Filtrer les éléments par date : samedi, 09 mars 2019

Teto Mahajanga no ivon'ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hankalazana ny zon'ny Vehivavy ny 8 marsa 2019 tao anatin’ny lohahevitra "Ny adidy sy andraikitrin'ny vehivavy ho fampandrasoana ny firenena" tamin'ity taona ity.

Publié dans A la Une

Hisedra fanindroany ny safidim-bahoaka i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, depiote Tiako I Madagasikara (TIM), voafidy tao Antananarivo faha- 2. Mbola i Rastany no hitarika ny lisitra TIM ao Antananarivo faha- 2 amin’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny 27 mey 2019.

Androany izy sy ny mpiray lisitra aminy no nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny OVEC Antananarivo faha-2.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nametraka ny taratasy firotsahan-kofidiany ho Solombavambahoaka tao amin’ny OVEC Ambositra i Pr Rasoazananera Marie Monique. Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika nandritra ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izy, mpampianatra mpikaroka.

Filoha lefitry ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara i Pr Rasoazananera Marie Monique, fa tsimiakina kosa izao hirotsahany hofidiana depiote eto Ambositra izao.

 

Publié dans Tselatra

Mpanatontosa ilay horonan-tsarimihetsika « Malaso » i Tovondrainy René Fulgence, mpampiofana ihany koa.

Hirotsaka hofidiana solombavambahoaka ato Ihosy, kandida tsimiankina, ary izy no nisantatra ny fametrahana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC Ihosy.

 

Publié dans Tselatra

Androany i Rakotondrasoa Justin, izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Justin Vali eo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika, no nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany ho Solombavambahoaka teo anivon’ny OVEC Andramasina.

Nahazo ny loka « Grand Prix de la musique traditionnelle » teo amin’ny sehatry ny mozika i Justin Vali tamin’ny 2006.

 

 

Publié dans Tselatra

Manomboka miakatra ny feo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy manoloana ny fandrarana ny fikapana, fitaterana ary fanondranana hazo sarobidy araka ny Naoty navoakan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy tamin’ny 29 janoary 2019.

Hatramin’ireo ravin-kazo sy zava-maniry any anaty ala sy eny an-tanimbary, sy ireo fanaka vita amin’ny hazo aza dia voarara tsy mahazo mivezivezy raha tsy izany hogiazana avy hatrany.

Dia halevina amin’ny inona izany ny razana raha tojo fahoriana aty aminay, hoy ny mponina aty atsimo, satria ny vatapaty aty aminay dia amboarina amin’ny hazo mafy avokoa, hoy izy ireo: na amboarina amin'ny manary na mendoravy na voamboana (palissandre). Ireo hazo ireo anefa dia azo lazaina fa hazo masina aty atsimo satria ireo no andevenana, izao anefa sakanana.

Publié dans Tselatra

Hiala ao amin’ny Antenimierandoholona Anosikely ary hiakazakazana ho eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza i Fernand Jeannot. Hirotsaka amin’ny anaran’ny vovonana “Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina” ato Ambotoboeny izy amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 27 mey 2019.

Dokotera mpitsabo, efa lehiben’ny Faritra Betsiboka (2004-2008) tamin’ny fitondrana Ravalomanana i Fernand Jeannot ; Senatera Tiako i Madagasikara voafidy tao amin’ny Faritra Betsiboka (2008-2009), efa mpikambana tao amin’ny Conseil Supérieur de la Transition (2010-2012). Mpikambana tao amin’ny Birao politika ary filoha lefitra nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara.

Voafidy ho Senatera tamin’ny lisitra Tiako I Madagasikara tao amin’ny Faritanin’i Mahajanga indray ny nanomboka ny taona 2016, ary izao mirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka amin’ny anaran’ny vovonana “Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina” izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nahagaga ny fianakaviamben’ny fampianarana aty amin’ny fari-piadidian’ny fampianarana aty Analalava ity fanesorana tompon’andraikitra maromaro antenantenan’ny taom-pianarana ity. Amin’izay indray olona tsy manana andraikitra amin’ny fampianarana no seriny amin’ny fitondrana ny taratasy famindran-toerana sy mitondra ireo vaovao nasolo toerana ireo nesorina.

Maro no mihevitra fa antony politika no ambadik’izao fanovana faobe izao, izay mitranga indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao.

 

Publié dans Tselatra

Manana hatramin’ny 8 aprily 2019 ireo efa mijoro hanarahana ny fenitra na ara-taratasy io na ny foto-drafitrasa, dila io fe-potoana io ka tsy voahaja ny fenitra dia mety hiitatra amin’ny fanasaziana, eny hatramin’ny fanakatonana ireo hotely sy fandraisam-bahiny izany.

 

Publié dans Tselatra

Manatanteraka asa fitsaboana ao Antsirabe, ny 16 febroary ka hatramin’ny omaly 8 martsa ny Distrika 9220 ao amin’ny Rotary International. Marary 35.000 no notsaboina tamin’ny asa nataon’ny Rotary tao Antsirabe, ary mpitsabo 18 sy mpilatsaka an-tsitrapo 14 no nanatanteraka izany.

Nihaona tamin’ny Praminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo ny mpitarika ity vondrona ity niresaka ny sehatra hiaraha-miasa ho tohin’io asa tao Antsirabe io.

Rehefa nijery ny toerana fitsaboana nify tao amin’ny hopitalin’Antsirabe mantsy ity vondrona ity dia nangataka fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahasalamana, izay hiompana indrindra amin’ny fanatsaràna izany toerana izany, ka ny governemanta Malagasy no hiandraikitra ny fanavaozana ny trano, ary ny Rotary kosa no hanolotra fitaovana.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2