Filtrer les éléments par date : lundi, 07 octobre 2019

Tanterahina nanomboka androany alatsinainy 7 oktobra 2019 etsy amin'ny "Village Voara" Andohatapenaka Antananarivo, ary haharitra telo andro ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny tanàn-dehibe, andiany faha telo.

Lohahevitry ny fankalazana amin’ity ny hoe : "Ny tanàn-dehibe, fanohitra ho an'ny fampandrosoana haingana sy maoderina". Mifanojo indrindra amin’ny alatsinainy voalohany amin'ny volana oktobra izay natao hankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana ity fanombohan’ny hetsika ity.

Kendrena mba tena hametrahana drafi-panajariana matotra sy maharitra ary tena hampivoatra ny tanàn-dehibe sy hahatonga azy ireo ho fanohitra tokoa ho an'ny fampandrosoana ny fikaonan-doha toy izao, hoy ireo mpandray fitenenana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Taorian’ny nidiran’Atoa Eric Rakotoarisoa, filohan’ny HCC ankehitriny teo amin’ny sehatry ny politika dia mirona any amin’izany ihany koa ankehitriny Atoa Andriamandranto Ralison. Fantatry ny maro tamin’ny fitarihany ny SeFaFi (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena) moa izy ireo, izay samy mpikambana tamin’io fiarahamonim-pirenena io avokoa, ary fantatra tamin’ny fanankianana mavaivay ny mpitondra tamin’izay fanehoan-kevitra navoakany.

Tapa-kevitra ny nirotsaka ho kandidà Ben’ny Tanana eto Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra Atoa Ralison Andriamandranto ankehitriny. Vina ho azy ny famerenana ny hasin’ny fitantanana ny tanàna hisian’ny fihavaozana marina, mba ho tanàna fitaratra eto Madagasikara i Antsirabe ka hametrahany fomba fiasa amin’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny mponina ary ny tompon’andraikitry ny tanàna.

Publié dans Politique

Andriamanalinarivo Raymond Michel Jocelyn, Solombavam-bahoaka IRD voafidy tao Antananarivo I, no nisantatra ny fametrahana ny tararatasy fanambaram-pananany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC), tamin’ny 30 aogistra 2019.

Taoriany i Milavonjy Andriasy Philobert, ny Solombavam-bahoaka tsy miankina voafidy tao Ambovombe Androy. Ny 01 oktobra 2019 no tafapetraka teny Ambohidahy ny taratasy fanambaram-pananany.

Ny andininy faha-41 amin’ny Lalampanorenana no manery ny olom-boafidy hanao fanambaram-pananana mialoha ny handraisany ny asany.

Publié dans Politique

Une délégation du Mouvement des Entreprises de France ou MEDEF, conduite par Momar Nguer, nouveau Président du Comité Afrique de MEDEF International, a assisté à une réunion présidée par le Premier ministre, Chef du gouvernement, et Ministre des Affaires Etrangères par intérim, Christian Ntsay, en présence de l’Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard, et de quelques membres du gouvernement.

La réunion qui s’est tenue au ministère des Affaires étrangères Anosy, a eu pour objectif de connaitre l’ensemble des opportunités d’affaires à Madagascar. Ainsi les membres du gouvernement y ont présenté les ouvertures de leurs ministères respectifs à toutes opportunités de partenariat en la matière.

Publié dans Economie

Nataon'ireo Ray aman-dreny ho anton’ny faharatsian’ny voka-panadinana BEPC 2019 tao aminy, ny foto-drafitr'asa tsizarizary. Maniry izy ireo ny mba hitodihan'ny fitondram-panjakana amin’ny CEG Ambariomiambana Sambava amin'ity taom-pianarana ity, eo ny hanatsarana ny kalitaom-mpianarana, fa tsy tokony atao ambanin-javatra ihany ny trano izay mampanahy tsy hahatohitra ny oram-baratra.

Raha ny vokatra azo tamin'ity taona ity dia 01 tamin'ireo mpianatra miisa 19 niatrika ny BEPC no afa-panadinana. Nisy 05 kosa tsy tonga niatrika ny fanadinam-panjakana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Miasa amin'ny MNP (Madagascar National Parks) i Lalatiana Randriamiharisoa. Siantifika Malagasy izy, nahazo vatsim-pikarohana PEER Grant an’ny USAID, ary miasa any amin’ny oniversiten’i Florida any Etazonia i Lalatiana mandritra ny telo herinandro.

Mahazo fiofanana fanampiny izy ary miara-miasa amin'ny tarika amerikana hanao tombana ny torohay mikasika ny tetikasany: fomba fanofanana mpilatsaka an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina hanampy amin'ny fanangonana torohay momba ny karazana, hanatsarana ny fitantanana ireo faritra voaaro.

 

Publié dans Sociale

Nandriaka ny rà taty Emagnobo, Distrikan’i Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Nivadika ho fifamonoana faobe ny fisaraham-bady teo amin’ny lehilahy avy ao Emagnobo sy vehivavy avy any Esira-Amboasary Atsimo. Nampakatra vehivavy hafa ralehilahy nefa tsy mbola vita ny fombafomba amin’ny fisarahana tamin’ny vadiny teo aloha.

Niditra an-tsehatra ny Dina be, izay jado na malaso niova fo avy any Esira, nandamina. Omby maromaro no notakiana ho onitra ho sazin’ilay rangahy. Nanda ny hanavaka omby maro ny fianakavian-dralehilahy. Nandrahona ny handraoka ny omby teo an-tanàna ireo mpampihatra dina ka raikitra teo ny disadisa ady saritaka, niafara tamin’ny vono olona io. 11 no namoy ny ainy ka lasibatra ireo mpampihatra Dina.

Atahorana ny valifaty amin'izao.

 

 

Publié dans Vaovao

Hotanterahina aty Moramanga ny 11, 12 ary 13 oktobra 2019 izao ny RIM (Rallye International de Madagascar) andiany faha-40.

Fiara miisa 34 no hifaninana amin’izany.

 

Publié dans Sport

Nametraka ny “cellule de crise” ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fitsarana ny fanadinana bakalorea.

Raha ny firafitry ny « Cellule de crise » dia hisy solontena 3 avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, miampy solontena 2 avy amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika, sy fiofanana arak’asa, miampy solontena 2 avy amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena misahana ny Zandarmaria, ary solontena 1 avy amin’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 07 octobre 2019 09:57

Farahantsana: Faran'ny Hantsana

Ny anaran-tanàna malagasy dia mahadika ny tiany ambara hatrany.

Henoko ny Filoha omaly nilaza hoe asiana pipeline na fantsona lehibe mitarika rano avy any Farahantsana, hamatsy rano an'Antananarivo, fa tsy maka amin'ny renirano izay tsy maharaka intsony.

Tsy manome tsiny anao aho, satria mety izay no noresahin'ny tekinisianina anao.

Fa ny ranobe mandifotra an'Antananarivo, dia tsy avy amin'ireo rano kely avy eny ambonin'ny vohitra Manjakamiadana fotsiny, fa ranobe avy any ambonin'ny faritra Mantasoa, Tsiazompaniry, eny na ny avy any atsimon'ny Toamasina, manaraka ny reniranon'ny Ikopa sy ireo vohitra na bassin versant no ilazana azy.

Mivarina mandeha any Farahantsana avokoa ireo rano ireo, miaraka amin'ny Ikopa sy Sisaony, ary mandeha miakandrefana mihazo an'ny Betsiboka, ary mivarina an-dranomasina any Mahajanga, rehefa namakivaky an'ny Maevatanana.

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2