Filtrer les éléments par date : mardi, 14 mai 2019

Nanantanteraka ny andraikitra masina tamin'ny fahatsiarovana ireo maritiry, sy ireo nitolona tamin'ny 13 mey 1972 i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Nomarihina tamin'ny fanaterana fehezam-boninkazo izany omaly 13 mey tetsy amin'ny kianja 13 mey na Parvis Analakely, niaraka tamin'ny antoko TIM.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Tamin’ny 06 mey 2019 lasa teo no nitrangan'ity fanampoizinana aran-tsakafo ity taty Belo sur Mer, Distrikan'i Morondava vokatry ny fihinanana fano na sokatra an-dranomasina.

Olona niisa 67 no nihinana ity hazan-dranomasina ity ary ny 54 no narary ka 4 tamin’ireo no namoy ny ainy, dia zaza 11 volana, zaza 1 taona sy tapany, zaza 6 taona ary olon-dehibe 70 taona.

Nidina taty an-toerana ny tompon’andraikitra avy any amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana, sy ny mpiasan’ny Fahasalamana Morondava notarihin’ny Talem-paritry ny Fahasalamana nijery ny zava-misy sy nitondra fanafody nitsaboana ireo olona marary.

Publié dans Tselatra

Nisy vazaha lahy avy any Guadeloupe antsoina hoe Francisco Lopez, 64 taona, sy ny vadiny Soa Monica, 48 taona, ary Randrianjaka Ferlando, zazalahy 07 taona, natsangan'izy ireo maty nisy namono tao an-tranony. Ny alatsinainy 13 mey 2019 vao hita ny razana, izay efa tao anatin’ny fahasimbana.

Ny fofona maimbo be ren'ny olona manodidina no nanokafana ny trano nataon'ny filoham-pokontany sy ny Fokonolona.
Faty efa simba, niampatra tao amin'ny trano fidiovana no hitan'ny olona, ankoatra ireo entana misaritaka eran'ny trano ihany koa.

Raha ny fanazavana dia ny alin'ny alarobia 08 mey hifoha ny alakamisy 09 mey 2019 no mety nitrangan'ny famonoana satria ny alarobia mbola nianatra tao amin'ny « Lycée Français » fianarany ilay zazalahy fa ny alakamisy izy vao tsy tonga nianatra intsony.

Publié dans Vaovao

Nanantanteraka fampirantiana sy fampianarana ny teo anivon'ny minisiteran'ny mponina io maraina io, mahakasika ny fiarovana ara-tsosialy, izay natao teny amin'ny amphi DEGS Ankatso.

 

Publié dans Sociale

Andalam-pahavitana ankehitriny ny trano Fiangonana vao naorina ao Tanambao Verrerie - Toamasina. Ezaky ny Kristianina ato amin’ny Diosezin'i Toamasina, miampy tolotanana avy any ivelany no nananganana azy ity.

Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny Mgr Arsevekan’i Toamasina, Kardinaly Tsarahazana Désiré sy ireo Relijiozy avy any Korea Atsimo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Efa nanomboka ny talata 7 mey 2019 ity fivoriamben’ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara (CEM) ity ary hifarana ny alakamisy 16 mey 2019 izao.

Tsy misy mipika ny dinika hatreto, tombanana kosa fa tafiditra anatin’ny lahadinik’izy ireo ny famangian'i Papa François eto Madagasikara amin’ny fiandohan’ny volana septambra ho avy izao.

 

Publié dans Tselatra

Feno 20 taona omaly 13 mey 2019 ny nanamasinana Eveka an'i Mgr Philippe Ranaivomanana. Papa Joany Paoly II no nanendry an'i Mgr Philippe Ranaivomanana ho Eveka vaovao hitantana ny Diosezin'Ihosy ny 2 janoary 1999.

Mgr Philibert Randriambololona, nampian'i Mgr Felix Ramananarivo sy Mgr Fulgence Rabeony, no nanamasina an’i Mgr Philippe Ranaivomanana ho Eveka hitondra ny Diosezin'Ihosy, 13 mey 1999.

Mitantana ny Diosezin'Antsirabe i Mgr Philippe Ranaivomanana ankehitriny, izany dia nanomboka ny 13 novambra 2009.

 

Publié dans Art et Culture

Tovovavy iray, 19 taona, mpianatry ny Lyceée Mixte Vohémar taona faha-11 no natelin’ny rano ao amin’ny farihy manankasina na « Lac sacré Andranotsara » ny tolakandron’ny sabotsy 11 mey 2019 ary mbola ifampitadiavana hatramin’izao.

Telo mianaka izy ireo no teo amin’ilay toerana tamin’io andro io, tonga hanjono, ary tampoka teo dia nanjavona ilay tovovavy.

Tonga teny amin’ilay toerana nitrangan’ny loza ireo mpiara-mianatra tamin’ilay tovovavy omaly, naneho firaisankina tamin’ny fianakaviany. Nampahery ireto farany ihany koa ireo mpitondra fanjakana eto an-toerana.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nosazian’ny tribonalin’i Oakland, any Californie - Etazonia handoa honitra ara-bola mitentina roa miliara dolara ny orinasa Monsanto, ao anatin’ny vondrona orinasa alemana Bayer, noho ny fitoriana nataona mpivady iray ao an-toerana izay voan’ny aretina homamiadana vokatry ny fampiasana fanafody fampiasa amin’ny zavamaniry antsoina hoe « Roundup » vokarin’ity orinasa alemana ity.

Fanintelo izao ity orinasa alemana Bayer ity no iharan’ny sazy mahery noho ny vokatra vokariny misy akony ratsy amin’ny fahasalamam-bahoaka, ary tsy misomonga amin’izany mihitsy ry zareo Amerikana.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina ireo mpandraharaha omby aty Ihosy fa efa herinandro izao no tsy misy « imprimé »-na pasipaoron’omby eny amin’ny Delegem-pajakana.

Afarana avy any amin’ny « Imprimerie nationale » io « imprimé » pasipaoron’omby io ary andoavam-bola. Tsy misy fanazavana azo ny tsy mampisy io taratasy io hatreto, nefa foto-piveloman’ny maro aty Ihorombe ny omby.

Ny mpitandro ny filaminana etsy ankilany hentitra dia hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna, ho an’ireo tompon’omby sy mpandraharaha ka tsy ara-dalàna ny taratasin’ny ombiny.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2