Filtrer les éléments par date : mercredi, 20 février 2019

Vatapaty miisa 58 no nikorontana nisy namaky, ary fasan-drazana lehibe misy sivy no nisy nanokatra. Omaly 19 febroary no nitrangan'izany tao amin'ity Kaominina Anjialabe, Distrika Sambava ity.

Rehefa nataon’ny Fokonolona ny fijerena ifotony ny zava-nitranga tao amin'ny fasana antsoina hoe : Ambosikidihely dia tsy nisy nihetsika ny taolam-paty fa ny vola izay nampanarahana ny maty, fanao amin’iny faritra iny, manomboka eo amin'ny 2000 Ar no midina eo, izay maro tokoa, no lasa avokoa.

Efa nanao ezaka ny tao an-toerana nandamina ireo Razana niparitaka eraky ny fasana.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 20 février 2019 09:05

20 février

Journée mondiale de la justice sociale.

 

Publié dans Fil info

Endrika vaovao maromaro no ho hitan’ny mpijery fahitalavi-pirenena ato ho ato. Niditra an-tsehatra mihitsy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, tamin’ny fifantenana izay ho mpanolotra vaovao manomboka eto.

Publié dans A la Une