Filtrer les éléments par date : mardi, 05 février 2019

Reharehan’ny faritra Menabe ny fananana alan'ny Kirindy na ala faly, izay ao anatin'ny valanjavaboary Menabe Antimena. Tsiriritin’ny vahiny, ary mahasarika mpizahatany maro izy io noho ireo zavamaniry toy ny reniala (baobab) sy biby tsy fahita firy ao aminy.

Potika andro aman’alina anefa izy io, ary mihazakazaka izany fahapotehana izany tato anatin’ny folo taona farany, hatramin’ny 2009, vokatry ny fanapahana hazo voamboana (palissandre), manampy trotraka ny doro ala hanaovana tavy ambolena katsaka toy ny hita amin’ny tapany andrefan'ny lalam-pirenena faha-18 mankany Belo Tsiribihina, lalàna andehanana rehefa mankany Bekopaka, iny lalana misy an'ny « Relai du Kirindy » iny.

Aman-jatony (600 raha kely) ny bolabola voamboana nisy nanapaka tratra tao anatin'io ala io nefa dia faritra arovana misy mpitantana.

Publié dans Sociale

Nanao fampahatsiahivana ny ministeran'ny fizahantany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr'andro.

 

Publié dans Tselatra

Nolanian’ny Loholona tsy nasiam-panovana androany tamin’ny tapakandro maraina ny lalàna 001/2019 tamin’ny 24 janoary 2019 manome fahefana ny Filohan’ny Repoblika hisolo toerana ny Antenimeram-pirenena amin’ny fanaovan-dalàna sy ny lalàna fehizoro 002/2019 ny 24 janoary 2019 mikasika ny fifidianana depiote ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

 

Publié dans Tselatra