Filtrer les éléments par date : jeudi, 19 décembre 2019

Mpanakanto frantsay nalaza tany amin’ny taona 60 sy 70 i Alain Barrière. Nodimandry tao Carnac (Morbihan) ny alarobia 18 desambra 2019, teo amin’ny faha-84 taonany izy. Alain Bellec no tena anarany fa Alain Barrière no anarana tena nahalalan’ny olona azy tamin’ny sehatry ny hira.

Isany hira nahafantaran’ny maro azy, eny fa na taty Madagasikara aza, ny « Tu t'en vas », ny « Pour la dernière fois ».

Amin’ny alatsinainy 23 desambra no handevenana azy.

Tamin’ny fiandohan’ity volana desambra 2019 no nahafatesan’i Agnès Cohen-Solal vadiny, teo amin’ny faha-69 taonany. Vavy tokana ny zanak’izy ireo, Guénaëlle Barrière.

(Jereo Sary Tohiny)

 
Publié dans Art et Culture
jeudi, 19 décembre 2019 22:40

Jirama: Nanendry Tale Jeneraly lefitra roa

Vantany vao nandray ny asany, taorian’ny famindram-pahefana androany 19 desambra 2019, ny Tale Jeneraly vaovaon’ny orinasa Jirama, Andriamanga Vonjy, dia nanendry Tale Jeneraly lefitra roa :

1- Dr Albert Ravelojaona ho « Directeur Général Adjoint Opérations »

2- Rivo Radanielina ho « Directeur Général Adjoint Digitalization Marketing, Sales »

 
 
Publié dans Economie

Mandray ny toerany ny Tale Jeneraly vaovao Andriamanga Vonjy. Tontosa androany ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, Dr Ravelojaona Albert.

Teboka telo no notsindrian’ny Tale Jeneraly vaovao ho fanamby, dia ny fanarenana ny orinasa Jirama hahatongavana amin’ilay fahaleovantena amin’ny fampiodinana ny orinasa, izay efa natomboky ny mpitantana teo aloha. Eo koa ny fanafoanana ny trosan’ny orinasa izay isan’ny mandentika lalina ity farany, ary ny fitantanana ny mpiasa izay fanalahidy hahafahana manarina ny Jirama

Publié dans Economie

Nanome baiko ny mpitandro ny filaminana ny Prefen’i Toamasina sy ny lehiben’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany  (TPI) Toamasina hanao ady amin’ireo mpangalatra taribin’ny Jirama, satria tao anatin'ny roa taona farany izao dia mirefy 37Km ny tariby no very.

Maty voatifitry ny Zandary omaly alarobia teny Tanandava ny telo tamin’izy ireo. Tafatsoaka ary karohina i Piso niaraka tamin'izy telo lahy na efa voatifitra koa aza. Namaly botana tamin’ny basy poleta vita gasy ireo jiolahy mpangalatra tariby tamin’io fotoana naha-voatifitra azy ireo io.

Publié dans Vaovao

Le jeune opérateur économique franco-indien retrouve ses siens après cinq jours de captivité.

Enlevé à Soavimbahoaka le vendredi 13 décembre vers 8h30, Navaze Veldjee a été  libéré par ses ravisseurs au By-pass mercredi 18 décembre vers 22h00.

Aucune information pour l'instant sur les conditions de sa libération.

Publié dans Fil info

Nesorina tsy ho minisitry ny angovo, rano ary akoran'afo tao amin’ny governemanta Ntsay Christian izy taorian’ny krizin-tsolika ny volana septrambra 2019, notendrena nandritra ny Filankevitry ny minisitra omaly alarobia 18 desambra ho Tale Jeneraly i Andriamanga Vonjy.

Ny « cabinet de recrutement » kanadiana SG Group INC no nisahana ny fifantenana izay ho Tale jeneraly. Andriamanga Vonjy no nivoaka tao anaty sivana.

Minisitra nivangogoan’ny olana i Andriamanga Vonjy tao anatin’izay sivy volana naha tao anatin’ny governemanta Ntsay Christian azy izay. Fako (SAMVA) tsy voataona mankeny Andralanitra, jiro mipendrapendrana sy tapaka lava, rano tsy isitrahan’ny ankamaroan’ny Malagasy, eny na ireo mponin’Antananarivo sy ny manodidina akaiky ny foibem-pamokarana efa misy aza, farany teo ny fikorontanan’ny fitsinjarana solika.

Publié dans Economie

Nivoaka ny talata 17 desambra 2019, ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana ho an’ny fanadinana bakalôrea 2019. Roa volana an-tranomaizina, sazy mihatra miampy onitra 2 hetsy Ariary isan’olona ny didy nivoaka. Efa namany vita nandritra ny fe-potoana nitazomana am-ponja vonjimaika azy ireo ny sazy.

Didian’ny Fitsarana handoa 1Ariary amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ihany koa ireo voampanga ho onitra noho ny fahavoazana nahazo azy.

 

Publié dans Tselatra