Fambolem-bary: Mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon
Noraisina ara-teknika ny zoma 10 mey 2019 tetsy amin’ny FOFIFA Ambatobe - Antananarivo ny fotodrafitrasa « Serre de croisement » sy « Laboratoire génétiques moléculaires » izay fanomezana avy amin’ny fiaraha-miasa japoney (JICA) anatin’ny Tetik'asa FYVARY (Fertilitysensing and Variety Amelioration for Rice Yeld).
Mifototra amin’ny fikarohana ho fanatsarana ny karazam-bary eto Madagasikara ity tetikasa ity, izay iarahan’ny fanjakana Malagasy sy Japoney nanomboka ny taona 2017 ary maharitra dimy taona.
Andralanitra: Vehivavy mpitsindroka fako voahitsaky fiarabe ka namoy ny ainy
Omaly zoma 10 mey tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, no nitrangan’ity loza ity, araka ny fampahafantarana nataon’ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) tao amin’ny pejiny facebook.
Voalaza fa raha nanatitra sy nampidina fako teny Andralanitra - Ambohimangakely ny fiaraben’ny SAMVA dia nisy vehivavy mpitsindroka fako tafintohina teo anelanelan’ny kodiaran’ny fiarabe ary voahitsaka ka namoy ny ainy.
Nandray andraikitra avy hatrany ny SAMVA ary manotrona ny fianakaviana amin’ny fikarakarana.
Manome toky ihany koa ny SAMVA fa hijery ny fomba rehetra tokony hatao mba tsy hiverenan’ny loza toy izao intsony.
Fofona maimbo eto Toamasina: Nomena baiko hampiato ny asa fanitarana ataony ny orinasa HITA
Nisy ny fitsirihina tampoka teny ifotony sy fivoriana notarihin’ny Prefen’i Toamasina ny 8 mey, niantsoany ireo sampandraharaha rehetra voakasika, manoloana ny fofona maimbo mampitaraina ny mponina sy miely amin’ny tambazotran-tserasera ary voizin'ireo kandida solombavambahoaka.
Fofo-menaka io raha ny fanazavan’ny avy amin’ny orinasa HITA (Huilerie Industrielle de Tamatave) izay manao fanitarana ny asany amin’izao.
Fepetra noraisina avy hatrany taorian’io fivoriana io, ny hampiatoan’ny orinasa ny asa fanitarana rehetra ataony.
(Jereo Sary Tohiny)
11 mai: Journée mondiale des espèces menacées
D'après une étude de l’IUCN (Union Internationale pour la Conservation de la Nature), plus de 20 000 espèces de plantes et animaux sont en danger de disparition imminente chaque année.