Filtrer les éléments par date : samedi, 02 mars 2019

Ny mpiray dina "Tsara-miara dia" no nahatratra an'ity dahalo raindahiny ity tao Madirovalo, ary efa natolotra ny Polisy hatao famotorana.

Efa maro ny olona maty novonoiny sy asa ratsy vitany tato anatin'ny Distrika Ambatoboeny.

 

 

Publié dans Tselatra
samedi, 02 mars 2019 17:34

TVM: Miantso vonjy i Karen

Afaka ora iray mahery eo dia tokony hanolotra vaovao amin'ny teny frantsay i Karen.

Izy anefa tsy mpanao gazety, fa Présidente Comité Miss Madagascar.

Ny fanaon'ny TVM anefa dia izay manolotra ny vaovao no manao ny fandikan-tenin'ireo vaovao tamin'ny teny malagasy.

Niantso ny Sekretera jeneralin'i ministera anefa i Karen fa tsy vitany izay fandikan-teny izay, nefa ny mpiasa tsy misy miasa sabotsy avokoa.

Ny teknisianina manao ny enregistrement n'ny vaovao France24, fakana ny vaovao avy any ivelany anefa tsy miasa avokoa.

Izao moa dia vokatry ny fandikan'ny zinga ny rano hatrany, ny mpanolotra fandaharana miantso mivantana ny kabinetran'ny minisitra, toy ny tsy misy tale ao amin'ny TVM. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Mety maro ny tsy hitovy hevitra amiko, fa fahadisoana politika no ataon'ny mpitondra ankehitriny miazakazaka hanao fifidianana deputé io.

Mety hiteny ianareo hoe efa lany daty ny député, ka mila vitaina malaky, na hoe izany ny demokrasia, hanamafisana ny fahalanian'ny filoha, ananany majorité na maro an'isa.

Hevi-diso daholo izany amiko, Madagasikara tsy Europe na Amerika, tsy ny demokrasia any no ampandroso antsika.
Efa nahazo alalana hanao ordonance hisolo toerana ny sénat sy ny député ny filoha, ka inona no tsy ampiasany izany? Lazaina fa dictateur ve? Ka misy lalàna mila miova, tsy mila ady hevitra sy kolikoly feno ao amin'io deputé io. Izay lany vaovao eo ve dia anjely indray ka tsy hisy malety intsony?

Betsaka ny nanakiana ahy tamin'ny zaho niteny fa tapitra hatreo ny mission nomena ny PM, betsaka ny tsy nahazo ny tiako ho lazaina.
Raha anatanteraka ny velirano IEM dia tsy PM nanao mission élection no anankinana ny fitondrana rehefa lany ianao. Safidy moa no nataony hamerina ny PM sy ny minisitry ny ati-tany. Midika izany fa tsy ny IEM no laharam-pahamehana fa hanao élection, izay efa hita io ny daty hanaovana députation.

Publié dans Editorial
samedi, 02 mars 2019 13:31

Tontolo iainana

Lasa namboly hazo any Moramanga ny Filoha Andry Rajoelina

 

Publié dans Tselatra

Tao Manakara no nahitana farany an'ity tovolahy teratany sinoa Jia Keming ity tamin'ny 4 febroary 2019. Tsy nahazo vaovao momba azy ny ray aman-dreniny sy ny havany taorian'izay.

Tovolahy ranjanana mirefy 1,82 m i Jia Keming.
Afaka miantso ny 034 26 000 00 izay manam-baovao momba azy, na hanatitra azy amin'ny manampahefana.

 

Publié dans Tselatra

Kamiao tokony hanatitra solika ho an'ny JIRAMA any Vangaindrano sy Vohipeno no nisy nanodina tao Antanakidy - Manakara, nitrohana solika.

Tratra ambodiomby ireo mpitsikombakomba amin'izao halatra izao rehefa nahazo fampandrenesana ny Zandary sy ny sefo sekteran'ny Jirama Manakara.

Barika kely miisa dimy efa feno, miampy siny plastika roa no tratra. Miavaka amin'ny loko mena ny solika an'ny JIRAMA, koa tsy afa-niala ireo mpangalatra.

Publié dans Vaovao
samedi, 02 mars 2019 10:39

Maroantsetra: Nandratra ny moto

Nanararaotra ny ampahan-dalana tsara ireo mpitondra moto ka mirimorimo fandeha ka nitera-doza, toy ny nitranga io maraina io.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
samedi, 02 mars 2019 10:36

Vontovorona: No comment

Vontovorona: No comment.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info