Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 octobre 2019

Nitrangana sakoroka tamin'ireo foibem-panadinana bakalorea sasany teto Toamasina noho ny fielezan'ny feo fa nisy fivoahan'ny laza adina taranja fizika mialoha ny fotoana ho an'ny "série A2" ity. Raha vao nahare mantsy ny "série C" sy "série D" fa tsy nisy olana ny laza adinan'izy ireo dia niditra an-dakilasy izy ireo tamin'ny 10ora nanohy ny azy.

Publié dans A la Une

Niaiky ny ministeran'ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa fa nisy ny fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, izay niteraka korontana tamin'ny foibem-panadinana sasany.

Nanao fanambarana ny ministera androany fa nisy ny fandraisana andraikitra avy hatrany ka efa voasambotra, ary efa eo ampelan-tanan'ny mpitandro ny filaminana, ary atao fanadihadiana ireo voarohirohy amin'izany.

Nisy koa fepetra manokana amin'ny fanohizana ny fanadinana bakalorea. Miantso ny fitonian'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny ministera.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 02 octobre 2019 19:42

Bac Marolambo: Nofoanana ny adina Histo-géo

Tsy natao androany ny adina Histo-géo teto Marolambo, ary mbola tsy fantatra ny fotoana anatontosana izany.

Mitebiteby ireo mpianatra, malaza ihany koa ny fuite de sujet.

 

Publié dans Tselatra

272 tamin'ireo mpiadina voasoratra anarana tamin'ny fanadinana bakalorea teto Toamasina no tsy tonga niatrika fanadinana ny andro voalohany, ny alatsinainy 30 septambra 2019. Mbola nisy hafa tsy tonga ihany koa ny talata. Mpiadina ao amin'ny "série A2" ny ankamaroan'ireo teto Toamasina.

 

Publié dans Tselatra

"Zokiolona Mpitahiry soatoavina, taratry ny fahendrena'', io no lohahevitra nentina nankalazana ity Andro manerantany ho an'ny zokiolona ity, hoy ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Naharimamy Lucien Irmah, izay tonga teto andrenivohi-paritra SAVA ny 01 oktobra 2019.

Notsiahiviny fa efa any amin'ny Parlemantera ny volavolan-dalana izay natao hanamorana ny fiainan'ireo zokiolona, dia ny kara-maitso izany.
Raha lany izany dia hisitraka izany koa ny Banomo na zokiolona aty SAVA, hoy Atoa Finomana Erneste Filohan'ny Fikambanana Banomo.

Nitodika manokana tamin'ireo mpandraharaha eto an-toerana ireo zokiolona mba hanamboarana ny lalana eto antampon-tanana izay tena mampijaly, fa ratsy loatra.

Publié dans Vaovao

Nisy ihany koa ny resabe momba ny fuite de sujet taty Moramanga.

Tsy navela nivoaka ny faritry ny sekoly ireo mpiadina, ka nomena toromarika ireo Ray amandreny hanatitra sakafo, ka amin'ny 2ora tolakandro no tohizana ny adina.

Niova anefa izay, ka dia nofoanana mihitsy ny laza adina Histo-géo, ary tsy misy fanadinana ny tolakandro, fa atao amin'ny zoma izay adina izay.

 

Publié dans Tselatra

Matetika izy ity tsy sahy resahina mihitsy satria natao biby fampitahorana ny mpianatra eny amin'ny anjery manontolo hitarika grevy mety ahongana fanjakana.

Nefa kosa, dia mpianatra hofanina hitondra firenena, hitantana orinasa no hofanintsika, ka aleo manana ny tsara.

Ekena fa noho ny tsy fisian'ny fitsinjaram-pahefana sy ny tsy fisian'ny fampianarana matotra any amin'ny Faritra dia miakatra an-drenivohitra ny ankamaroan'ireo tanora afaka Bac.

Ny zava-misy anefa, dia maro ireo tsy mpianatra mipetraka eny amin'ny cité sy campus Universitaire, na Ankatso io, na Ambohipo, na 67Ha. Lasa bizina ny trano, ka misy ny "pas de porte" amidy ary tafakatra antapitrisany maro. Ny jiro sy rano dia miridana toy ny "volan'ny babanao moa izy" hoy ny fiteny. Ny fivarotana toaka, ny asa makorelina, ny boite de nuit efa tsy resahina intsony.

Publié dans Sociale

Tokony tamin'ny 8ora maraina no nisy horakoraka mafy be avy ao amin'ny Lycée privé Saint Antoine de Padou (centre d'examen). Ireo mpampianatra mpiambina fanadinana sasany efa nivoaka tety ivelany, satria efa manomboka misy feo avy amin'ny mpiadina hoe "roahina any ny mpampianatra jiaby".

Ny olana, rehefa nisy ny feo hoe misy fuite de sujet, dia lasa naka laza adina hafa any amin'ny Gendarmerie ny chef de centre, ka tsy niverina intsony nefa ny fotoana efa dila.

Tonga moa ny chef cisco nandamina ny raharaha fa voa maika nihorakorahin'ireo mpiadina. Nilaza izy hoe midira any amin'ny salle d'examen fa alefa ihany ny fanadinana. Dia niditra tokoa ireo mpianatra ireo.

Nosoloina sujet hafa ny physique chimie, izay nalefa mail tany amin'ny tompon'andraikitra, ka tao amin'ny Cisco no nanao ny impression na ny fanotana ny laza adina.

Vita ihany izany ny maraina fa ny Histo géo tokony hatao izao tolakandro izao kosa dia ahemotra amin'ny zoma, raha ny angom-baovao voaray.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana savorovoro ny taty Fenoarivo antsinanana io maraina io noho ny feo mandeha momba ny fuite sujet d'examen, ka voatery nahato ny fanadinana, na serie A, C, D dia nody avokoa, fa rahampitso vao miverina.

Mizarazara maro ny centre d'examen eto Fenoarivo atsinana, izay samy misy mpiadina toy ny ao amin'ny lycée de Fenerive-est, Ecole Catholique, Ecole congrégation chinoise ary ny EPP Ampasipotsy, ka tao amin'ny Ecole congrégation chinoise no niainga ny sakoroka, tamin'ny resaka feo fivoahan'ny laza adina, ka voatery navoaka ny efitra fanadinana ireo mpiadina, izay nihanaka tamin'ireo toeram-panadinana hafa ny savorovoro, ka nahatapakevitra ny mpiandraikitra amita ny fanadinana ny maraina, fa ny tolakandro no mijanona, ary tohizana rahampitso.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 02 octobre 2019 13:48

Bac Toamasina: Nosoloina ny sujet

Efa milamina ny aty Toamasina. Efa mitohy ny fanadinana. Physique natao tamin’ny 11ora dia mirava amin’ny 13ora15. Ny histo-geo kosa ahemotra amin’ny fotoana manaraka. 

Ny manaraka kosa dia tsy miova fa manaraka ny emploi du temps ihany.
Deuxième sujet izany no miasa.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2