Filtrer les éléments par date : samedi, 30 novembre 2019

Nahazo tatitra ny CENI fa nisy ny famenoana mialoha ny vata mangarahara nataon’ireo mpikambana miisa 5 tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny Biraom-pifidianana iray ao amin’ny Fokontany Antsirabe, Kaominina Andranomavo, Distrikan’i Soalala. Tra-tehaky ny mpifidy io hosoka io. Karohin’ny Zandarimariam-pirenena ireo mpikambana miisa 5 nahavaonon-doza ireo amin’izao. Tsy afaka nanohy nanatontosa latsa-bato tao amin’io Biraom-pifidianana io.

Tao amin’ny Fokontany Taperipia, Kaominina Tsaraiko, Distrikan’i Betroka indray dia nisy ny fifandisoan’ny bileta tokana tamin’ireo tokony ho any amin’ny Kaomininina Beapombo II. Nisy ny fepetra noraisina nanolo izany tamin’ireo bileta tokana fiandry saingy tsy misy ny vaovao momba ny fizotry ny latsabato tany an-toerana, tsy mbola tonga eny amin’ny SRMV ny vokatra.

Ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no manapa-kevitra mikasika izay ho tohin’ny fifidianana tao amin’ireo Kaominina roa ireo.

 

Publié dans Politique

Kaominina 8 no tsy nisy lisitra mpanolotsaina nirotsaka hofidiana ary tsy nanatanterahana fifidianana Mpanolotsaina. Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ny ampahany amin’ireny kaominina ireny, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI Rakotonarivo Thierry.

Ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no hanao ny fanamarinana ny fahitana fototra ny fahabangan-toeran’ireo mpanolotsaina ireo, ary 120 andro aorian’izay farafahatarany no tsy maintsy atao ny fifidianana amin’ny ampahany.

 

Publié dans Tselatra

Araka ny tatitra vojimaika nataon’ny CENI, dia Biraom-pifidianana 20 amin’ireo 25 388 manerana ny nosy, no tena nahitana tsy fahatomombanana, ary saika voavaha ara-potoana ny olana.

2 amin’ireo 25 388 ireo kosa no tsy nisy latsabato.

Nilaza ny CENI fa vitsy noho izay novisavisaina ny tsy fahatomombanana amin’ny ankapobeny.

 

Publié dans Tselatra

Nekena nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly zoma 29 novambra 2019 ny hananganana Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy (ISSM) na Centre Malagasy du Cinéma et de l’Image Animée.

Ity ISSM ity izany no hasolo ny Office Malagasy du Cinéma et de l'Image Animée dénommé, «OMACI» izay nofoanan’ny fanjakana araka ny didy hitsivolana noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 17 aprily 2019.

Ny lalàna 2017-011 tamin’ny 26 jolay 2017 no nampisy ny OMACI. Niteraka resabe, nitondrana mpitandro ny filaminana ny tsy maintsy nanatanterahana ny famindram-pahefana ny 7 mey 2019 tao amin’ny foiben’ny OMACI Ambodifilao Antananarivo. Nitohy hatreny amin’ny Fitsarana ny fifandroritana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture