Filtrer les éléments par date : jeudi, 28 mars 2019

Ny fanapahana laharana faha-32/CENI/2018 tamin’ny 27 martsa 2019 no nametraka ny isan’ny birao fandatsaham-bato ho 25 365 mandritra ny fifidianana Solombavambahoaka, izay hotanterahina ny alatsinainy 27 mey ho avy izao.

Nitombo 513 araka izany ny isan’izy ireo raha oharina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taon-dasa. Ny fitombon’ny mpifidy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana tamin’ny fanavaozana farany teo no anton’io fiakarana io, araka ny fanazavan’ny CENI. Feran’ny lalàna ho 700 tokoa mantsy ny isan’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray, araka ny andininy faha-125 andalana faha-4 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018.

Publié dans Politique
jeudi, 28 mars 2019 13:36

Drôles de prisons malagasy

Dans quel type d’Etat vivons-nous ? 

Publié dans A la Une

Io misandratr'andro io dia midonaka ny afo, ateraky ny hai-trano eo akaikin'ny EPP Ambodin'Isotry, izay fokontany Andranomanalina Isotry moa no tena misy ity trano may ity.

Mbola tsy fantatra hatreto ny niandohan'ny afo, mananosarotra ny fidiran'ny mpamonjy voina sy mpamono afo amin'ny mahatery ny lalana miditra ao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Tale misahana ny INFP (Institut National de Formation Pédagogique) Ramarolahy Albert. Efa nitazona io andraikitra io ity farany. Efa solombavambahoaka voafidy tao Fandriana, efa mpikambana tao amin’ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy).

 

Publié dans Tselatra

Efa Tale tao amin’ny BNGRC i Kolonely ELACK Olivier Andriakaja tamin’ny andron’ny tetezamita. Izy izany no mandimby an’i Venty Thierry amin’io toeran’ny Sekretera mpanatanteraka io.

Rafitra eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Atitany ny BNGRC, na birao nasionaly misahana ny loza voajanahary.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 28 mars 2019 11:38

Académie Militaire Antsirabe

Voatendry ho Kaomandy vaovao ny Kolonely Ramanankavana Jean Henri José

Izy no handimby toerana ny Jenerely Ramasy Razafindratovo Heritiana.

 

Publié dans Tselatra

Ny Vatican dia fanjakana (Etat), fa tsy pays ka hoe membre ONU.

Fanjakana tsy miankina amin'ny fanjakana Italianina, na ao anatin'ny Italia aza ny toerana misy azy ara-jeografika, nisy fifanarahana tamin'ny taona 1929 teo amin'ny fanjakana Italianina sy ny Eglise Catholique romaine, ny hitsanganan'ny Fanjakana Vatican (Etat de la cité du Vatican).

Tany kely indrindra maneran-tany izy raha fanjakana no jerena satria dia 0.49Km² fotsiny ny tany misy ny Cité du Vatican, ary mponina vitsy indrindra 800 (taona 2017).

Ireo Katolika maneran-tany kosa no mandrafitra izany fanjakana izany, sy ireo mpino Katolika efa mahoatra ny 1,228 miliara ny isan'ireo vita Batemy ny taona 2012.

Ny Papa no Filoham-panjakana no sady lehiben'ny Fiangonana Katolika.
Ireo Kardinaly 226 maneran-tany no mpiara-miasa akaiky aminy sady mpanola-tsaina. Anisan'izany ny antsika eto Madagasikara, ny Kardinaly Monseigneur Désiré Tsarahazana.

Publié dans Editorial

Le Chef de la diplomatie malagasy, Naina Andriantsitohaina, a annoncé à son homologue marocain Nasser Bourita, en marge de la session de la commission mixte de coopération Maroc-Madagascar, le souhait de la mise en place d’une représentation diplomatique malagasy au Maroc.

Le Royaume du Maroc a, sur le sol malagasy, et depuis de longues années, une ambassade à Antananarivo.

 

Publié dans Fil info

C’est une aide non remboursable pour la fourniture de matériel audio-visuel et de technologie de pointe à la chaîne nationale Televiziona Malagasy (TVM) pour remplacer les matériels de diffusion, de production et de montage existants.

Le projet inclut également le partage de contenus médiatiques japonais que la TVM pourra diffuser sur sa chaîne. Ce projet contribue à l’amélioration de la qualité des émissions de la TVM et à l’élargissement de l’accès à l’éducation par le biais de la télévision.

 

Publié dans Fil info

Jiolahy 16 no voasambotry ny Zandary tao amin’ny Fokontany Beravina Analavory, Distrika Miarinarivo ny talata 19 marsa teo ka vehivavy ny 04 amin’ireo. Fanafihana mpivarokena iray sy ny vadiny, izay nitranga ny harivan’io talata io no antony nisamborana azy ireo.

Namono omby maromaro ity mpivarokena ity ka nijanona hariva tao ampivarotana izy niandry ireo hena ho lany. Rehefa nandeha nody izy mivady no nisy nanakana ny posy nitondra azy ireo, sady nandrahona : "aiza ny vola ?".

Nanampoaka basy ireo olon-dratsy ary nitifitra rehefa tsy nanome ny vola ilay mpivarokena, ka teo amin’ny kibony sy ny foto-tsofiny havanana no voa. Avy hatrany dia nomen'ilay vehivavy vadiny kosa vola mitentina 9.000.000 Ariary rehefa nahita ny fahavoazan’ny vadiny izy.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2