Filtrer les éléments par date : dimanche, 01 décembre 2019

Manao asa ivelan’ny fonja « Main d’ouvre pénale » ary efa tsy ao am-ponja intsony. Izay no vaovao farany momba an-dRaveloson Ludovic Adrien dit Leva Sydney, izay nidoboka am-ponja teto Morondava ny 24 aprily 2019, nefa voafidy ho solombavambahoakan’i Mahabo, Faritra Menabe tamin’ny fifidianana natao ny 27 mey 2019.

Publié dans A la Une

Araka ny lalàna mifehy ny fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina, izay ny Ben'ny tanàna no mpanantanteraka, ary ny mpanolotsaina no mpanao lalàna sy mpanara-maso dia:

- Ny Ben'ny Tanàna dia lany amin'ny anaran'olon-tokana, indray miodina ihany, amin'ny vato manankery be indrindra (Suffrage universel direct, au scrutin majoritaire uninominal à un tour). Izany hoe izay mahazo vato ambony amin'ireo mpifaninana, na firy na firy isan-jato azony, no lany amin'ny fiodinana voalohany amin'ny vato manan-kery, izany hoe atambatra ny isan'ny vato azon'ny kandida rehetra no antsoina hoe vato manankery, tsy isaina izany ny vato fotsy sy vato maty.

- Ny Mpanolontsainan'ny Tanàna kosa dia lisitra no hifidianana azy, ka ny "scrutin de liste à la représentation proportionnelle au plus fort reste à un tour" no andaniana azy.

Ny Mpanolotsaina kosa dia mila fantarina ny isan'ny mpanolontsaina isaky ny Kaominina, izay voafaritry ny lalàna arakaraky ny isan'ny mponina.

Publié dans Editorial

Vokatra vonjimaika CENI, Mpanolotsaiana Antananarivo Renivohitra.

Publié dans Politique

Nolanian’ny solombavam-bahoaka nivory tao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza harivan’ny sabotsy 30 novambra 2019 ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020.

Vinavinaina ho 5,5% ny fitombon’ny harin-karena, ary 6,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny taona 2020.

Vinavinaina ho 11,5%, ny taham-pampidiran-ketra.

Publié dans Politique

Miisa 11 ireo kandida Ben’ny tanàna nifaninana tato amin’ny Kaominina Vinaninkarena, Distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra. Anisany ny Ben’ny tanàna farany, izay nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina.

Tsy nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia voatazona am-ponja vonjimaika ity kandida ity, noho ny raharaha nahavoarohirohy azy ara-pitsarana. Izy no mitarika vonjimaika amin’ny voka-pifidianana tao amin’ity Kaominina Vinaninkarena amin’ny voka-pifidianana notanterahina ny alarobia 27 novambra 2019 teo.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 01 décembre 2019 14:37

Rugby-Amboaran’i Afrika: Madagasikara # Nizeria

Hihaona etsy amin’ny Kianja Monisipaly Mahamasina izao tolakandro izao ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Rugby na Makis de Madagascar sy ny Black Stallions Nizeriana. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika izy ity.

 

Publié dans Sport

Isan-taona, ny 1 desambra hatramin'ny 15 mey no fotoana voatondron'ny lalàna hanavaozana ny lisi-pifidianana. Androany 1 desambra no manomboka misokatra ho an'ny olompirenena ny lisi-pifidianana isam-pokontany.

Ny 1 desambra 2019 hatramin'ny 15 febroary 2020 no fepotoana ahazoana misoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana eny anivon'ny Fokontany.

Amin’ny 28 febroary 2020, ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana. Aorian'izay dia miakatra eny amin'ny "Centre informatique de District" (CID) ireo boky firaketana ny fanavaozana isam-pokontany, arakitra ara-kajimirindra, ary atonta vonjimaika ny lisi-pifidianana.

Publié dans Politique
dimanche, 01 décembre 2019 13:36

01 décembre

Journée Mondiale de la lutte contre le SIDA.

 

Publié dans Fil info