Filtrer les éléments par date : lundi, 01 avril 2019

Niatrana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy 30 martsa teo, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nahitana ireo « Spécialistes » avy amin’ ny hopitaly lehibe eto an-drenivohitra handray an-tanana ny fizahana ara-pahasalamana ireo vehivavy Malagasy nijaly tany ampilana ravinahitra any Koweit ka nampodiana an-tanindrazana.

Nisy 46 ny andiany voalohany tonga, raha tsy misy ny fiovana dia rahampiso talata 2 aprily ny andiany manaraka.
Nilamina ny fandraisana an-tanana teo amin’ny fizaham-pahasalamana ka hita fa nisy tokoa ireo niharan’ny herisetra isan-karazany ka mila fanaraha-maso akaiky ary natoby amina toerana efa voaomana ho an’izany.

Publié dans Vaovao

La nuit du samedi à dimanche, hier La France a basculé à l'heure d'été.

Le décalage entre Madagascar et la France est de 1heure.
(18h30 à Madagascar, 17h30 en France).

Le parlement européen a voté pour la fin de ce système de changement d'heure en été et en hiver à partir de 2021.

 

 

Publié dans Fil info

Taorian'ny fanadiovana ireo faritra maloto eto an-tampotanan'ny Toamasina, dia nizara fanafody mamono bibikely sy kongona, manerana ny fokontany 138 ny kandida ho Solombavambahoanka, avy amin'ny vondrona « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina », Irmah Naharimamy.

Namafisiny tamin'izany ny fanentanana ny rehetra hitandro isan'andro ny fahadiovana, izay mitondra fahasalamana, no manatsara endrika ny tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Mandratra, ary mampidi-doza mihitsy ity tetezana eto amin'ny lalam-pirenena faha 10 eto antampo-tanànan'ny Tsihombe ity.

Asa efa natomboka tamin'ny naha depiote teo aloha an'i Masy Goulamaly ity fotodrafitrasa ity, ary izy mihitsy no nirotsaka manara-maso ny famitana ny asa, ametahana arofanina izay nisy naka teo aloha.
Efa vita tanteraka moa izao ny asa.

Tonga nitsidika ity lehilahy nianjera avy eny ambony tetezana ity moa izy, ary nankahery azy.
Efa salama tsara izy izao.

Masy Goulamaly moa dia kandida tsy miankina ho Solombavambahoaka eto Tsihombe, hanoy ireo ezaka rehetra efa nataony, tamin'ny naha depiote azy teo aloha.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Any Sénégal hatry ny omaly alahady 31 martsa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Hanome voninahitra ny lanonam-panjakana hanaovan’i Macky Sall fihanianana, taorian’ny nahavoafidy azy fanindroany ho filohan’i Sénégal i Andry Rajoelina.

Nahazo fanasana manokana hanome voninahitra ny fetim-pirenenan’i Sénegal ny 4 aprily ho avy izao ihany koa i Andry Rajoelina, izay filoham-pirenena zandriolona indrindra amin'ireo amperinasa aty Afrika.

Nitsena ny fahatongavan’i Andry Rajoelina teny amin’ny seranam-piaramanidina, Leopold Sédar Senghor, ny filoha senegaley Macky Sall.

Fiaramanidina, mitondra ny laharana any Turquie (TC-TSR) no nitondra ny delegasiona malagasy tonga tany Sénégal.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Famaliana ny antso nataon'ny avy amin'ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolotsaina, dia nanatanteraka ny adidiny ireo mpiasa eo anivon'ny seranam-piaramanidina eto Antalaha, nanadio ny manodidina, sy ny lalana mihazo an'izany toerana izany.

Velon-taraina moa ny mponina aty andrenivohitry ny lavanila fa tsy misy sidina avy amin'ny Air Madagasikara na ny Tsaradia, fa ireo fiaramanidina hofain'olon-tokana ihany no midina eto Antalaha, nefa tsy mena mitaha amin'ny seranana hafa aty amin'ny faritra ny misy eto an-toerana.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hanamarihana ny 30 taona nilomanosan’ny Tarika REBIKA tao anatin’ny habaky ny kanto ity rakikira vaovao be ity. Anatin’ny fanomanana azy io ny tarika amin’izao, ary hivoaka tsy ho ela ho an’ny mpankafy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

CEPE : 27 aogositra 2019 

BEPC : 9 hatramin’ny 12 septambra 2019
Bakalôrea : manomboka 30 septambra 2019.

Mifarana amin’ny 3 mey 2019 ny fandraisana ny fisoratanana ho an’ny CEPE, hifarana amin’ny 19 aprily 2019 kosa ho an’ny BEPC.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 01 avril 2019 09:28

1 avril

Journée internationale de la blague.

 

Publié dans Fil info

Omaly alahady 31 martsa dia niaraka nifanakalo hevitra tamin'ireo solotenan'ny mponina teny Ambohipo sy Ambolokandrina ny kandida sy ireo iray lisitra aminy, avy amin'ny Tiako i Madagasikara, Randrianarisoa Stanislas na Rastany, depiote teo aloha voafidy tao Antananarivo faha-2.

Tsy nisorona ireto mponina ireto nilaza ny maharary azy ireo, sy ny fanarenana ilaina, ireo zava-bita mila tohizana, izay ny Solombavambahoaka no afaka miady izany, na amin'ny fanaovana ny Tetibolam-panjakana, na ny fanaraha-maso ny asan'ireo mpanatanteraka, na ny fampiasana ireo vola mivantana tantana'ny Solombavambahoaka momba ny fampandrosoana mivantana ny Faritra, na CLD (Comité Local pour le Développement), misy tetibola eo amin'ny 200 tapitrisa Ariary isaky ny Distrika (Isaky ny Boriboritany ho an'Antananarivo Renivohitra) hanaovana asa fampandrosoana, raha ny teti-bola farany teo.

Nisy moa ny fiaraha-misakafo ho nofo-kena mitam-pihavanana. 
(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique