Filtrer les éléments par date : jeudi, 14 mars 2019
jeudi, 14 mars 2019 13:03

Madagascar: Une Nation en perdition

Il n’y a rien d’étonnant à ce que nos terres, notre patrimoine, soient de plus en plus accaparées par des étrangers. Pour certains, cette situation est la conséquence de la « mondialisation », pour d’autres les bailleurs de fonds de Bretton Woods sont des partenaires « incontournables » pour la santé de nos finances « publiques » !!!

Mais la majorité des Malgaches/Malagasy semblent de plus en plus sceptiques face à leur pauvreté grandissante, 77% d’entre eux ne gagnent même pas 2 dollars par jour (source la Banque Mondiale, 2018).

Nos politiciens ont cette fâcheuse habitude de charger de tous les maux la Colonisation, comme si eux-mêmes étaient exempts de toutes fautes et autres erreurs d’appréciation.

A titre d’exemple l’étatisation militarisée de 1975-1985 était-il nécessaire de l’accoupler avec le socialisme ? Sans être des experts, beaucoup de Malgaches/Malagasy ont, à juste titre, nommé la Révolution socialiste d’être à l’origine de leurs malheurs.

Publié dans Editorial

Manoloana io dia nampiaka-peo ny fianakavian’i Totozafy Vincent namoy ny ainy teo amin'ny faha-23 taonany, izay namela kamboty roa ka telovolana ny farany. Nanaitra ny fianakaviana fa tsy nogiazana “fourrière” ny fiara Sprinter nandona ka nafaty ity tovolahy ity.

Nangataka raharaham-pihavanana ka hiantoka ny lany rehetra tamin'ny fandevenana ny maty ny nahavanon-doza, hoy ny fianakavian’ny maty, ka nomena lalana izy ireo handeha hijery ny vola hanonerana ny lany mialohan’ny hitondrana ny razana any Antsirabe Nord, handevenana azy ampasan-drazana, kinanjo nandeha dia tsy niverina intsony izy ireo, ka tena gaga izahay manoloana izany fihetsika izany hoy ny fianakaviana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Christophe Tsiliva Diddiot no tena anarany, fa i Tsiliva no nahafantaran’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Ny fiandohan’ny tolakandron’ny talata 12 martsa izy no tonga nanatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany ho solombavambahoaka amin'ny anaran'ny « Isika rehetra miaraka @ Andry Rajoelina » teo anivon’ny OVEC Morondava.

Enina aminy hatreto ireo kandida efa nametraka dosie teo anivon’ny OVEC.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Telo ny kandida nifaninana ho filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, dia i Pr Randrianirina Jean Baptiste, Pr Tiandaza Odilon ary Pr Rajaonarison Jean François.

Pr Tiandaza Odilon no hitantana indray ny Oniversiten’i Mahajanga mandritra ny telo taona haharetan’ny taom-piasana.

Miandry ny didim-panjakana raisina amin’ny filankevitry ny minisitra ny fanamafisana ny fahalaniany mialoha ny handraisany fahefana feno.

 

Publié dans Sociale

Ny alatsinainy 11 martsa no tafapetraka teo anivon’ny OVEC Ambanja ny antotan-taratasy firotsahan-kofidian’i Bakary Aly amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 27 mey 2019.

Filohan’ny TIM K25 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo i Bakary Aly.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Solombavambaohoakan’i Tsihombe farany teo i Marie Goulamaly. Tapa-kevitra ny mbola hanohy eny Tsimbazaza izy ary mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana. Efa eny anivon’ny OVEC Tsihombe tamin’ny zoma 8 martsa, nankalazana ny Andron’ny vehivavy manerantany, ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ramasovelomanjakanirina Lindberg Chris Yves, tanora mpianatra tao Barikadimy Toamasina, no kandidan’ny vovonana « Isika rehetra miaraka an’i Andry Rajoelina » ato Marolambo.

Tafapetraka ny Alatsinainy 11 martsa 2019 teo anivon’ny OVEC ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany ho solombavambahoaka ato amin'ny Distrikan'i Marolambo.

Fanindroany hisedrany ny safidim-bahoaka izao satria efa nirotsaka hofidiana depiote i Chris Yves tamin’ny 2013 saingy tsy lany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Solombavambahoaka farany teo tato Ifanadiana i Razafindrafito Lova Paupil. Nanao fanambarana tao amin’ny pejy facebook ny tenany ny alatsinainy 11 martsa milaza fa « nisafidy ny TSY HIROTSAKA ny tenako na dia efa nivonona noho ny antony maro samihafa ».

« Hanasoa hatrany ny Distrika Ifanadiana foana aho ary tsy ho avelako ho kamboty velon-dray ny tananako, ary ialako tsiny raha nandiso fanantenana antsika Vahoaka fa izay mahasoa antsika Vahoaka no katsahiko », hoy izy manohy ny fanambarany.

« Mitsodrano ireo namana sy ny olom-pantatra nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana. aho mba ho tonga amin’ny tanjona irina ».

Voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo na (Haute Cour de Justice) Razafindrafito Lova Paupil.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Mitaraina ireo mpandraharaha hazo eto an-drenivohitry ny faritra Menabe sy ny manodidina votraky ny fandrarana ny fikirakirana hazo taorian’ny Naoty navoakan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy tamin’ny 29 janoary 2019.

Mikatona ny fandrafetan-kazo sy mpanao fanaka, voasazy ny fiara mitondra fanaka vita amin’ny hazo mivoaka an’i Menabe, sahirana ny mpivaro-kazo… nefa fianakaviana 400 eo misy olona hatrany amin’ny 2.500 no tra-pahasahirana vokatr’izany.

Misy aminay no mindram-bola amin’ny banky sy ireny mpampindrambola madinika ireny. Ahoana no hamerenanay ny vola nindramina, hoy ny fitarain’ireo mpandraharaha madinika, ny hazo anefa no fivelomanay, sakafo, fitsaboana, fianaran’ny zaza.

Publié dans Economie

Nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’i Bealanana i Volahaingo Marie Thérèse, minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa, ao Toamasina I kosa i Lucien Irma Naharimamy, minisitry ny Mponina sy fiahiana sosialy ary ny Vehivavy.

Efa samy solombavambahoaka izy roa vavy ireo tamin'ny fifidianana natao ny 20 desambra 2013 ka i Lucien Irma Naharimamy voafidy tamin'ny lisitra MAPAR tao Mahanoro ; tamin'ny anaran'ny antoko Malagasy Miara-Miainga kosa no nahavoafidy an'i Volahaingo Marie Thèrese tao Bealanana.

Samy mirotsaka amin’ny anaran’ny vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izy ireo amin'ity indray mitoraka ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2