Filtrer les éléments par date : vendredi, 15 novembre 2019

Nitondra fanazavana miakasika ny fitantanana ny fiantsonan’ny fiara na « parking » sahanin’ny « Easy Park » eto Antananarivo Renivohitra ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina, Raveloson Landy.

Nambarany fa fifanarahana voasonia tamin’ny taona 2014 no mamaritra fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa Easy Park hatramin’izao amin’ny fitantanana « parking ».

20% amin’ny vola miditra voarain’ny « Horodateur » no mirotsaka any amin’ny Kaominina isan-taona. Voarotsaka ara-dalàna ny vola ary tafiditra ao anatin’ny tetibola iasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra araka ny fanazavan-dRaveloson Landy hatrany.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Dans son édition du 11 novembre 2019, le New York Times révéla d‘une manière plus approfondie l’ « intrusion » des Russes dans les élections présidentielles de 2018 et dans la vie politique malagasy tout court.

D’après le journal « les Russes ont été difficiles à cacher. Ils sont apparus subitement dans la circulation dans la capitale malagasy en 2018, portant des sacs à dos bourrés d'argent et des matériaux de campagne, ornés du nom du président malagasy d’alors ». Ils ont même, à partir de leur siège, un hôtel de villégiature, « publié leur propre journal en langue locale (malagasy) et ont engagé des étudiants pour rédiger des articles fantasmagoriques sur le président afin de l’aider à remporter un 2nd mandat. En contournant les lois électorales, ils ont acheté du temps d'antenne à la télévision et ont recouvert le pays de panneaux d'affichage. »

Publié dans Editorial

Saron'ny Zandary avy ao amin'ny Tobim-paritra Betroka ny vola sandoka mitenina 60 000 Ariary miaraka amin'ny lehilahy iray nanamparitaka ireo vola. Lasibatra ny mpivarotra teto Betroka.

Natao dika mitovy tamin’ny « Photocopie » ireo vola sandoka. Mitovy avokoa ny laharan'ireo vola, ary mora fantatra avy hatrany fa vola tsy izy raha amin'ny atoandro. Karohina fatratra ireo mpiray tsikombakomba amin’ity mpanaparitaka vola sandoka voasambotra ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Tontosa tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Tampony Anosy, androany zoma 15 novambra 2019, ny fihanianan’ny Governora vaovaon’ny Banky Foiben’i Madagasikara Rabarijohn Henri Edmond.

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 6 novambra 2019 ny fanendrena an-dRabarijohn Henri Edmond ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, mandimby toerana an-dRasolofondraibe Alain, ity farany izay nisahana an’io andraikitra io nanomboka ny taona 2014.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Tontosa ny alakamisy 14 novambra 2019 tetsy Behoririka misy ny foiben’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) ny famindram-pahefana teo amin-dRajaonarivelo Laurent, tale jeneraly teo aloha sy Olivier Jean Baptiste, Tale Jeneraly vaovao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Economie

Nirehitra ny trano fivorian'ny miaramila eny Iavoloha ny harivan'ny alakamisy 14 novambra 2019. « Noho ny andro ratsy sy ny kotro-baratra », izay niteraka « fipoahan'ny herinaratra (court circuit) no nahatonga ny firehetan'ny trano », araka ny fanambarana nataon’ny serasera sy fifandraisana eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika.

« Trano eo ivelan'ny faritry ny Lapam-panjakana Iavoloha no nirehitra ». « Tsy voakasika izany velively ny Lapam-panjakana Iavoloha sy ny faritrala manodidina », hoy hatrany ny fanambarana. Tonga teny an-toerana ny mpamono afo sy ireo miaramila miara misalahy namono ny afo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nisy, ny14 novambra 2019, ny fanaovan-tsonia teo amin'ny governemanta Malagasy sy ny Fiombonam-be Eoropeana, mikasika fifanarahana famatsiam-bola mitentina 26 tapitrisa Euro (104 miliara Ariary) ho an'ny fampandrosoana ny sehatry ny herinaratra eto Madagasikara.

 

Publié dans Economie

15 novembre: Journée mondiale des écrivains en prison.

 

Publié dans Fil info