Filtrer les éléments par date : mercredi, 27 mars 2019

Nambaran’ny Solontenan'ny Fiketrahana masina monina sy mipetraka eto Madagasikara, teo amin'ny Nonciature Ivandry, androany Alarobia 27 marsa tolakandro fa hanao fitsidihina apostolika eto Madagasikara ny Papa Ray Masina François, ny 6 ka hatramin'ny 8 septambra 2019.

Publié dans A la Une

Tsy niandry ela ny minisitry ny Fitsarana, taorian'ny famoahana vonjy maika an'i Manantena Hajanirina Dina, nampihantona amin'ny asany ireo mpitsara 4 ao amin'ny Fitsarana ambony Toamasina, tamin'ny fanomezan'izy ireo fahafahana vonjy maika ity kandida mpisolotoerana ho solombavambahoaka any Ifanadiana ity.

Raha ny lalàna moa dia tsy azo iverenana intsony ny didy navoakan'ireo mpitsara ireo, raha tsy misy antom-panenjehana hafa, ankoatra ny efa anenjehana azy izao.

Ahiana ho atidoha nikotrika ny fankana an-keriny an'i Armane Kamis tao Toamasina i Manantena Hajanirina Dina, ary voarohirohy ihany koa tamin'ny fakana an-keriny an'i Shane Kourdjee tao Antsirabe. Mbola miriaria any izy izany hatreto.

Re ihany koa fa ho any Toamasina rahampitso ny minisitry ny Fitsarana.

 

Publié dans Tselatra

Dans son communiqué en date du 26 mars 2019, la Haute Cour Constitutionnelle a fait un rappel aux candidats aux élections législatives du 27 mai 2019 que la période de la campagne électorale a été fixée par le décret n°2019-059 fixant les modalités d’organisation des élections législatives, du lundi 6 mai 2019 à six heures au samedi 25 mai 2019 à minuit.

Que tout usage des moyens de propagande électorale prévus par l’article 92 de la loi organique N°2018-008 relative au régime général des élections et des référendums est interdit avant l’ouverture officielle de la campagne.

Publié dans Politique

Andiany faharoa ity hetsika ity, ka ny hotely Plumeria no mpikarakara amin'izany. Tanjon'ny hetsika dia ho fampahafantarana ireo vokatra fromazy misy aty Vakinankaratra, ka hisy ny fandraisan'anjaran'ireo orinasa goavana toy ny Tiko SA sy ny Socolait ary ireo mpamokatra madinidinika manana vokatra tsara.

Ahitana mpamokatra fromazy be dia be ato Vakinankaratra, manomboka ao Ambatolampy izany ka hatrany Betafo, mandalo an’i Faratsiho, izay mamatsy orinasa goavana sy tranombarotra maro any Antananarivo sy ny faritany hafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Naverina eny Antanimora ny filoha nasionalin’ny antoko Tambatra taorian’ny nihainoan’ny Fitsarana azy omaly. Amin’ny 2 aprily 2019 no hivoaka ny didim-pitsarana.

 

Publié dans Tselatra

Teto amin'ny Kaominy Ankilivalo ny kandida ho Solombavambahoakan'ny Tsihombe sy ireo mpanotrona azy, namangy ireo mponina sady mbola nanamafy ny fangatahana Tsodrano tamin'ireo Olobe an-tanàna.

Tonga ihany koa nanangana ny komity mpanohana ny kandida laharana faha 6 eto Ankilivalo Distrikan'ny Tsihombe.

Marihina fa ity Kaominy ity dia mbola vaovao, satria i Masy Goulamaly, fony izy Solombavambahoakan'ny Tsihombe teo aloha, no nangataka ny hisian'ny Kaominy roa vaovao, i Behazomanga sy Ankilivalo, ary tonga dia nahazo birao vaovao sy ny fitaovana ao anatiny.

Publié dans Politique

Nanoratra taratasy fialantsiny amin’ny Mpitondra fanjakana sivily sy Miaramila i Abdoul Hady, filohan’ny FSM (Fikambanana Silamo Malagasy), omaly, manoloana ireo taratasy fampihorohoroana tonga tany amin’izy ireo, izay nitarika ny fanafoanana tamin’ny ora farany ny fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana, tokony ho natao tao amin’ny Mosquée 67 Ha Atsimo Andrefana, ny andron’ny zoma 22 martsa lasa teo.

Foiben’ny Fikambanana Silamo Malagasy ny Mosquée 67 Ha Atsimo Andrefana, ary maro ireo manampahefana izay efa tonga teny an-toerana tamin’io andro io.

Publié dans Vaovao

Nosantarina teto Tsiroanomandidy ny fankalazana io taon-jobily faha-200 taonan'ny sekoly FJKM io.

Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina, no filohan'ny komitin'ny fankalazana. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny filohan’ny Repoblika, ny 26 martsa 2019, mangataka ny hevitry ny HCC mikasika ny mampety na tsia ny fampiasana ny sary famantaran’ny vondrona antoko «Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry RAJOELINA» mandritra ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 27 mey 2019.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 27 mars 2019 08:37

27 mars

Journée Mondiale du théâtre.

 

Publié dans Fil info