Filtrer les éléments par date : samedi, 18 mai 2019

Delestazy efa ho lava ! Nesorin’ny filohan’i Zimbabwe, Emmerson Mnangagwa, omaly, ny minisitry ny angovo sy ny fampiroboroboana ny herinaratra, Joram Gumbo (hita eto amn’ny sary), noho ny «faharatsian’ny famatsiana herinaratra» manerana ny firenena.

Vao avy nanome alalana orinasa miisa 30 hamatsy herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro anefa ingahy minisitra talohan’io fandroahana azy io, ary mbola nikasa ny hiazo an’i Mozambika, firenena mpifanolobodirindrina amin’i Zimbabwe, hitady vonjy ka hifampiraharaha any an-toerana amin’ny famatsiana herinaratra an’i Zimbabwe.

Nilaza moa ny orinasam-panjakana misahana ny herineratra any Zimbabwe (ZETDC), fa hisy delestazy adin’ny valo isan’andro, noho ny fahanteran’ny milina mpihary herinaratra mandeha amin’ny arintany (charbon), izay mitarika fihenan’ny tolotra azo omena ny mpanjifa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nisy, ny 18 mey 2019, ny fidinana ifotony niarahan’ny solontenan'ny Ministeran'ny Angovo, sy ny Rano ary ny Akoranafo niaraka tamin'ny teknisianina avy ao amin'ny Jirama sy ny teknisianina tao amin'ny CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe), nijerena ny toerana afaka hanorenana ny tohadrano lehibe izay mandrafitra io toby famokarana herinaratra vaovao ao Volobe, faritra Atsinanana.

Hamatsy 120 MW, izay afaka hisahana ny filan'ny tambazotran'Antananarivo sy Toamasina ny tobim-pamatsiana herinaratra vaovao izay haorina io.

Heverina ho vita amin'ny taona 2023 io foibe famokarana herinaratra ao Volobe io eo ka mponina eo amin'ny 2 tapitrisa eo no hisitraka izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Nahatsapa ireto lesoka eto amin’ny firenena na sosialy na politika na toekarena ny Fivondronamben'ny Eveka nandritra ny fivoriambe nataon’izy ireto teto Antananarivo ny 08 ka hatramin’ny 16 mey 2019, ka nilaza tamin’ny hafatra fa : 

Na mameno trano Fiangonana aza ny Kristianina dia tsapa fa tsy mbola mafy orina ny finoana ka mihena ny fandraisana Sakramenta. Tsy tafita ny fandalinam-pinoana.

Publié dans Sociale
samedi, 18 mai 2019 08:56

18 mai

Journée Internationale des musées.

 

 

Publié dans Fil info
samedi, 18 mai 2019 08:55

No comment

No comment

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2