Filtrer les éléments par date : jeudi, 04 avril 2019

Notontosaina tetsy amin'ny IKM Antsahavola ny fanolorana mari-pakasitrahana ho an'ireo mpanao gazety mendrika tamin'ny fanadiadiana lalina na investigation, izay nokarakarain'ny Transparency international. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manaitra ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga ny mpiasan'ny Faritra Alaotra-Mangoro fa tsemboka nefa tsy mandray valin-kasasarana izy ireo hatramin'ny fiandohan'ity taona ity, tsy misy fanazavana mazava ny antony.

 

Publié dans Tselatra

Tsy mbola nanana hopitaly misy fandidiana ny teto aminy Distrikan'ny Tsihombe hatramin'izay, vao tamin'ny taona 2017 teo no nahazoana izany, noho ny fangatahana sy antso avo izay natao tamin'ny maha Solombavambahoaka teto amin'ny Distrikan'ny Tsihombe an'i Masy Goulamaly.

Nahazo ambulance ihany koa, ary ireo fitaovana maro isan-karazany tamin'izany.

Misy koa ireo fitaovana sy fanafody izay nanampian'ireo mpiara-miombonantoka, ny avy amin'ny FNUAP.

Afa-pahasahiranana ny vahoakan'ny Tsihombe amin'izao fotoana izao, satria tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fahasalamana.
Teo aloha dia tany Ambovombe no nandefasana ireo marary sy ireo vehivavy sarotra fiterahana, hany ka noho ny tsy fahampian'ny hoentimanana dia matetika miandry ny rariny.

Publié dans Sociale

Le président Andry Nirina Rajoelina est à son 4ème voyage officiel depuis son arrivée aux commandes de la grande île. Le premier fut Addis Abeba pour le 32ème sommet de l’Union Africaine (10-11 février), ensuite à Maurice pour une visite d’Etat à l’occasion de la fête nationale de cette île sœur (11 mars ), immédiatement après Nairobi pour le sommet à propos de l’environnement « One Planet » (14 mars) et voilà une 2nde visite d’Etat au Sénégal pour une double cérémonie, prestation de serment du président sénégalais, Macky Sall, élu pour un 2nd quinquennat et la commémoration de l’indépendance du Sénégal le 4 avril.

Ces voyages sont là pour montrer que le Chef de l’Etat fraîchement élu n’est plus la « personne sans qualité » de la Transition 2009-2013 mais bien le président de la 4ème République. Mais le voyage au Sénégal soulève des questions et des observations.

Malgré que notre président fasse partie de la 12aine de présidents africains invités pour cette double cérémonie, il a débuté quelques heures après de la commémoration du 29 mars 1947 ! Nul Malagasy n’a oublié les exactions commises par les tirailleurs sénégalais (exécutions sommaires, viol) durant la répression des populations pendant cette période.

Publié dans Editorial

Mitohy hatrany ireo tolotanana ataon'i Lanto Rakotomanga, kandida ho Solombavambahoaka aty amin'ny boriboritany faharoa, Antananarivo Renivohitra.

Anjaran'ny Fokontany Andohamandry no notsidihany, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy. Notokanana tamin'izany ireo fotodrafitrasa notanterahina, ny fanasana lamba, ny douche ary WC.

Publié dans Sociale

Manohy hatrany ny fifampidinihana amin'ireo olona sahirana ny Kandida Irmah Naharimamy, sady mitondra izay fanampiana ilaina an-davanandro, no miara-midinika amin'izy ireo ny hetaheta fampandrosoana tian'izy ireo ampitaina amin'ny mpitondra sy ireo mpanatanteraka.

Nitsidika ny vahoaka Antsiranapasika parcelle 14/12, ary nizara bodifotsy, savony, ary baolina filalaovan'ny tanora izy tamin'izany.

Tsy adino ihany koa ny tao Analankininina hôpital be, ka nizara sceau, koveta, zinga, maillot sy baolina ihany koa.

Publié dans Sociale

Nivoitra io nandritra ny fankalazana ny Andron’ny Zandarimariam-pirenena teto Mahajanga ny 02 Aprily. Araka ny antotanisa nomen’ny Kaomandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena (CIRGN) eto Mahajanga, ny Kolonely Ralaivaonary D’y La Paix, dia miisa enina ireo Zandary nanao fandikan-dalàna naiditra am-ponja ary 12 voasazy ara-miaramila raha ny eto Mahajanga tamin’ity taona 2019 ity.

Miisa 19 kosa no notolorana fankasitrahana noho ny fanatsaran’izy ireo ny asany: fanenjehana dahalo, fahatrarana ireo fiarabe mpitatitra entana tsy ara-dalàna sy sakafo lany daty teny amin’ny lalam-pirenena faha- 4.

Publié dans Vaovao
jeudi, 04 avril 2019 08:51

Tarika ADN: Mivoy ny mozika mafana

Ny taona 2009 no nahita masoandro ny tarika ADN. Tarika ivondronan’ireo tanora vao erotrerony tokoa, izay samy mpiondana ny mozika mihetsika toy ny rap, ragga, zouk love sy ireo gadona mampitsinjaka am-pitoerana mampiavaka ny kaontinantan’i Afrika.

Mampiavaka an-dry zalahy ADN ilay filazana ny zava-misy anivom-piaraha-monina amin’ny fomba mivantana nefa amin’ny endriny kanto anatin’ireo tononkirany feno anatra mafonja.

Nomarihan’ny mpikambana eo anivon’ny ADN fa mandalo sedra maro ny tarika ankehitriny, saingy tsy natao hahakivy izany, hoy izy ireo fa vao maika hatao ho fanoitra hanatsarana hatrany ny tolotra omena ireo mpankafy.

Publié dans Art et Culture

Ela niandrasana ! Seho goavana miisa telo no hotanterahin’ny tarika Ny Sakelidalana mpiangaly ny bagasy, ao an-drenivohitry Betsileo. Hanokatra izany ny Cabaret, atao ny alin’ny zoma 12 aprily ho avy izao, ao amin’ny Espace Andry (ex Tranompokonolona Tsianolondroa).

Ankoatry ny tarika Ny Sakelidalana dia hian-tsehatra ihany koa ny tarika MRJ milalao gadona maroloko tsy zoviana amin’ny mponin’i Fianarantsoa. Hitohy ny tolakandron’ny sabotsy 13 aprily ao amin’ny efitrano malalaky ny EKAR Fo Masin’i Jesoa Fianarantsoa ny fiarahana amin’ny tarika Ny Sakelidalana, ary ho faranana amin’ny alalan’ny rindran-kira evanjelika handraisan’ny tarika Noely sy ry zareo MRJ anjara, ao amin’ny Espace Andry ihany, ny tolakandron’ny alahady 14 aprily.

Publié dans Art et Culture

Hasina Ratera, solofo dimbin’ny ala avy amin-dRajesitera William. Ity farany izay mpanoratra, mpamoron-kira ary mpanao hosodoko nanana ny naha-izy azy tanteraka fony fahavelony.

Teo amin’ny faha enina ambinifolo taonany i Hasina Ratera no nanomboka nanakorisa ny penina hanjary tononkalo mandraka ankehitriny. Rehefa nigadona ny faha roa amby roampolo taonany no nifoha ny aingam-pamoronan-kira tao anatiny. Ny fivoizana ny gadona malagasy avy eto ampovoan-tany izay hanehoana ihany koa ny fomba fitafy, ny zavamaneno malagasy ary ny fampiarahana izany amin’ny tononkalo. Ireo no mandrafitra ny taokanto vaovao nojarian’i Hasina Ratera.

Publié dans Art et Culture