Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 mars 2019

Naoty navoakan'ny ministeran'ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana tamin'ny fiandohan'ity volana martsa ity no manendry ireo mpisolotoerana ireo lehiben'ny Faritra nesorina tamin'ny 16 febroary 2019, mandra-panendry ireo Governoran'ny Faritra.

 

Publié dans Politique

Nitondra fanazavana androany ny ministeran'ny raharaham-bahiny Malagasy mandiso ny vaovao nivoaka an-gazety teto Magasikara, ka manamafy fa anaty garazy ao amin'ny toeram-ponenan'ny ambasadaoro ao 1 boulevard Suchet, 75016, Paris ilay fiara marika Mercedes modely 350d mitondra ny laharana EV-903-FF izay fananan'ny ambasadin'i Madagasikara rahateo.

 

 

Publié dans Tselatra

Kandida tsy miankina izy ary ny Talata teo no tafapetraka teo anivon'ny OVEC Morondava ny dosieny.

 

 

Publié dans Tselatra

Androany alakamisy 7 martsa atoandro no nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany ho solombavambahoaka teo anivon'ny OVEC Toamasina I i Rakotomalala Henri na Riri-Be sy ny ekipany.

Ny antoko AKFM-Fanavaozana no nanolotra azy ho kandida.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Izy no handimby toerana ny Pr Dr Velo Jérôme, ity farany izay nahavita taom-piasana roa.

Notanterahina tao Barikadimy ny alarobia 6 martsa ny fifidianana.

Talen'ny sampam-pianaran'ny oniversite any Fenoarivo Atsinanana i Dr Zafitody talohan'izao nahavoafidy azy ho filohan'ny Oniversiten'i Toamasina izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nakarina tetsy Anosy nohenoina teo anivon’ny Fitsarana manokana miady amin’ny trafika ny hazo sarobidy i Maminirina Jean Eddy omaly. Nandritra izany no nangatahany fahafahana vonjimaika sy mba hafindra fonja. Naverina any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy izy taorian’izay.

Teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara eo amin’ilay toeram-pivarotana lehibe La City Ivandry-Antananarivo no nisamboran’ny Polisy an’i Maminirina Jean Eddy ny tolakandron’ny 12 febroary 2019 rehefa namoahan’ny Fitsarana manokana miady amin’ny trafika ny hazo sarobidy didy fampisamborana.

 

Publié dans Tselatra

Voaloa efa amam-bolana ny saram-pisoratanana anarana nefa ny fianarana tsy misy. Mitaraina ny mpianatry ny Institut Supérieur de Technologie (IST) Antsiranana satria nigrevy nanomboka tamin'ny volana desambra 2018 ny mpampianatra ary mihantona nanaraka an’izay koa ny fianarana.

Eo amin’ny mpitantana ny oniversite sy ny mpampianatra no mipetraka ny fifanolanana, ka ny mpianatra no very fanahy ary manontany tena rahoviana ihany no hisy fianarana.

Miantso ny ministera mpiahy ny mpianatry ny IST-D hamaha ny olana mampikatso ny asa pedagôjika ato amin’ity sekolim-panjakana ity.

 

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 07 mars 2019 12:35

07 Marsa

Anio i Madagasikara no mankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fahenoana.

Ankalazaina manerantany isaky ny 8 martsa ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fahenoana.

 

Publié dans Tselatra