Filtrer les éléments par date : mercredi, 03 avril 2019

Nandritra ny nanamarihana ny Andro ho an'ny Zandarimariam-pirenena ny 2 aprily no nangatahan'ny mpihaino ny fandaharana nivantana tamin'ny haino aman-jery ny mba hanalalahana ny fampiasana ''vitre fumée'' amin'ny fiara tsotra, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana.

Nanizingizina ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena fa efa voafaritra mazava araka ny lalàna ireo afaka mampiasa "vitre fumée" amin'ny fiara, ka tsy azon'ny ankamaroan'ny maro atao izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 03 avril 2019 22:00

AKAMA 67ha: Nanao asa soa ny INSCAE

Nanolotra baolina baskety sy "maillot" ho an'ireo tanora manana fahasembanana ara-pandrenesana (moana sy marenina) tetsy amin'ny Akanin'ny Marenina AKAMA 67ha ny avy ao amin'ny sekoly ambony INSCAE, androany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale
mercredi, 03 avril 2019 21:59

Fitaterana: Lafo ny zotra La Réunion-Tana

Fifaninanana ? Eny, fa ity kosa efa mila hampiteny ny moana na mba te ho tia tanindrazana ihany aza.

Lafo loatra amin'ny mpandeha ny sarandalana amin'ny zotra anabakabaka mampitohy an'i La Réunion amin'Antananarivo an'ny kaompania Air Madagascar sy Air Austral, mpiara-miombon'antoka aminy miohatra amin'ny kaompania hafa Corsair.

Ora iray sy sasany raha ela ny faharetan'ny sidina, nefa sandaina 400€ (1 600 000 Ar na 8 000 000 fmg) raha 198€ ny hafa.

 

Publié dans Tselatra

Olana tamin'ny mpamatsy solika no nambaran’ny JIRAMA fa nanapahan'izy ireo ny famatsiana solika ho an'ny JIRAMA, ho an'ny tanàna miisa 5 eto Madagasikara, dia Ambanja, Anjozorobe, Antsohihy, Mampikony ary Ampanefena.

Nisy ny fifampiresahan'ny ministera sy ny JIRAMA tamin'ireo mpamatsy solika ireo ka nahafahana namerina amin'ny laoniny ny famatsiana solika ny tobi-pamokaran'ny JIRAMA, hiverenan’ny famokarana herinaratra miandalana.

 

Publié dans Tselatra

Nirava maina ny fivoriam-be farany mahakasika ny famaritana ny "structure tarifaire" ho an'ny solika. Tsy nahitana marimaritra iraisana ny fifampiresahana teo amin’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha mpamatsy solika nandritra ny fivoriana maro izay notanterahina.

Publié dans A la Une

Natomboka tamin’ny Diaben’ny firaisankina, niainga teo amin’ny Tsangambaton’ny fahaleovantena ny lanonana fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny andro manerantany ho fampahafantarana ny « Otisma » notanterahina teto Antsirabe, Faritra Vakinankaratra omaly talata 2 aprily 2019.

Notohizana tamin’ny fotoam-pivavahana, famelabelarana arahina adihevitra sy fijoroana vavolombelona mikasika ny Otisma izany, ary fampirantiana tao amin’ny Biraon’ny Faritra Vakinankaratra, izay niarahana tamin’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka sy ny « Autisme Fédération Madagascar » ary ireo mpiaramiombon’antoka aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Ny 7 aprily ho avy izao no hankalazana ny Andro manerantany ho an’ny Fahasalamana (JMS 2019). Ho an’i Madagasikara dia ho tanterahina ny 12 aprily eny amin’ny « Parking » Coliséum Antsonjombe – Antananarivo ny fankalazana ofisialy araka ny nambaran’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotonirina Julio.

« Tolotra Fahasalamana ho an’ny Daholobe ho fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy » no lohahevitra ho voizina amin’ity taona 2019 ity.

 

 

Publié dans Tselatra

Hiverina indray ny zotra Antananarivo-Johannesburg-Antananarivo nataon’ny kaompania malagasy Air Madagascar.

Ho in-droa isan-kerinandro izany hanomboka amin’ny 17 jona 2019, rehefa niato aman-taonany.

 

Publié dans Tselatra