Filtrer les éléments par date : mardi, 26 mars 2019

Nandefa taratasy any amin’ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, tamin’ny 14 martsa 2019, mampita ny fangatahan’ny Masoivohon’ny firenena Italiana eto Madagasikara ny hamindrana toerana any Antananarivo Renivohitra ilay sary vongana vita amin’ny « tsy » na « statue en acier inoxydable » napetrak’i Carlo Mo mitondra ny anarana « Al Portatore Malgascio », ao amin’ny Kaominina Andrakata, Distrika Andapa, Faritra SAVA tamin’ny taona 1970 sy 1971.

Izao famindran-toerana izao no atao, araka ny taratasy hatrany, dia mariky ny fiaraha-miasa sy ivontoeran’ny fifankatiavan’ny firenena roa tonta ao an-drenivohitra.
Vonona ny Masoivohon’ny firenena Italiana eto Madagasikara hanonitra ny solon’io sary vongana io araka izay ifanarahana amin’ny mponina aty Andapa.

Publié dans Art et Culture

Nanery tambanivohitra iray handoa vola, izay voalaza fa nahatratraran'izy ireo rongony no niandohan’ny raharaha.

Ny Alarobia no noterena ilay olona handoa vola, rehefa nohidiana tao anaty « violon » natao « garde à vue », ary ny alakamisy vao navotsotra.

Ny Zoma no voafandrika ireo Zandary rehefa niverina haka ny ampaham-bola araka ny fotoana nifanaovana. Nitondran'ilay olona Bianco mantsy izay nametraka ny velapandrika rehetra tamin’ny fotoana handoavana ny ambim-bola ka tra-tehaka ambodiomby ireo Zandary.

Publié dans Tselatra

Ny Fitsarana Ambony Toamasina no namoaka ny didy, nanome fahafahana vonjimaika an’i Manantena Hajanirina Dina, omaly, na dia nanao fanakanana aza ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.

Publié dans A la Une

Hotanterahina any Egypta ny 31 martsa hatramin'ny 11 aprily ny lalao hiadiana ny tompondakan’i Afrika taranja volleyball.

Nanome tso-drano ireto solontenan'i Madagasikara ireto ny filoha Andry Rajoelina mba hitondra amboara mody, ary nanome fanampiana mitentina 150 tapitrisa Ariary entin’izy ireo hiatrika ny fifaninana any Egypta.

Nanambara ihany koa i Andry Rajoelina fa rehefa hitsangana ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena dia hisitraka fotodrafitrasa manara-penitra ny mpanao fanatanjahantena.

Hisy ny fanaraha-maso sy fanomanana azy ireo, ary hapetraka ny vatsim-pianarana mikasika ny fanatanjahantena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nieren-doza ilay zaza 12 taona. Sendra nialokaloka teto ambony rihana ity zaza ity, izay miandry fiara hanatitra azy any an-tsekoly no indro nianjera tampoka ilay andrin-jiro ny alatsinainy 25 Martsa 2019 tokony tamin'ny 1ora 45min.

Rehefa nojerena dia hita fa efa simba tanteraka ny fototr'ilay andrin-jiro ity ka tsy nahatazona azy intsony.

Nampandrenesina avy hatrany ny Jirama Sambava ary nandefa ireo ekipa nijery ny zava-nisy mba hahafahana manarina ity tranga ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Betsaka ny ezaka natao tamin'ity orinasa ity, ary tsy mora tokoa izany.

Betsaka anefa ny fanatsarana ilaina na eo aza ny ezaka efa vita.
Ny tena ilaina maika, ny famerenana ny fitokisana izany orinasa izany, satria dia tsy misy matoky ny taratasy na entana alefa intsony ny mpanjifa.

Na entana kely 2kg aza dia andoavana vola 200 000 ariary latsaka kely, raha alefa any ivelany, nefa dia 15 andro vao mety ho tonga, express anefa no anarany.

Ireo birao fandraisana olona dia tsy mifanentana amin'ny toe-trandro intsony, ny faritra sasany maizimaizina, na ny hiditra aminy aza mampatahotra, mikorontana.

Marina fa mety resin'ny serasera mandeha aingana toy ny téléphone mobile, ny sms, ny mail, ny messanger sy ny viber ... nefa misy zavatra tsy maintsy ilaina paositra, toy ny fandefasana facture, dossier, carte postale, fandefasana vola izay resin'ny banking money lavitra na lafo aza ny sarany.

Publié dans Editorial

Mitohy hatrany ny asa ataon'i Irmah Naharimamy, kandida ho solombavambahoaka eto Toamasina I.

Manadio ny tanàna eto amin'ny dépôt Anjoma izao maraina izao. 

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique