Filtrer les éléments par date : dimanche, 17 novembre 2019

Nitrangana fakana an-keriny tao Antanambao, Kaominina Isoanala, Distrikan’i Betroka ny 15 novambra 2019 teo. Tovovavy iray, fantatra amin’ny anarana hoe : Erica, 16 taona, no lasibatra tamin’izany. Nitondra basim-borona ireo olon-dratsy.

Nanao fanarahan-dia ny zandary vao nahazo fampandrenesana.

Navotsotr’ireo mpaka ankeriny ilay tovovavy rehefa nadoa 2 300 000 Ariary tamin’ireo dahalo ny havany ho tambin’ny famotsorana azy.

Mbola manohy ny fikarohana ireo dahalo ny Zandary.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2