Filtrer les éléments par date : samedi, 16 février 2019

Le Conseil d'administration de la Kraoma a nommé Rakotomanantsoa Nirina comme Directeur Général par intérim, en remplacement de Jaobarison Randrianarivony conseiller de l'ancien Président de la République.

Il est ancien membre du Conseil Supérieur de la Magistrature, ancien conseiller du Premier ministre Christian Ntsay.

 

Publié dans Fil info

Tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Tanibe, Distrikan’i Mananara Avaratra no nitranga ity habibiana mahatsiravina ity.

Tezitra rehefa tsy nomen-dreniny niteraka azy vola 5000 Ariary, nangatahiny mba hividianany rongony, ilay tovolahy ka nokapakapainy tamin’ny antsy tsy nananany antra ilay ramatoa, ary maty tsy tra-drano afak’omaly alina.

Tezitra ny Fokonolona nahita izao loza mamoafady vitan’ity tovolahy ity ka nisambotra azy, ary dia niharan'ny fitsaram-bahoaka ilay tovolahy dia maty ihany koa.

 

Publié dans Tselatra

15.00 - Petro Atletico (Angola) vs BC Mazembe (RD Congo)

17.30 - COSPN (Madagascar) vs SMOUHA (Egypte)

Lalao izay atao ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.

Tongava maro manohana ny solontena Malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport
samedi, 16 février 2019 09:52

Africa Basketball League

Africa Basketball League: Voka-dalao ny andro voalohany

 

 

Publié dans Sport

Teo amin’ny 800 tapitrisa dolara izany tahirin’ny vola vahiny telo taona lasa, hoy ny Rasolofondraibe Alain Hervé, Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

 

Publié dans Economie

Nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, tetsy amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, ny solontena vaovaon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES) eto Madagasikara, Constantin Grund.

Niompana tamin’ny sehatra maromaro hiorenan’ny fiaraha-miasa mikasika ny fanamby hapetraka momba ny sosialy sy ny toe-karena eto Madagasikara ny dinika. Nohamafisin’i Constantin Grund ny hitohizan’ny asa hahafahany manome tanana eo amin’ny ezaka izay ataon’ny governemanta Malagasy.

Publié dans Politique

« Tsy zakanay intsony ny olana izay misy eto Sambava ka mangataka fanohanana aminareo farmasia izahay manoloana ny ady amin’ny kitrotro », hoy ny solotenam-panjakana nandritra ny fivoriana niarahan’izy ireo ny alakamisy teo, dia omaly zoma 15 fevroary dia tonga namaly ny antso avy hatrany ireo mpivaro-panafody izay notarihin’ny Dr Ranasy Thierry (Pharmacie JANGA) nitondra izay tsirambin’ny tanana avy amin’ireo farmasia rehetra teto Sambava.

Publié dans Vaovao

Nitondra fanazavana ny teo anivon’ny JIRAMA manoloana ny fahatapahan’ny jiro eto Maroantsetra nanomboka alina tamin'ny 8 ora tany ho any. Voalaza fa « noho ny fianjeran'ny taribin-jiro Moyenne Tension iray amin'ny tany any Vodiriana ny alin'ny 15 febroary » no nitarika io tsy fisian’ny herinaratra io.

Efa eo am-panarenana ny fahavoazana ny ekipa teknikan'ny JIRAMA hamerenana ny jiro amin'ny laoniny, ary efa mandeha amin'izao ny herinaratra eto Maroantsetra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Vato kolonjo quartz feno eraky ny tapotanety, dakan'ny alika fotsiny io, dia efa azahoana gidragidra amin'ny Polisy sy Zandary.

Nefa dia vola be io ho an'ny Mpandraraha Malagasy. Ny vahiny avelatsika maka sy mitondra izay tiany, fa ny Gasy tonga dia mpanao bizina sy trafika ary Tsiafahy no miandry azy.

Aoka alalaka, dia ataovy mazava sy maivana ny vola aloa amin'ny fanjakana, aza asiana vesatra ara-taratasy betsaka, fa ho hitanao fa iainga vetivety ny toe-karena. Enjeo ireo mpanao kolikoly sy manararoatra ny mpitrandradraka madinika.

Tsy ny fanjakana no ampandroso ny toe-karena fa ny mpandraharaha omen'ny fanjakana sehatra malalaka handraharaha. Omeo sehatra malalaka izy fa hampiasa olona an-tapitrisany hialana amin'izao fahantrana lalina izao.

Publié dans Editorial

Tsy mbola niverina ny jiro hatramin'izao  maraina  izao. Maizina tanteraka eto Maroantsetra tampon-tanana, izay tampoka tamin'ny olona ihany.

Tsy mbola fantatra mazava ny fototry ny olana.

 
Publié dans Tselatra