Nosy kely maro manerana izao tontolo izao no hanjavona hatelin’ny ranomasina, ary olona aman-tapitrisany no voatery hifindra monina aterak’izany.

 

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2