Filtrer les éléments par date : vendredi, 15 février 2019
vendredi, 15 février 2019 22:31

Présidence de la République

Rakotomanana Richardson nommé Directeur du Bureau des Doléances.

 

Publié dans Fil info

Androany tamin'ny dimy ora tolakandro no niseho ny loza, izay tombanana ho nateraky ny akoson'aratra (court-circuit) satria mbola tafavoaka tsy nipoaka ny tavoahangin'ny entona fandrehitra.

Trano fonenan'ny Talen'ny orinasa SILAC no nirehitra. Entana vitsivitsy tao ambany rihana no avotra fa ny tany ambóny kosa kila hotohoton'ny afo avokoa.

Mbola tany ampiasana ny olon-dehibe fa ireo zaza sy ny mpanampy no tao an-trano tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza.

Nampihetsi-po ny firaisankinan'ny tanora tao Mangarivotra niaraka tamin'ny mpikambana tao amin'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha, Besetroka, namoaka ireo ankizy tao an-trano.

Publié dans Vaovao
vendredi, 15 février 2019 15:21

Africa Basketball League – Zone 7 : Andro - 1

Toy izao ny fandaharan-dalao anio zoma 15 febroary 2019 tanterahina ao amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.

15.30 - BC Mazembe (RD Congo) vs SMOUHA (Egypte)
18.00 - COSPN Basketball (Madagascar) vs Petro de Luanda (Angola)

 

Publié dans Sport

Namoaka fanambarana tao amin’ny pejiny facebook ny solombavam-bahoakan’i Mananjary teo aloha Anthelme Ramparany fa « Manoloana ny famoahana ny vaovao tsy marimpototra izay miendrika fanalam-baraka amin’ny gazety iray miseho eto Madagasikara, dia hametraka fitoriana eny amin'ny Fitsarana ny tenako ».

 

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 15 février 2019 13:59

Lisi-pifidianana: Hikatona vonjimaika anio

Nanomboka tamin'ny 1 desambra 2018 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ary hikatona vonjimaika anio 15 febroary.

Amin'ny 15 mey 2019 ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana, ary io no hampiasaina amin'ny fifidianana depiote sy Ben'ny tanàna ho avy eo.

 

Publié dans Tselatra

58 hectares de terrains appartenant à l’Etat Malagasy ont été affectés au profit du ministère de la défense nationale. Ils ont fait l’objet de désaffectation dans le cadre du projet de construction de la rocade reliant Tsarasaotra à Ivato.

Ces terrains se sont retrouvés entre les mains de quelques particuliers, au prix dérisoire de 100 Ar le m².

Le conseil des ministres de mercredi 13 février a décidé de restituer les terrains à l’Etat malagasy pour y construire les logements sociaux.

Publié dans Fil info

Ny 11 febroary teo no niseho ny loza. Miandry ny fanampiana avy any Antananarivo izy ireo.

Ireo solontenam-panjakana avy aty an-toerana sy ireo olona mihevitra ny hilatsaka depiote no tonga manatitra fanampiana.

Androany dia tonga nanome tanana nanadio ireto tanora mpanabe olon-tsahala.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
vendredi, 15 février 2019 12:34

15 février

Journée internationale du cancer de l’enfant.

 

Publié dans Fil info

Feno sorabaventy eo amin'ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra nanomboka io maraina io mitaky ny karama 10 volana, sy mitaky amin'ny Ben'ny Tanàna Razanakolona Paul hampitsahatra ny resabe ataony amin'ny haino aman-jery etsy sy eroa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Niakatra teo anivon'ny fitsarana manokana miady amin'ny trafika andramena ny raharaha Singapour nanenjehana an'i Anthelme Ramparany, maromaro ihany koa ireo voarohirohy tao anatiny.

Raha tsiahivina dia andramena efa nahondrana antsokosoko tamin'ny faramparan'ny tetezamita tany Chine izy ity, 60 mahery ny kaontenera tamin'izany. Nandalo tao Singapour hifindra sambo ireo andramena ireo no nogejain'i fanjakana tany Singapour fa tsy nazava ny taratasy.

Tonga ny fanjakana Rajaonarimampianina ny taona 2014, dia niezaka namaha ny olana amerenana ireo andramena ireo aty Madagasikara, na amarotra azy any amin'ny tsena iraisam-pirenena mba hidiran'ny vola aty an-toerana.

Publié dans Vaovao