Filtrer les éléments par date : dimanche, 17 février 2019
dimanche, 17 février 2019 19:25

Créer de la valeur ajoutée

Bon nombre de Malagasy se sentent « être des victimes », de la Colonisation, de la cupidité de leurs dirigeants, donc ils attendent des secours !

Certains de leurs politiciens se gargarisent des termes « on ne peut pas vivre isolé du reste du monde, on a besoin d’aide et assistance » sans oublier le sempiternel sermon du « rien ne peut se faire sans les bailleurs de fonds » !

Alors pourquoi un pays aussi riche voit la majorité de ses habitants s’appauvrir d’année en année sans guerre ni épidémies à grande échelle ?

Le nombre de la population a été évalué à 7,502 millions en 1975, 10 millions en 1985, 13, 5 millions en 1995, 18 millions en 2005 et 24 millions de nos jours !

Le PIB par habitant a été de 302 US $ en 1975 pour passer juste à 402,09 USD ‎40 ans après.

Publié dans Editorial

Roalahy, teratany sinoa, no tra-tehaky ny tompon'andraikitry ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra eny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato ny sabotsy 16 febroary 2019 raha saika hiondrana, ka nitondra an-tsokosoko tanalahy (calumma pasonii), Lezard (phelsuma quadriocellata) ary Mille pattes (aphistogoniulus).

Notazomina avy hatrany atao famotorana ireo teratany Sinoa ireo, ary tsy maintsy homena ny sazy mifandraika amin'ny fandikan-dalàna izay nataony, araka ny nambaran'i Minisitra Georget Alexandre.

Publié dans Sociale

Omaly sabotsy 16 febroary sahabo ho tamin’ny efatra ora latsaka fahatelony, raha iny nivoka iny ny mpitoriteny avy amin’ny fiangonana FJKM, no nararaotra nanao amboletra nivoaka ireo voafonja eo amin’ny 50 isa eo ho eo, sady nampiasa herisetra sy fitaovana toy ny vato, hazo maranitra eny hatramin’ny amany nafangaro sakay.

Publié dans A la Une

Nanomboka omaly sabotsy 16 febroary 2019 no nivarotra tao amin’ilay tsena vaovao, namboaran’Ambatovy ny mpivarotra eto Moramanga.

Tamin’ny 23 novambra 2017 no nitokanana ity fotodrafitr’asa lehibe ity, ary tonga tany an-toerana nitokana azy ny filohan’ny Repoblika teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Miorina amin’ny velaran-tany 1,3 hektara ity tsena ity, tsena misy rihana, ary heverina ho afaka andraisana mpivarotra miisa 1200. Tafiditra amin’ireo tetikasa novatsian’Ambatovy vola ny fanamboarana ity tsena vaovao eto Moramanga ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Andro fahatelo sady farany hatrehin’ireo klioba efatra mifaninana amin’ny Africa Basketball League Faritra faha-7 ny anio.

15h00 : Smouha Basketball (Egypte) vs Atlético Petróleos de Luanda (Angola).
17h30mn : MAZEMBE (RD Congo) vs COSPN Basketball (Madagascar)

Hiady ny lalao anio, satria hiady ny ho laharana voalohany ireo klioba mifanandrina amin’ny lalao voalohany, ary hiady mba tsy ho gisitra kosa ireo klioba mifanandrina amin’ny lalao faharoa.

Publié dans Sport

Raim-pianakaviana iray, 55 taona, no hita faty androany tsy nisy voamaso roa. Niandry vary tany an-tsaha izy halina no niharan’ny herisetra. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, noloarana ny masony roa.

Tranga tsy fahita teto Manja, Faritra Menabe, ity. Namela mananontena iray sy kamboty roa ity.

 

Publié dans Tselatra

Clément Jaona no handimby toerana an’i Fanirisoa Ernaivo, hitantana ny SMM (Syndicat des Magistrats de Madagascar).

Notontosaina ny zoma 15 febroary 2019 teo ny latsa-bato nifidianana izay ho filohan’ny SMM. Roa no mpifaninana dia i Clément Jaona (Mpitsara mpamoaka didy), kaomisera momba ny lalàna eo anivon’ny Filankevi-panjakana sy Andrianiaina Franklin James Rakotomahanina (Mpitsara momba ny ady ara-bola), miasa eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana, ary efa nirotsaka in-droa miantoana (2013, 2018) ho kandida filoham-pirenena fa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nanapakevitra ny orinasa Airbus ny hanajanona ny famokarana ny fiaramanidina mpitatitra olona lehibe A380.

Tao anaty hotely lehibe iray tany Carcassonne Frantsa ny volana jona 1996 no niketrika voalohany an'ity fiaramanidina lehibe mahazaka olona 550 amina rihana roa ity, ireo mpitantana ny orinasa Airbus, izay nandraisan'ny solotenan'ny kompania fiaramanidina vaventy toy ny amerikanina Delta, Northwest, United, ny eropeanina Air France, British Airways, KLM, Lufthansa, ny aziatika All Nippon Airways, Cathay Pacific, Japan Airlines, Japan Air System, Singapore Airlines ary ny ostralianina Qantas.

Tao anatin'ny vina ny hifaninana amin'ny Boeing B747-400, manana seza 416, ary ny tanjona dia hanana fiaramanidina mahavita 15 000km tsy ankiato, ary ny ampihena 15% ny sandam-pamokaran'ny fiaramanidina.

Publié dans Economie