Filtrer les éléments par date : mardi, 12 novembre 2019

Handeha hividy sigara ao amin'ny mpivarotra iray efa mihidy tao amin’ny Fokontany Antangena, Kaominina ambonivohitra Andapa ity rangahy ity omaly. Nododominy ilay trano fivarotana ka noheverin'ny olona fa hamaky trano izy dia nosamborin'izy ireo, ary saika niharan'ny fitsaram-bahoaka.

Zandary nanao fisafoana no nanavotra azy. Nandritra izany no nahitana fa mamo io olona io. Nentina tao amin’ny brigadin’ny Zandary Andapa ilay rangahy natao famotorana.

 

Publié dans Vaovao

Tapaka nanomboka tamin’ny enina ora hariva teo ny jiro eto an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro, ary tsy hiverina hirehitra izany raha tsy any amin’ny valo ora sy sasany any ho fitsitsiana ny ambin-tsolika, satria lany ny tahiry, ary tsy mbola voafaritra ny hahatongavan’ny famatsiana manaraka.

 

Publié dans Tselatra

Hanana foto-drafitrasa manara-penitra ka tsy voatery hitsabo tena any ivelany intsony ny Malagasy. Izay no tanjona hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, jeneraly Rakotonirina Richard raha nihaona tamin'ireo mpitsabo miaramila ao amin’ny HOMI na Hopitaly miaramila Soavinandriana – Antananarivo androany maraina nampahafantatra io tetikasa fanavaozana ny hopitaly HOMI io, mba ho faka-tahaka aty amin'ny Ranomasim-be Indianina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Comme chaque année, l’Association Le Cœur et la Voix de Madagascar a rendu hommage aux Soldats Malagasy morts pour la France et enterrés à Bordeaux et sa région.

Ainsi, à l'occasion de la Commémoration de l'Armistice du 11 novembre 1918, plusieurs Malagasy et des Ami(e)s de Madagascar étaient venus au Carré Militaire du Cimetière des Pins-Francs de Bordeaux Caudéran pour se souvenir des huit tirailleurs Malagasy ainsi que ceux qui sont inhumés au Cimetière Saint-Bris de Villenave d’Ornon et au Cimetière de Bordeaux-Nord.

Publié dans Fil info
mardi, 12 novembre 2019 19:36

Kolikoly: Zandary roa migadra ao Morondava

Notsaraina omaly 11 novambra 2019 tolakandro tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Morondava ireo zandary roalahy, voarohirohy tamina raharaha kolikoly. Herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra ny sazin’izy ireo. Efa notazomina am-ponja vonjimaika tao amin’ny Maison Centrale Morondava nanomboka tamin’ny 31 oktobra 2019 izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Une délégation de l'Université de Fianarantsoa, dirigée par le Président Rafamantanantsoa Fontaine, effectue une mission officielle en Italie, du 8 au 17 novembre 2019.

La délégation a rencontré ce 11 novembre, le Recteur de l'Université Federico II Naples. À l'issue de la rencontre, un accord de coopération est établi en vue de la mise en place d'une formation en géologie à l'Université de Fianarantsoa et dont l'ouverture sera réalisée dans un proche avenir.

Il en est de même pour la mise en place d'un laboratoire de géologie à l'Université de Fianarantsoa.

Cette coopération est d'une grande importance, vu les potentialités minières de Madagascar en général et de la province de Fianarantsoa en particulier.

(Voir Suite Photo)

 

Publié dans Sociale

Miahiahy ny ray aman-dreny fa miverim-potsiny, zara fa mianatra ireo mpianatra « 1ère année vao niditra tamin'ity taom-pianarana ity ao amin’ny Lycée Technique et Professionnel Antsirabe. Mpampianatra ECD sy « vacataires », tsy mbola mety mandray asa raha tsy tonga ny tambinkaramany efa valo volana ny ankamaroany no antony, hoy ny loharanom-baovao

Nanomboka tamin’ny 28 oktobra 2019 ny taom-pianarana, ny alatsinainy teo no nanomboka ny tena fianarana.

 

Publié dans Tselatra

Raha eny amin’ny paompin-drano no ahitana daba mavo mitandahatra ao Antananarivo, dia eny amin’ny toby mpaninjara solika no ahitana maro azy ireny, toy ny hita eo amin’ny Galana Karibo ankilan'ny Lycée Technique.

Nahazoana alalana ve ny toy itony, izay tranga mampiahiahy ny mpanjifa sao fambara amin’ny tsy fisiana solika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Saron’ny Polisy avy ao amin’ny « Poste Avancé » Antaniavo Antohomadinika-Antananarivo ny andiana mpanendaka izay efa mampikaikaika ny olona amin’iny manodidina ny stationnement Ambatondrazaka iny. Telo lahy izy ireo, ary tanora vao erotrerony 15 ka hatramin’ny 18 taona.

Polisy nanao fisafoana vao maraina no nifanehatra tamin’izy ireo omaly rehefa nisy olona voaendaka niantso vonjy. Mbola tratra teny amin’izy telo lahy ireo entana halatra nahitana finday, kitapo babena, sns.

 

Publié dans Tselatra

Efa telo volana no tsy manana sefo ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany eto Toamasina, nefa tsy misy mpisolotoerana vonjimaika. Vokany, mitohana tanteraka ny asa.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2