Filtrer les éléments par date : mercredi, 17 avril 2019

Toerana depiote tokana no hifaninanana amin'ny Distrika miisa 87 amin'ireo 119 eto Madagasikara. 32 kosa ireo Distrika misy toerana depiote roa ifaninanana.

 

Publié dans Tselatra

Handrindra ny filaminana sy ny fifamoivoizana ny Polisy. Hiantoka ny fandriampahalemana amin’ireo toerana be olona toy ny toeram-pivavahana ihany koa.

 

Publié dans Tselatra

Hisarika vovo haka trondro no nivoahana ny trano vao maraina, fahafatesana no nitsena ity lehilahy vao 25 taona ity. Ny alatsinainy 15 aprily tamin'ny 6ora sy sasany maraina no nitrangan'ny loza tao Anosifisaka, Fokontany Antanimena Kaominina Ampitatsimo.

Tao anaty tatatra no nahitana ny faty. Miahiahy ny fianakaviana fa nisy namono ity tovolahy ity.

 

Publié dans Tselatra

Nitrandraka volamena tany anaty lavaka hatrany amin’ny 19m izy ireo no nihotsaka tampoka ny tany tamin’ny sabotsy 13 aprily teo. Enina, tamin’izy folo lahy, ny razana hita. Mety hatsahatra ny fikarohana ireo razana sisa noho ny fahasarotan’ny fikarohana. Hasiana marika hita maso ho fahatsiarovana eo amin’ilay toerana namoizan’izy ireo aina.

Raha tsiahivina dia olona folo no maty tototry ny tany ka ny 06 no hita faty raha nandamoaka kosa ny fikarohana ny efatra ambiny.

Nandefa iraka amin’ilay toeram-pitrandrahana volamena nitrangan’ny loza ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ny alatsinainy teo mba hijery ny zava-misy marina ary hitondra vahaolana, raha ilaina.

Publié dans Sociale
mercredi, 17 avril 2019 14:39

Madagascar menacé d’amende par la SADC ?

Le 25 mars dernier, pendant l'ouverture de la réunion du Conseil des ministres de la Communauté de développement d'Afrique australe (SADC), Natumbo Nandi-Ndaitwa, ministre des Relations internationales et de la Coopération de la Namibie, a souligné que le sommet contribuerait à la consolidation de la paix sur le continent. Elle a aussi déclaré que la réunion constituait une reconnaissance de l'importance de la solidarité internationale dans les pays membres de la SADC.

Ce sommet de …2 jours a été consacré entièrement au Sahara Occidentale, ce territoire revendiqué par le Royaume du Maroc et administré par celui-ci depuis 1975, malgré les péripéties diplomatiques, surtout à cause de l’opposition armée du Front Polisario (Front populaire de Libération de la Saguia el Hamra et du Rio de Oro).

Derrière ce problème, vieux de 44 ans, se profile l’antagonisme entre les 2 puissants Etats du Maghreb, l’Algérie et le Maroc, le Front Polisario n’existe que par le soutien politique et militaire de l’Algérie dont le but est d’avoir un accès à l’Océan Atlantique !

Publié dans Editorial

Vahinin'ny fandaharana Vahaolana Top Radio 102.8 FM izao amin'ny 1 ora tolak'andro izao ny filohan'ny Antenimieran-doholona Rivo Rakotovao.

Ahakasika ny teo-draharaha mafana eto amin'ny firenena ny fandaharana.

 

Publié dans Tselatra

Manantanteraka atrik'asa mahakasika ny olana sedrain'izy ireo, ireto vehivavy misy fahasembanana ireto nanomboka omaly talata 16 aprily 2019.

Maharitra telo andro moa izy ity ka hifarana ny alakamisy ho avy izao ao amin'ny Le Pavé Antaninarenina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nanomboka omaly talata 16 aprily ny fampirantiana sary ataon'i RAKOTOBE Michel, izay atao ao amin'ny CMDELAC Analakely. Anisan'izany ireo sary mahakasika ny fankalazana ny tolom-panafahana 29 Marsa 1947 sy ireo rakitsary momba izany tolona izany.

Publié dans A la Une
mercredi, 17 avril 2019 10:42

Bianco: Mitady Tale jeneraly vaovao

Ho tapitrika afaka roa volana eo ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) Andriamifidy Jean Louis, rehefa naharitra dimy taona.

Araka ny voalazan’ny andininy faha-42 ao amin’ny lalàna 2016-020, tamin’ny 22 aogositra 2016, momba ny ady amin’ny kolikoly dia dimy taona tsy azo havaozina ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco io.

Didim-panjakana 2014-642 tamin’ny 4 jona 2014 no nanendrena an’i Andriamifidy Jean Louis ary ny 23 jona 2014 izy no nanao fihanianana. Ho tapitra amin’ny 23 jona 2019 izany ny fe-potoana niantsorohany io andraikitra io. Misy ny tolotr’asa hitadiavana izay ho solony. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy - Toamasina ny alatsinainy 15 aprily tolakandro teo ireo tovolahy roa nikotrika ny vono olona sy ny namono nahafaty tamin'ny fomba feno habibiana ny vady aman-janaky ny mpampiasa azy tao Analakininina Hopitaly Be ny 18 mars 2019.

Kalo Honorette, 29 taona, ary nitondra vohoka, sy ny zanany lahikely, Kevin 04 taona no niharan’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana.

i Tantely no nikotrika ny famonoana, i Tsilavina kosa no nanatanteraka rehefa nentin-katezerana tamin’ny nandroahan’ny raim-pianakaviana mpampiasa azy. Nosamborin’ny Polisin’i Vatomandry tany ambanivohitry ny Distrika Antanambao Manampontsy i Tsilavina.

Natao tsy ankiteniteny ny fanaterana azy roalahy teny amin’ny Fitsarana noho ny hatezeran'ny olona sasany te-hanao fitsaram-bahoaka azy roa lahy ireo.

 

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2