Filtrer les éléments par date : lundi, 13 mai 2019

Vory marobe ny mponin'Ambarijeby Sud, Distrikan'Analalava andeha hihaino, ankahery ary hanohana an'ity zanaka vavin'Analalava ity.

Namafisin'i Princia Soafilira, Kandida ho solombavambahoaka eto Analalava, nilatsaka amin'ny anaran'i Malagasy Tia Tanindrazana (MATITA), mitondra ny laharana faha 06 amin'ny bileta tokana, fa ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny fambolena, sy fiompiana, ny jono no laharam-pahamehana iadiany ho an'ny faritra Analalava.

Publié dans Vaovao
lundi, 13 mai 2019 20:22

Tarika VHF: Nodimandry i Parfait

Mpamoron-kira sady mpanorina ny tarika VHF (Vavaka sy Hira Fiderana) i Parfait Lalanirina. Tao amin'ny pejy VHF Ofisialy ny tarika no nampahafantatra fa nodimandry androany i Parfait.

 

Publié dans Art et Culture

Mampiavaka an'i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana, ny fanohanany ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Tsy vao izao izy no nanampy ireto tanora ireto, ka nanolotra fitaovana sy kopy nandritra ny fifaninanana natao teto Ampamatanana Androndra, Boriborintany faha II.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nitohy taty Ambohitsoa indray ny fitetezana ny Boriborintany faha II nataon'ny kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II.

Tonga maro be ireo mpiaradia aminy, nanontrona izany fotoana izany. Nijery ireo be antitra izy, ary nitondra fanampiana ho azy ireo, teo ihany koa ny fanomezana izay natolony ho an'ny tanora, toa ny baolina.

Raha ny resaka nataony dia nahavelom-panantenana ireo nanatrika ny fihaonana.

Publié dans Vaovao

Maro ny hetsika teto Toamasina ny faran'ny herin'andro teo, fa dia nazava ny safidy raha ny teto Toamasina I no jerena. 

Nirohitra namonjy nanontrona sy niaraka tamin'i Kandida ho solombavambahoaka Irmah Naharimamy, natolotry ny antoko politika Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, laharana faha 8, ny teto Toamasina I.

Ny fiarahantsika marobe manao an'izao hoy Irmah Naharimamy no porofo fa hiraka ampandroso an'ity Toamasina ity isika.

 

Publié dans Politique

Tontosa ny 11 mey ny fanokafana ny fampielezan-kevitra hoan'i Zanaky Manakara BEBOARIMISA Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana.

Feno olona tanteraka ny kianjan'ny Demokrasia Manakara.

Na dia efa nandroso maizina aza ny andro dia tsy nisy niala ny olona fa niandry ny lahatenin'i Kandida BEBOARIMISA Ralava. Nandritra izany no nanolorany ireo mpiray lisitra aminy. Ary koa nanazavany ny vina sy ny foto-kevitra ijoroan'ny antoko dia ny 3F : Firaisan-kina, Fifanampiana, Fifanajana.

Publié dans Politique

Nanatanteraka hetsika lehibe androany izay hitohy rahampitso talata 14 mey, ho fitsinjovana ireo sahirana ara-pahasalamana ny Fiangonana Advantista.

Fizahana sy fitsaboana maimaim-poana, toy ny diabeta, maso, fitiliana ny otrik'aretina VIH ary ny fanomezan-drà maimaim-poana no atao amin'izany.

Izany moa dia notanterahina tetsy amin'ny parvis Analakely.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin'ny biraon'ny Jeneraly Talen'ny Kabinetran'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ireo solotenan'ny Sekoly Etamajaoro Nizeriana.

Hitsidika ireo Sekoly miaramila rehetra eto Madagasikara ihany koa izy ireo mba hakàna traikefa mikasika ny Fiarovana, ny fandriam-pahalemana sy ny toetr'andro ary ny toekarena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Niaraka nanao be midina teny amin'ny Zandary androany atoandro ny delegasiona avy amin'ny « Plate Forme » notarihin'ireo avy amin'ny Prefektiora, ny avy amin’ny talem-paritry ny varotra sy avy amin'ny talem-paritry fambolena...natrehin’ny lehiben’ny Faritra SAVA nijery ifotony ireo lavanila milanja 34kg izay saron’ny Zandary tao amin'ny mpikirakira lavanila malaza iray ao Ambalamanasy Fokontany Antanifotsy-II, Sambava.

Ny sabotsy 11 mey 2019 no sarona amin'ny fanaovana lavanila mialohan’ny fisokafan'ny taom-piotazana, ity mpikirakira lavanila ity. « Niainga avy amin'ny loharanom-baovao marim-pototra avy amin'ny tsara sitrapo no nahitana izao vokatra izao, » hoy ny Lietnà Randrianirina Tahina, komandin’ny Kaompanian’ny Zandary Sambava.

Publié dans Economie
lundi, 13 mai 2019 15:34

Le professeur Sarkozy ?

L’ « affaire Bygmalion » de l’ancien président Nicolas Sarkozy refait de nouveau surface. Rappelons que l’agence de communication Bygmalion, a été en charge de la communication pour la propagande de la campagne électorale de 2012 de Nicolas Sarkozy, ce dernier est soupçonné de dépasser le plafond autorisé par la loi qui est de 22,5 millions d’€ (euro).

Publié dans A la Une
Page 1 sur 3