Filtrer les éléments par date : dimanche, 31 mars 2019
dimanche, 31 mars 2019 12:15

Finoana Katolika: Inona ny Batemy

Ny Batemy dia iray amin'ireo Sakramenta 7

Ireo Sakramenta Fito:

- Ny Batemy (Baptême)
- Ny Eokaristia (Eucharistie)
- Ny Fankaherezana (Confirmation)
- Ny Fampihavanana (Sacrement de réconciliation, appelé aussi sacrement de pénitence)
- Ny Fanosorana ny marary (Onction des malades, appelée aussi sacrement des malades, anciennement extrême-onction)
- Ny Fanambadiana Kristianina (Mariage)
- Ny Filaharana (Ordination, fanamasinana Pretra)

"Ny Batemy masina no fototry ny fiainana Kristianina manontolo, tokonam-baravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy (vitae spiritualis ianua), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no nafahana tamin’ny fahotana sy nateraka indray ho zanak’Andriamanitra, manjary rantsambatan’i Kristy sy voakambana ho vatana iray amin’ny Fiangonana ary natao ho mpandray anjara amin’ny fanirahana azy: “Ny Batemy no sakramentan’ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny rano sy amin’ny teny”" (Fanazavan'ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika).

Publié dans Editorial