Filtrer les éléments par date : samedi, 23 février 2019
samedi, 23 février 2019 22:58

Tsy fandriampahalemana

Nalefa ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo fito voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona roa tao Mahitsy ny 9 febroary teo

Efa maizina ny andro, ny alakamisy teo, vao nivoaka ny didy savaranonando itazomana am-ponja vonjimaika azy ireo. Notazomina teny amin’ny fonjan’Antanimora aloha izy ireo io alina io vao nafindra any Tsiafahy omaly.

Nanokafana fanadihadiana mahakasika ny fahazoana harena tsy ara-dalàna ny Zandary iray mbola amperinasa, hita tamin’ny « caméra de surveillance », nandray anjara tamin’io fanafihana io.

 

Publié dans Tselatra

Androany misandratr’andro no nandao ny tany tao an-drenivohitr’i Frantsa, noho ny aretina nahazo azy, i Ruffine Tsiranana.

Zanaka vavy fahatelo tamin’ireo dimy vavy sy telo lahy zanaky ny filohan’ny Repoblika voalohany, Philibert Tsiranana sy Justine Kalotody izy.

Administratera sivily, i Ruffine Tsiranana. Efa filoha nasionalin’ny antoko PSD (Parti Social Démocrate) izy. Minisitry ny fitsinjaram-pahefana tao amin’ny governemanta Omer Beriziky, tamin’ny tetezamita niraisana ary efa Loholon’i Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Taorian’ny fifantenana ireo ho mpanolotra vaovao an-tsary ao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ato ho ato, nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, mivantana tao amin’ny foiben’ny TVM Anosy tamin’ny tolakandron’ny 19 febroary 2019 dia nandefa iraka ny minisitra, ahitana ny Sekretera jeneralin’ny ministera Ralaimazava Johary Andriamahery sy Tale jeneralin’ny serasera Fanahimanana Hubert Tiaray, miampy mpikambana roa ao amin’ny kabinetrany, miampy an’i Volatahiana Ranaivomanana, Talen’ny TVM teo aloha, manohy ny sivana amin’ny fanaovana « évaluation » ireo nofantenana.

Toy ireny fifantenana tovovavy tsara tarehy sy bikaina (Miss) ireny, ankoatra izay metimety tamin’ny minisitra, no nifantenana ireo ho mpanolotra vaovao an-tsary hiseho amin’ny fahitalavitra ato ho ato ireo, tsy nijerena traikefa na koa fahadisoana arak’asa.

Publié dans Politique