Filtrer les éléments par date : vendredi, 04 janvier 2019

Omaly alakamisy, taorian'ny baiko nomen'ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia nisokatra ho an'ireo mpitaky ny fahamarinan'ny fifidianana ny kianja 13 mey.

Publié dans A la Une

Fiara kely Peugeot 307 iray avy any Antananarivo no nivadibadika sy niala ny lalampirenena faha-7, tsy lavitra ny toby mpaninjara solika Shell tao Andranomanelatra Antsirabe faharoa, androany zoma 4 janoary harivariva, ka nahafatezana zatovo lahy roa.

Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny lehiben’ny Zandary tao Andranomanelatra dia nifanena tamin’ny fiara avy aty Antsirabe ireto nandeha fiara kely ireto, ka nisy fiara niala lavaka hifanena sy saika hifatratra tamin’izy ireo, ary dia niala izany ilay fiarakely ka nivadibadika tany amin’ny sisin-dalana.

Voalaza fa nipitika tao anaty fiara mihitsy ireo zatovo niisa telo mianadahy tao anatiny, fa ny mpamily ihany no tavela tao anatiny satria nifatotra ny "ceinture de sécurité". Noho ny dona mafy nahazo ny lohan’ireo roalahy izay mpinamana moa dia maty izy ireo rehefa tonga tany amin’ny hopitaly, fa mbola tsaboina kosa ilay zavavay iray amin’izao fotoana.

Publié dans Vaovao

Vaky kodiarana ampandehanana tamin'ny lalam-pirenena faha-34, sampanana miazo an'i BeloTsiribihina ny fiara Sprinter iray, manao zotra Antsirabe-Morondava, raha hiazo ny renivohitry ny Faritra Menabe androany tamin'ny 5 ora maraina.

Tafavoaka ny lalana ary lasa tany an-tanimbary ilay Sprinter. Nandritra izany no tafavoaka ny fiara ilay zazavavikely vao enim-bolana, ary maty tsy tra-drano.

Mpandeha miisa enina no naratra ka anisan'izany ny renin'ilay zaza, izay tapaka soroka sy ratra amin'ny tavany sy tanany.

Nandalo fandidiana ilay renin'ilay zazakely. Raha iny hiditra bloc iny ilay ramatoa dia nanafatra fa misy vola ao andamosin'ilay zaza maty, nafenina tao noho ny antony fandriampahalemana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Androany maraina vao nisy ny fampilazana avy amin'ny talem-paritry ny orinasa JIRAMA fa lany ny tahirin-tsolika, ka izay no mahatonga ny fahatapahan'ny herinaratra. Tsy maintsy miadry ny famatsiana avy any Antananarivo, izay vinavinaina ho tonga rahampitso sabotsy vao hiverina amin'ny laoniny ny herinaratra raha ny fanazavana hatrany.

60 000 litatra isaky ny 24 ora, izany hoe isan'andro no gazoala ilaina hamokarana sy hamatsiana herinaratra ho an'i Mahajanga tampon-tanana.

Mihafy sy mandefitra indray aloha izany ny mpanjifa mandrapivahan'ny olana izay mateti-pitranga.

Publié dans Vaovao
vendredi, 04 janvier 2019 09:17

Ambatondrazaka: Lany solika ny Jirama

Tapaka tamin’ny 4ora maraina teo ny jiro eto an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro. Tsy fisian’ny solika no voalaza fa antony. Raha ny fanazavana azo io maraina io dia mbola hifampiraharaha amin’ny orinasa Galana, izay mpamatsy solika ny Jirama Ambatondrazaka, ny tompon'andraikitra hiverenan’ny famokarana herinaratra eto an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

« Cette vérité est le seul garant d’une stabilité politique à Madagascar » a dit l’ancien Chef de l’Etat et candidat au second tour de l’élection présidentielle lors de sa rencontre avec la Communauté internationale (GIC-M) le 31 décembre 2018.

A Marc Ravalomanana de continuer qu’il s’engage à éviter une autre crise et violences à Madagascar et de conclure que « Nos actions pour la recherche de la vérité se feront paisiblement et strictement dans le cadre légal et Constitutionnel ».

 

Publié dans Fil info
vendredi, 04 janvier 2019 09:12

Ambositra: Miaina delestazy indray ny tanàna

Nanomboka omaly atoandro no miaina fahatapahan-jiro ny mponina eto amin’ny renivohitry ny asa tanana. Tapaka amin’ny 12 atoandro dia miverina amin’ny 6ora hariva, dia tapaka indray amin’ny 9 ora alina mandra-maraina amin’ny 8 ora any. Tsy fahampian-tsolika no voalaza hatreto fa antony.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 04 janvier 2019 09:10

4 janvier

Journée mondiale du braille.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 04 janvier 2019 09:07

Ambatondrazaka

Mijoro nanomboka omaly ny Komity miaro ny Fahamarinana.

 

Publié dans Tselatra

La Haute Cour Constitutionnelle procédera à la proclamation officielle du second tour le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures au Palais d’Etat d’Ambohidahy.

 

Publié dans Fil info