Filtrer les éléments par date : dimanche, 17 novembre 2019

Tombanana eo amin’ny 24 000 m3 ny filan'ny mponina Antsiranana amin’ny rano fisotro madio ankehitriny. 18 000m3 ihany anefa ny tolotra afaka omen’ny Jirama, noho ny fahanteran’ny foto-drafitrasa eto Maromaniry.

Tamin’ny taona 1925 no nanorenana ny foibe famokarana rano eto an-toerana, ary 30 taona lasa izay, tamin’ny taona 1989 no nisy fanavaozana farany.

 

Publié dans Tselatra

17 novembre: Journée Mondiale de la Prématurité.

 

Publié dans Fil info

17 novembre: Journée nationale de la trisomie 21.

 

Publié dans Fil info

17 novembre: Journée mondiale du souvenir des victimes des accidents de la route.

 

Publié dans Fil info

Le Palais d’Andafiavaratra ou ancien palais du premier ministre est situé dans le quartier d’Andafiavaratra, à quelques centaines de mètres de l’ancien Palais de Justice Royal et du Palais de Manjakamiadana, le Rova. Ce lundi 18 novembre 2019, il servira de lieu de rencontre pour la commission mixte franco-malagasy sur les Nosy Malagasy dites par la France, îles éparses.

Un palais témoin de l’histoire des Hautes Terres Centrales

Un historien et officier général malagasy décrivit dans son ouvrage portant sur les Malagasy et l’abolition de la traite européenne des esclaves (1810-1817), histoire de la formation du Royaume de Madagascar : « contrairement à la théorie couramment admise jusqu’ici, ce ne sont pas tellement les Malagsy de la côte qui ont le plus souffert des effets de la traite des esclaves vers les Mascareignes [Maurice, Réunion, Seychelles] mais bien ceux des Hautes Terres ».

Publié dans Editorial

Tamin’ity herinandro ity dia lehilahy telo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tamin’ny resaka trafikana rongony teto Antananarivo.

Rehefa natao ny fitsirihana sy ny velapandrika dia hita fa nisy olona nanaparitaka rongony mahery vaika rehefa amin’ny alina eny amin’ny manodidina an’Antaninarenina ,Fasandrainiaro, Isoraka.

Rehefa tratra moa ny iray tamin’izy ireo, araka ny velapandriky ny mpitandro ny filaminana dia nahatratrarana irony rongony fotsy sy maitso teny aminy.

Nitohy ny velapandrika, nosavaina ny finday, dia nahitana zavatra azo anohizana ny fanadiadiana, ary tamin’izany no nahazoana olona iray fanampiny, izay iray petsapetsa taminy, nahitana "drogue dur", ary rehafa natao ny fisavana ny tao an-tranony dia voamarina fa mamboly ireto zava-mahadomelina ireto ireo olona, ary mbola nahitana karazana rongony maro be sy fitaovam-piadiana izay tsy hanana taratasy mazava.

Publié dans Vaovao

Saron'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria eto Vohémar, tao Andraparany Fokontany Ambakirano, Kaominina Fanambana, ny voly rongony amina velaran-tany mirefy 1/2 ha, ny tolakandron'ny zoma 15 novambra 2019.

Nisy olona roa voasambotra. Nodorana tany an-tsaha teo anatrehan'ny mpitondra sy ny Fokonolona any an-toerana ny ampahany tamin'ireo zava-mahadomelina ireo. Mitohy ny fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nioty isa telo i Madagasikara taorian’ny fandresena 1 noho 0 azony teo amin’ny Kianja monisipaly Mahamasina, nanoloana an’i Etiopia. Feno hipoka ny kianja, iray andro mialohan’ny lalao rahateo dia efa tapitra avokoa ny tapakila.

Anisan’ireo tonga nanotrona sy nanohana ny Barea an’i Madagasikara ny sasany tamin’ireo kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, Rina Randriamasinoro (TIM), Rakotoarisoa Faniry Alban (APM), Naina Andriantsitohaina (IRK).

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Karnavaly amin’ny fiara hitety an’Antananarivo Renivohitra no hanohizan’ny kandida Ben’ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana, Rina Randriamasinoro ny tolakandron’ny alahady 17 novambra, sady hamaranana ity herinandro faharoa amin’ny fampielezan-kevitra ity, ka hanomanana ny herinandro farany mialoha ny latsa-bato amin’ny fifidianana hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Ny asabotsy 17 novambra dia nitety Fokontany maromaro tao amin’ny Boriborintany fahadimy eto Antananarivo Renivohitra ny kandida Rina Randriamasinoro, ny tapakandro maraina. Vonona ny hampandroso ny tanàna isika, ary tetikasa mipaka amin’ny vahoaka sy azo tanterahina avy hatrany no arosoko, hoy izy tamin’ireo mponina nihaona nivantana taminy.

Publié dans Politique

Namela takaitra teo amin’ny Brigadin’ny Zandarimaria Antsakabary, Distrikan’i Befandriana-Avaratra ny rivotra nifofofofo niseho teto an-toerana.

Fanorenana foto-drafitrasa vaovao no heverina hanoloana ny simba.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2