Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 novembre 2019

A l’heure où nous écrivons ces lignes, le Projet de Loi de Finances (PLF) 2020 n’est pas encore arrivé sur les bancs de l’Assemblée Nationale ! Pourtant la Loi Organique sur les Lois de Finance (LOLF) n° 2004 – 007 du 26 juillet 2004 à son article 46 est claire : « le projet de loi de Finances de l'année, y compris le rapport et les annexes explicatives prévues à l'article 44, est déposé et distribué au plus tard le 30 octobre de l'année qui précède l'année d'exécution du budget. Il est immédiatement renvoyé à l'examen de la commission des finances de l'Assemblée Nationale. Le projet de loi de Règlement, y compris le rapport et les annexes explicatives, est déposé en premier lieu sur le bureau de l’Assemblée Nationale et distribué au cours de la première session de la deuxième année qui suit l’exécution du budget concerné ».

Pour le moment, les choses ne se passent pas comme prévu par cette LOLF qui est la base de toutes lois de finances. On peut même dire que les députés sont au chômage technique pour cette 2ème session ordinaire. Même l’élection des 2 représentants de l’Assemblée Nationale comme membres titulaires de la Haute Cour de Justice (HCJ) ainsi que leurs 2 suppléants ont été aussi reportées, alors à Tsimbazaza se tourne-t-on les pouces ?

Publié dans Editorial
mercredi, 13 novembre 2019 23:09

Toliara: Miandry famatsiana solika

Lany gazoala ireo toby mpaninjara solika eto Toliara, ankoatranny Jovena ao Sansfil, izay nilaharana nanomboka ny maraina teo. Efa tonga ny sambo mitondra lasantsy 569m3, gazoala 1340m3. Miandry ny famatsiana ireo mpivarotra.

Nisy fahatapahana ihany koa ny jiro tamin'ny faritra sasany tamin'ny 12ora30, dia niverina tamin'ny 03ora tolakandro teo ihany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Traha-tehaky ny polisy ireo jiolahy miisa enina, izay nanao ny asa ratsiny. Ny iray amin’izy ireo moa no maty voatifitra noho ny fanoherana nataony izay nahatonga ny tifitra.

Nahitana fitaovana mahery vaika moa tamin’izy ireo, izay nisy cartouche-na bala miisa 15, ireto fitaovana ireto moa dia anisan’ny tsy azo ampiasain’ny olona tsotra tazomina satria antsoina hoe Arme de guerre no filaza azy.

Anisan’ny nanao ny fanafihana teny amin’ny orin’asa Djama itaosy, Antohomadinika, teny amin’ny 67ha nanafika ny mpiasan’ny JB.

Publié dans Vaovao

Nanome fanampiana ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo, ny Fanjakana amerikana hikarakarana zaza miisa 15 550 tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagasikara.

Maro ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’iny faritra iny. Miditra eo amin’ny vanimpotoanan’ny maitso ahitra ny faritra atsimon’i Madagasikara ka mahakely ny sakafo azo hohanina. Hividianana sy hizarana famenon-tsakafo vita eto an-toerana ny vola mitentina 500 000 dolara.

Publié dans Sociale

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tao Ambohitsorohitra androany 13 novambra 2019 ny fanendrena ny Tale Jeneralin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures), Jean Baptiste Olivier. Izy no mandimby toerana an’i Laurent Rajaonarivelo, ity farany izay nametra-pialana tamin’ny 29 oktobra 2019.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Notendrena ho mpitantana vonjy maika ny Secrétariat Exécutif ny Fonds Routiers Raparson Sarah Lila Ida, mandra-pivalin’ny tolotrasa nalefa amin’ny handraisana izay hisahana ny andraikitry ny Secrétaire Exécutif du Fonds Routiers. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany 13 novambra 2019 ny didim-panjakana fanendrena azy.

 

Publié dans Tselatra

Vato adino teo Mahatsara, Kaominina ambonivohitr’i Sambava, izay toerana fanaovan'ny Zandary (Police de la Route) fisavana fiara sy moto isaky ny atoandro no nitera-doza io alina io. Nitrosona ilay mpitondra moto, ka naratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nomen’ny Filankevitry ny Minisitra alalana manokana ny Jirama ho afaka mividy solika, tsy mandalo ny tsenam-barotra, mandritra ny telo volana hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2020, mandrapitsangan’ilay orinasa State Procurement of Madagascar, S.A hanafatra solika mivantana.

Ireo solika ireo dia tsy tokony hihoatra ny 63 603m3 ho an’ny Fuel, ary 21 487 m3 ho an’ny Gasoil, mandritra ireo fe-potoana voalaza ireo.

 

Publié dans Economie

Hodinihana amin’ny alatsinainy 18 novambra etsy amin’ny lapa etsy Andafiavaratra, miaraka amin’ny solotenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy (Iles éparses) aty amin’ny ranomasimbe indiana, ka olona miisy dimy no hisolontena ny fitondram-panjakana Malagasy.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, izay ahitana an’ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny Akademia Malagasy, izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany ; ny Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ; ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) ; Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite any Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika.

Adidy iaraha-manana no famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana, ka ilaina ny hanehoana ny firaisam-pirenena hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra androany.

 

Publié dans Tselatra

Notoloran’ny orinasa sinoa Yuan's Madagascar masomboly vary safiotra « Wechu 902-3 » milanja 300 taonina ny Governemanta Malagasy, ka 100 taonina amin’izany no efa tonga sy azo ampiasaina amin’ity taom-pambolem-bary 2019-2020 ity.

Ho aparitaka any amin’ny Faritra Alaotra, izay sompitr’i Madagasikara ny ampahany betsaka amin’ireo masomboly ireo, ary ny ambiny dia hozaraina amin’ny Faritra Analamanga sy ny Faritra Itasy, izay hanantanterahana ny Fanokafana amin’ ny fomba ofisialy ny taom-pambolena 2019-2020 ny 16 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kaominina Sarobaratra Ifanja.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2